The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Tontolo_iainana Tahiry Lohahevitra

RSS ho an i Tontolo_iainana

2009-09-30

Global Voices sy ny Blog Action Day 2009

Global Voices dia blaogy mpiara-miasa ofisialin'ny Blog Action Day amin'ny 15 Oktobra, andro iraisana hihetsehana izay iraisan'ireo mpitoraka blaogy rehetra hina hanoratana momba ny fiovaova'ny toetr'andro.

Filipina: Tondra-drano an-tsarimihetsika nataon'ireo mpampiasa aterineto

Ampahantsary maro avy amin'olon-tsotra no nandrakitra ireo fahavoazana sy faharavana nentin'ny rivo mahery tropikaly izay namely ny Metro Manila sy ny faritany manodidina azy akaiky tany Philippines tamin'ny Alahady lasa teo.

2009-09-05

Nepal: mandray an-tanana ny olana amin'ny fiovan'ny toetr'androVideo post

Resaka mahoraka any Népal ankehitriny ny olana momba ny fiovan'ny toetr'andro, na dia mampiseho aza ny fanadihadihana fa olona marobe any an-toerana no mosarena vokatry ny haintany miseho matetika, dia loza mitatao ho an-dry zareo koa ny fitsoniky ny ranomandry. Miankina betsaka amin'ny fizahan-tany sy ny fambolena ny lafiny ekonomika ...

2009-08-26

Grèce: Mandondona an'i Athènes ny afo

Nisy doro tanety nitranga tany avaratra atsinanan'i Attica any Grèce ny zoma alina lasa teo, ary avy hatrany dia nandrava ala maro sy tanin'olona maro. Tao anatin'ny 2 andro monja dia nahazo ny faritra avaratra indrindra any Athènes ny afo, mampahatsiahy ny fahasimbana goavana nateraky ny doro tanety tamin'ny lohantaona ...

2009-08-21

Brezila: Hetsika [Manifeste] miantso tolona ho fanodinana bebe kokoa ny fako elektronika

Any Brezila, misy lalàna momba ny fitantanana ny fako mivongana novàna mba hanalàna ny fako elektronika. Ny dingana voalohany hiadiana amin'izany fanovàna izany dia ny famoronana ny Hetsika ho an'ny Fako Elektronika mba hanangonana ny fanohànan'ireo mpikirakira ny aterineto ho fanodinana bebe kokoa ireo vokatra elektronika.

2009-08-13

Taiwan: Potiky ny rivodoza Morakot ny faritra atsimon'i TaiwanSary post

Nandalo tany Taiwan ny rivo-doza Morakot ny 07 aogositra 2009 lasa teo. Nampirisika ny mponina tany amin'ny faritra avaratra hiomana amin'ny fiavian'ny orambe sy ny rivotra mahery ny biraon'ny famantarana ny toetr'andro tany an-toerana. Kanjo ny faritra atsimo no nitondra faisana tamin'ny tondra-drano sy ny fahasimban'ny fambolena raha nampitahaina tamin'ny ...

2009-08-05

Kenya:Liona vita amin'ny ‘fibre de verre' hiverina ho ‘Sauvage' any Nairobi

Raha tandindonin-doza ireo liona any Kenya ary mitohy mihena ny isan'izy ireo, nisy hetsika iray ho famoriam-bola sy fanairana ny sain'ny rehetra mikasika ireo liona natao tamin'ny 17 Jona 2009 tany Nairobi.

2009-07-14

Meksika: Tsy fahampian-drano mahakasika mponina hatramin’ny 2 tapitrisa

Efa ho 2 tapitrisa izao ny olona voakasik’ilay fihenan’ny famatsian-drano tsy ela akory izay tao amin’ny lemak’i Meksika. Ny Cutzamala System, izay mandrindra ny 20% amin’ny rano fisotro madio ho an’ilay lemaka, dia tsy miasa araka ny tokony ho izy ary tsy afaka mamatsy ny faritra misy azy: distrika 10 ao amin’ny Distrika Federaly ary fiadidiana tanàna 13 ao amin’ny Firenen’i Meksika. Mahakasika olona maro ity tsy fahampian-drano ity isaky ny faran'ny herinandro mandritry ny fotoana tsy voafetra.

2009-07-07

Repoblika Dominikana: manohitra ny fananganana orinasa fanaovana simenitra ao Los Haitises

Efa ho 1 volana mahery izay dia nanao fihetsiketsehana fanoherana ny fananganana orinasa mpamokatra simenitra ao amin'ny faritra arovana ao amin'ny valan-javaboahary any Los Haitises ny mponina any amin'ny Repoblika Dominikana, faritra izay ahitana fifangaroana tontolo iainana misy kalkera manana ny maha izy azy manokana any amin'ny faritra avaratra atsinanan'ny ...

2009-05-11

Rosia : Tatitra fanampiny mikasika ny fipoahana nitranga tany MoskoaSary postVideo post

Indreto tatitra hafa fanampiny mikasika ilay doro trano vokatry ny fipoahan'ny fantsona famatsiana etona tany Moskoa tamin'ny 9 : Andrei Kharlanov izay sady nametraka lahatsary ao amin'ny Youtube no nitatitra nivantana tamin'ny alalan'ny Twitter @andreikharlanov izay narahin-tsary koa;  Mpivoy LJ [LiveJournal] q-u-a-t-t-r-o (monina 1.5 km ny toerana nitrangan'ny voina ...