· Avrily, 2008

Tantara mikasika ny Foko sy Fiaviana tamin'ny Avrily, 2008

Armenia: Kolontsaina hafa

  17 Avrily 2008

Manoratra ny kolontsaina mety ho hafahafa amin'ny vahiny miaina any Armenia i Dominic. Tsy maintsy miatrika ny fifampitantanan'ny olona amin'ny fandihizana tampoka eny an-dalana, marihin'ingahy mpanolotenan'ny tafi-pandriampahalemana moa fa mahitsy fo kokoa ny Armeniana amin'ny fitsikerana ny hafa.

Vietnam: Androm-pahatsiarovana ny mpanjaka Hung

  17 Avrily 2008

Ny mpamaham-bolongna Faster than the Fastest (haingana noho ny tena haingana) no manontany: “Fantatry ny Vietnamiana rehetra fa 18 ny isan'ny mpanjaka Hung 18 tao anatin'ny 4000 taonan'ny tantara, Nahoana moa no ao anatin'ny iray andro ihany no ahatsiarovana azy ireo? Fa angaha andro mitovy no “niambohoan” izy rehetra?”

Shina: Ny fiantraikan'ny fihetsiketseham-panafahana an'i Tibet

  16 Avrily 2008

Nampangotrangotraka ny fihetseham-pom-pitiavan-tanindrazana shinoa fatratra ny filaharam-panoherana ny shinoa tamin'iny herinandro lasa iny. Hany ka raha nisy zatovovavy mpianatra any etazonia “tratra” nandray anjara tamin'ny fihetsiketseham-panafahana an'i Tibet dia anjatony ny mpiserasera nanompa azy araka izy any an'eritreriny any.

Fampielezan-kevitra anaty tranonkala ho an’i Obama mampizarazara ny mpitoraka blaogy Etiopiana

  15 Avrily 2008

Nanambatra ny hery ara-politikany ny Diaspora Etiopiana any Etazonia, manomana tranonkala, fihaonana sy fampielezan-kevitra amin’ny mailaka mba handresena lahatra ireo mpiray fiaviana aminy hanohana ny fihazakazahan’i Barack Obama ho filoham-pirenena. Etiopiana maro mpitoraka blaogy no tonga namaly ny antso, nampanantena vola sy vato ho an’ny mpilatsaka Demokraty izay avy any...

Eoropa atsimo atsinanana, Rosia: Ady, Fandriampahalemana ary tantara ifampizarana

  07 Avrily 2008

Vladikavkaz renivohitry Ossetia Avaratra any Rosia, nametraka a baoritra kisarintsoratra amin'ny teny Rosiana izay ho sarotra tanterahina any Kaokazy avaratra ny mpampiasa ny LJ alan-tskhurbaev:   Kosovo is Serbia! Kosovo an'i Serbia! Raha mitaha amin'i Ossetia atsimo faritra miendaka amin'i Georgia, izay iheveran'ny mpitarika ao fa fanombohan-javatra iny fahaleovantenan'i Kosovo...