Global Voices teny Malagasy » Tontolo_iainana
Mongolia: Manimba ny fomba fiainan'ny mpifindrafindra monina ny fiovan'ny toetr'andro
Hatry ny fahagola no nilàn'ny fianakaviana mpifindrafindra monina avy any Mongolia tamina toerana midadasika fa izany no mifandrindra amin'ny fomba fiainany. Taloha dia azon'ny biby fiompiny nivalamparana avokoa na ny sakafom-biby na ny rano. Saingy niova avokoa izany rehetra izany, fa nanimba ny fomba fiainan'ireo fianakaviana ireo ny fiovaovan'ny toetr'andro.
Saripikan'i Tonio94 ary arovan'ny Creative Commons license.
Nampivandravandra izany fiovana izany ny lahatsoratr'i Joshua Kucera ao amin'ny Eurasianet :
Global warming is having a harsh effect on Mongolia’s nomadic herders, who comprise about 40 percent of the country’s overall 3 million inhabitants. Since 1940, the mean air temperature in the country has increased 1.6 degrees Celsius. Heat waves are longer, and rain patterns have become “quite variable, decreasing at one site and increasing at a site nearby,” according to an assessment by the country’s Ministry of Nature and the Environment. The Gobi Desert, in the south of the country, is creeping northward.
Nisy fiantraikany goavana tamin'ny mpiandry ondry any Mongolia, izay mahatratra ny 40%n'ny mponina 3 arivoarivo, ny fitomboan'ny hafanana ankapobeny. Tafakatra 1,6°C isan-taona ny maripana hatramin'ny taona 1940. Mihamaharotra kokoa ny hafanan'ny toetr'andro, ary “miovaova, mihena amin'ny toerana iray nefa mitombo amin'ny toerana eo anilany” ny rotsak'orana, araka ny filazan'ny Minisitry ny tontolo iaianana sy ny zavaboary. Mihamihisaka tsikelikely mianavaratra ny tany hay ao Gobi, any atsimon'ity firenena ity.
Mihena ny firaofan'ny biby, izay loharanon-tsakafo manan-danja amin'izy ireo, ahitra noho ny fitomboan'ny tany hain'i Gobi. Miatrika olana eo amin'ny rano fisotro ihany koa ny mponina, araka ny fitantaran'ny mpamaham- bolongana Mandah, nanoratra ny olana atrehin'ny fokonolona amin'ity resaka rano ity:
Mongolian high mountain peak’s snowcap and glaciers have been melting and thinning because of the Global Warming. The thickness of the snow melting will become 131 centimeters by 2039. According to the scientist, the whole world will start to face fresh water shortage by 2020 and 108 million people actually have to deal with the fresh water shortage by 2025. Since 1996, Mongolian groundwater level has been decreasing constantly. Some of the biggest lakes in Gobi region such as: Taatsiin tsagaan, Adgiin tsagaan, Ulaan, Orog lakes as well as many other rivers dried up.
Mitsonika tsikelikely ary miha-manify ny ranomandry an-tendrombohitr'i Mongolia noho ny fitomboan'ny hafanana amin'ny ankapobeny. Hahatratra 131 santimetatra izany hatevin-dranomandry hitsonika izany amin'ny taona 2039. Ny manampahaizana dia milaza fa hiatrika tsy fahampian-drano madio fisotro ny mponina 108 arivoarivo amin'ny tany iray manontolo alohan'ny taona 2025. Hatramin'ny 1996 no efa nihena hatrany ny rano anaty tany any Mongolia. Ritra ny farihin'ny faritr'i Goribi tahaka an'i Taatsiin tsagaan, Adgiin tsagaan, Ulaan, Orog lakes ary ny renirano hafa.
Mameno ny momba io fiovaovan'ny toetr'andro io ny mpamaham- bolongana sady botanista Ariungerel:
Nowadays, the meaning of the phrase “water is treasure” is becoming clearer. Our country is situated far from nearest sea and has less water sources on the ground and underground compared with countries that has enough water sources. Our people range their life in line with water sources, for example: remote area can be utilized only in winter times because running water source is scarce there, only snow is available there. Elders said that they used to use mouthful water to wash their faces and hands, but in the contemporary world, we use many more litters of water for the same reason.
