Tantara mikasika ny Foko sy Fiaviana
An'ny voambolana ny fitenenana: Fizaràna #11
Ato anatin'ny “An'ny voambolana ny fitenenana - Les mots ont la parole”, asongadinay ireto telo ireto: Beur, le mot nippo-français タカラジェンヌ, et l'anglicisme très courant, le deal.
2.202 andro taoriana, nahazo valiny tamin'izay mety ho nanome baiko hamonoana an'i Marielle Franco ny breziliana
Rehefa nanontany izay namono an'i Marielle Franco ny breziliana, dia nisambotra olona telo voarohirohy ho nanome baiko hamono ny polisy federaly, ka anisan'izany ny lehiben'ny polisy tao Rio taloha.
Teraka tao Jamaika, Jason Allen-Paisant indray no poeta karaibeana nahazo ny loka malaza T.S. Eliot
« Alina manatantara ho an'i poezian'i Karaiba » : Amin'izao fandreseny izao, fanintelony izao tao anatin'ny dimy taona ny poeta manana fiaviana karaibeana no nahazo ity loka malaza ity.
Palestiniana mpanoratra Randa Jarrar notaritaritina nivoaka ny hetsika PEN America noho ny fanoherany
Navoaka an-keriny noho ny fanakorontanana an’ilay mpanohitra fampitsaharana ady Mayim Bialik ny mpanoratra Palestiniana Amerikana Randa Jarrar tamin'ny famakiana ny anaran'ireo mpanoratra Palestiniana novonoin'ny tafika Israeliana tao Gaza.
Ndao hijery ireo lahatsoratra be mpamaky indrindra momba an'i Afrika tato amin'ny Global Voices tamin'ny 2023
Ireo lahatsoratra miresaka ny fidirana ho ao anivon'ny BRICS, ny fifandirana isam-paritra ary ny pôlitikan'ny vizà no niteraka fahalinana be ho an'ireo mpamaky manam-panirina ny hahatakatra ireo hetsika sarotakarina miantraika amin'i Afrika
Valibontan'ny Britanika mpanao gazety Myriam Francois manoloana ny fandarohana baomba ny Houthi sy ny adin'ny Ranomasina Mena
Nanakiana mafy ny hevitra “adala” nandaroka baomba ny Houthis tokony ho natao alohaloha kokoa noho ny antony ara-toekarena tao amin'ny fandaharan'ny Sky News i Myriam Francois, britanika malaza mpanao gazety sady mpanangona tahirin-kevitra.
Tompondakan'ny laza ny andian-tantara Rosiana iray momba ireo andian-tanora jiolahy tamin'ny vaninandro Perestroika, nankahatra ireo ezaka fandraràna azy
Noforonin'ireo Rosiàna mpanome tolotra fandefasana sarimihetsika ny andian-tantara "Slovo Patsana. Krov" na asphalte" (Ny tenin-drazazalahy: rà mameno ny tara). Tanaty volana iray monja, izy no tompondakan'ny laza ao Rosia.
Tondra-drano any Brezila, nanjary adihevitra nasionaly ny fanavakavahana ara-tontolo iainana
Niteraka fahafatesan'olona 12 sy faharavana tamin'ny volana Janoary ny tondra-drano sy ny oram-be tany amin'ny fanjakan'i Rio de Janeiro. Taorian'ny nanamarihan'ny minisitry ny fitoviana ara-poko Anielle Franco ny fanavakavahana ara-tontolo iainana, dia niteraka adihevitra nasionaly io teny io.
Mametraka fanontaniana ny kaonty Flickr an'ny filohan'i Rwanda, Paul Kagame hoe : Afaka mamerina ny maripamantarana azy hita maso ve i Afrika ?
Ilay Nizeriana mpanoratra malaza, Chimamanda Ngozi Adichie, dia nanazava ny fomba fiantraikan'ireo tantara amin'ny maripamantarana, amin'ny fanefena ireo hevi-draikitra sy fanokafana làlana mankamin'ny fiitserana. Ary ahoana ny amin'ireo sary ? Inona no loza ateraky ny sary tokana monja?
Nodimandry teo amin'ny faha-65 taonany i Benjamin Zephaniah, poeta britanika tsy manam-paharoa manana faka avy any Karaiba ary manintona be ao anatina fiarahamonina manana kolontsaina marolafy
Lasa mpanakanto sy mpandika teny ankafizina izy izay namakivaky ny sisintany rehetra ary nikaroka izay hanasitranana ny fiarahamonina voasamantsamaky ny fanjanahantany, ny fanavakavaham-bolonkoditra ary ny tsy rariny ara-tsosialy.