· Septambra, 2010

Tantara mikasika ny Foko sy Fiaviana tamin'ny Septambra, 2010

Ny sisintany tsy hita maso eo anelanelan'i Ekoatora sy Kolombia

  28 Septambra 2010

Olana maha-be resaka indray izao ny sisintany eo amin'i Ekoatora sy Kolombia. Ny firenena roa tonta dia manana sisintany mahatratra 586 km (tokotokony ho 365 miles) ary miaraka amin'izay koa ny tantaran'ny fifandirana, ny fifanamelohana avy amin'ny andaniny na ny ankilany sy ny tatitra momba ny fifandonana ara-tafika ary ny famindran-toerana ny mponina.

Aostralia: Adihevitra momba ny fiakanjo Silamo

  26 Septambra 2010

Nangatahan'ny ben'ny tanàna ny mponina any ambanivohitr' i Melbourne any Aostralia mba hanao akanjo manarona ny vatany mandritra ny lanonana ao amin'ny dobo filomanosana mba tsy hanohinana ny Silamo. Niteraka adihevitra tamin'ny aterineto izany baiko izany

Egipta: Mitohy ny resa-pady momba ny mpivarotena sy ny setrasetran-dehilahy

Rising Voices  25 Septambra 2010

Namoaka lahatsoratra maromaro momba ny lohahevitra fady eo amin'ny fiaraha-monina Egyptiana ny mpitoraka blaogy vaovao, ho an'ny tetikasa “Manadihady ny fady” any le Caire. Mahakasika ireo mpivarotena sy ny setrasetra ataon-dehilahy amin'ny vehivavy ny sasany amin'ny lahatsoratra. Vao haingana ny sasany tamin'ireo mpitoraka blaogy no nivoaka ny firenena ka nahafahan'izy...

Malezia: Fanafihana nitranga nohon'ny fanavakavaham-bolon-koditra tamin'ny Andro fitsingerenan'ny nahazoana ny fahaleovantena

  05 Septambra 2010

Tamin'ny takarivan'ny Andro fitsingeren'ny nahazoan'i Malezia ny fahaleovantenany dia nisy tantara iray notaterina tao amin'ny Facebook momba ny fanafihana nitranga nataon'ny tanora maro nohon'ny resaka fanavakavaham-bolon-koditra. Ireto manaraka ireto ary ny sombitsombiny amin'ny fomba fijery sy fisainan'ny Malezia mikasika izany fanavakavaham-bolon-koditra ao Malezia ankehitriny izany.

Ireo olona teratany sy ireo toeram-pitrandrahana any Kanada

  03 Septambra 2010

Ny vondrom-piarahamonina vazimba teratany any Amerika Avaratra dia mizara olana maro mitovy amin'ireo olom-pirenena any amin'ny tontolo an-dàlam-pivoarana. Misy mandrakariva ny fahantràna na dia manan-karena foana aza ireo tanin-dry zareo amin'ny harena an-kibon'ny tany. Mitatitra ny fifandirana farany momba ny harena ara-kibon'ny tany ireo mpitoraka blaogy

Ghana: Italiana ve i Mario Balotelli sa Ghaneana ?

  02 Septambra 2010

Italiana ve i Mario Balotelli sa Ganeana? Izany no fanontaniana mipetraka nahatonga adihevitra mafana amin'ny aterineto . Mpilalao baolina kitra mpamono baolina milalao ho an'ny tanànan'i Manchester i Mario Barwuah Balotelli ary ao amin'ny ekipam-pirenena Italiana. Nateraky ny mpifindra monina Ganeana tany Italie izy