Mihamazava kokoa ankehitriny ny dikan'ny teny manao hoe “harena ny rano”. Lavitra ny ranomasina ny firenentsika ary kely kokoa noho ny an'ny firenenkafa izay manana tahirindrano an-tanety sy ambanin'ny tany ampy ny antsika. Mandamina ny fiainany araka tahirin-drano ny olona aty amintsika, ohatra: mandritra ny fotoan-dririnina no ampiasaina ny rano lavi-toerana satria kely ny ranomandeha any, ranomandry ihany no misy any. Nitantara ny Ntaolo fa rora no nampiasainy tamin'ny androny hanasany tarehy sy tanana, fa ao anatin'ny tontolo ankehitriny kosa, efa betsaka kokoa ny rano ampisaina hanaovana ireo zava-droa loha ireo.
Maro ny lohahevitra tsy mba fantatry ny ao an-toerana loatra, ary manoatra noho izany ny zavatra manerantany. Saingy, misy tetikasa ao an-toerana antsoina hoe Nomad Green (dika manta: Mpifindrafindra monina maitso) nandray andraikitra hampianatra ny fampiasana fitaovana entin'olo-tsotra mampahalala vaovao tahaka ny bolongana, sary ary lahatsary mba ahafahana milaza ny tantaran'ity firenena ity sy ny olana ara-tontolo iainana entiny. Nanomboka tamin'ny taona 2009 sy iarahan'ny fikambanana sy sampan-draharaham-panjakana miasa, ary efa voapetrapetraka ny daty hanaovana atrikasa isan-karazany ao andrenivohitra Ulaanbaatar sy tanàna hafa manodidina an'i Mongolia.
Sarin'ny atrikasa Nomad Green nataon'i Portnoy (Lehilahy Miasa) ary arovan'ny Creative Commons license.
Efa nahitana dingana tsara amin'ny fampianarana ny Mongole amin'ny fampiasana ireo fitaovana entiny mitantara ny fanamby atrehin'ny fireneny eo amin'ny resaka tontolo iainana ny tetikasa. Anisan'ny porofo amin'izany dingana izany dia ireo mpamaham-bolongana roa efa nolazaina teo aloha teo tamin'ity lahatsoratra ity dia i Mandah sy i Ariungerel dia anisan'ny tao anatin'ny tetikasa Nomad Green avokoa, ary manampy ireo ny feon'ireo liana amin'ny ho avin'ny tontolo iainana any Mongolia.
Eduardo Avila
Ozbekistana: Tashkent, tanàna maitso. Sa tsia?
Notapahana ireo hazo antitra tao afovoan-tananan'i  Tashkent – tanatin'ny iray andro dia niparitaka tao an-tanàna ilay vaovao nahatafintohina.
Photo by goricvet
Planetrees, na platanus [Avy amin'ny Mpandikateny: najanona amin'izao ny anara'ny hazo fa tsy fantatro amin'ny teny Malagasy], novolena tany amin'ny faramparan'ny taonjato faha-19 tany, no notapahana tao amin'ny zaridainam-pokonolona antsoina hoe Amir Temur (Tamerlane) ao Tashkent tamin'ny herinandro lasa teo. Araka ny nolazain'ireo manampahefana, ny fanapahana dia nampifanarahana tamin'ny drafitry ny asa ara-pahasalamana kasaina hatao ao amin'ny tanàna. Kanefa, tsikaritra fa ireo hazo dia tsara toerana sy nahasarika tokoa.
Etsy ankilany, trano be tranainy roa mifanila amin'ny zaridainam-pokonolona no andalam-pandrodànana. Ny iray voalohany dia ilay trano fisakafoanana  “Poytakht” (“Masonkarena” amin'ny teny Ozbeky) vao navaozina tsy ela akory, naorina tany afovoan'ny taonjato lasa iny. Ny iray faharoa dia ny Fiangonana Ortodoksa Rosiana fahiny izay naorina ho an'ny Semineran'ny Mpampianatra Tashkent tamin'ny 1898. Tranom-panjakana vaovao no kasaina haorina eo amin'io toerana io.
Joendax manoratra (rus):
Tsy dia niraika firy tamin'ny momba ny hazo aho taloha. Fa tamin'ity andro ity sy ireo andro maro nifandimby, tsy nety nino aho hoe marina kay ilay izy. Rehefa mamerina mamisavisa ireny fahatsiarovana ireny aho dia manomboka latsa-dranomaso, satria tsy afa-manova na inona na inona.
