· Aogositra, 2011

Tantara mikasika ny Foko sy Fiaviana tamin'ny Aogositra, 2011

Madagasikara : Izay tsy hataon'ny vehivavy bevohoka

  22 Aogositra 2011

Amin'ny lahatsoratra mahaliana iray mikasika ny « Fady » amin'ny fiainana nentim-paharazana malagasy no iresadresahan'ilay mpamaham-bolongana malagasy Ariniaina ny « fady » amin'ny vehivavy bevohoka, tahaka ny “Tsy mitondra trondro anaty harona na miloloha izany (ary tsy mihinana izany koa)fa raha tsy izany dia hisy kirany ny zaza”.

ANGLETERA:#BlameTheMuslims Tenifototra Tao amin'ny Twitter Nivaona Tamin'ny Tokony Ho Izy

Sanum Ghafoor, izay mandeha ao amin'ny Twitter amin'ny @Strange_Sanum, dia silamo 19 taona ary mpianatra ao Angletera. Tezitra amin'ny fanondroana avy hatrany ny Silamo ho tompon'antoka amin'ireo herisetra maro isan-karazany, indrindra fa ilay asa fampihorohorona tao Oslo tamin'ny herinandro lasa teo iny, nanao tora-po tamin'ny fibitsihana tamin'ilay tenifototra #blamethemuslims (an'ny silamo ny tsiny) i Sanum. Satria efa zary mahazatra antsika ny mahita lohahevitra iray mipariaka lavitra be toy izany eny am-pototsofin'ireo mpihaino, mahagaga fa efa mivaona amin'izay zava niseho ny fampiasàna azy, nitarika ho amin'ny fahasorenan'ireo mpampiasa Twitter tanteraka.

Grande Bretagne (UK): May i Londres (Lahatsary)

  16 Aogositra 2011

Nivadika korontana sy fandrobana teo amin'ireo tanora ao an-tanàn'i Londres sy ao an-tanàna hafa ao Royaume Uni  ny fahatezerana noho ny famonoana nataon'ny polisy taminà rangahy iray 29 taona tao Tottenham, avaratr'i Londres tamin'ny 4 aogositra 2011. Tao amin'ny Twitter, ampiasana tsy ankiato ny tenifototra #LondonRiots, misy hatrany ny fanehoan-kevitra, tsaho sy...

Norvezy: Fitantaran'ny Nanatri-maso Ny Vono Olona Tany Utøya

  13 Aogositra 2011

Mitoraka bilaogy ny hitany maso sy ny zavatra nataony mba hahavelomany i Prableen Kaur, 23 taona, mpanao politika eo an-toerana ary tanora mpitarika avy any Oslo, raha nitifitra ireo tanora avy amin'ny fikambanan'ny tanoran'ny Antokon'ny mpiasa (Labour Party) Norveziana (Labour Party) any Utøya any Norvezy ny mpamono olona marary saina iray.