Inona no azo anazavàna an'itony? Be ny mihevitra fa ny tena anton'ireo hetsika ireo dia ny Lapa vaovao ho an'ny Forum, niorina tamin'ny fiandohan'ity taona ity. Lasa anton-dresaka be teo anivon'ireo mpitoraka blaogy Ozbekistana izy io.
Noho izany no  nanoratan'i UNKNOWN hoe:
[…] nisy fangatahana maika ny handravàna ny foibem-pifandraisana an-tarobia izay faran'ny tranainy indrindra ao  Tashkent, niorina tamin'ny 1932. Zavatra nanaitra ny ankabeazan'ireo mpiasa tao sy ny maro mpampiasa ny tolotra  tokoa. Amin'io fotoana io no sady andravàn-dry zareo ny foiben-toeran'ny fiara fitateram-bahoaka manakaiky ny Tobim-pifandraisana an-taribia.  Lapa vaovao iray  ho an'ny Forum no kasaina haorina eo.
Kanefa, ilay Lapa dia miteraka fanontaniana maro eny anivon'ny daholobe, indrindra indrindra fa ny tena anton'izao fandaniana be izao, ny fampiasàna herin-tsandry vahiny manolona any tsy fananana asa manenika ny firenena sy ny resaka hafa ihany koa, tafiditra amin'izany ny fandraràna tsy ahazoana maka sary ilay tranobe.
Amin'izao fotoana, ny tra-pahavoazana noho ny Lapa dia ny hazo antitra maanoloana azy indray.
Ny sasany mihevitra fa ny tsangambaton'i  Amir Temur, mipetraka ao afovoan'ny zaridainam-pokonolona, no tena anton'ny fanapahana ireo hazo :
nashingyou manao fanamarihana somary masirasira ihany (rus):
[…] Tashkent dia tsy maintsy tanora sy mavitrika  lalandava! Inona no hilàny izay hazo antitra sy bevata any? Inona no ilàny izay vakoka rakitry ny ela any? Fahiny izany! Ohatra izao, tsy ela izay no nandravàna ny zaridainam-pokonolona, dia afaka mahita ny soavalin'i Amir Temur avy eny lavitra eny ny mpizahatany.
Tamin'ny 21 Novambra dia nanao hetsika iray ho fanoherana ity asa fmotehana ity ireo tanora mafana.
Nametraka voninkazo sy labozia maro teo amin'ny fefin'ny zaridainam-pokonolona ry zareo, manakaiky  ny Lapa ho an'ny Forum. Tokony ho tao an-jazidaina no nanaovana ny hetsika, saingy efa nobahanan'ny mpitandro filaminana ny fidirana, raha nanohy niasa tao kosa ireo fiara vaventy [bulldozers]. Fotoana fohy taorian'ny nanombohan'ny hetsika, tonga namono ireo labozia sy nanipitsipy ireo voninkazo ny mpitandro filaminana.
Ny mpitoraka blaogy roost dia nitatitra fa (rus):
Natao ny Sabotsy teo n y hetsi-paniherana nanakaiky ny  Amir Temur Square. Amin'ny lafiny iray, tsara ilay izy, satria nahazoana olona nisinisy ihany. […] Amin'ny lafiny iray kosa, tsy dia nahomby loatra, satria ny ankabeazan'ireo labozia dia tsy iray minitra na mahery kely monja no nijoto teo. Raha ny fahafantarako hatreto, tsy nisy aloha ny voasambotra.
Malezia-Singapore: averina dinihana ny fifanarahana momba ny rano
Noho ny habeny sy ny toerana misy azy,i  Singapore dia màka efa ho ny antsasaky ny filàny rano any amin'ny mpifanolo-bodirindrina aminy, Malaysia. Miisa roa goavana ny fifanarahany momba ny rano amin'i Malezia.
Ny fifanarahan'ny 1961 provides ny fivarotana galonan-drano tsy voadio 350 tapitrisa isan'andro amin'ny vidiny 3 cents Maleziana ny 1,000 galona. Nanaiky koa i  Singapore fa hamatsy an'i  Johor (fanjakana Maleziana iray ao akaikin'i Singapore) isan'andro amina rano voadio amin'ny sanda  50 cents ny 1,000 galona. Hifarana amin'ny 2011 ity fifanarahana ity.
Ny fifanarahana tamin'ny 1962 dia nanome alàlana an'i Singapore hisintona rano tsy voadio avy amin'ny reniranon'i Johor. Ho setrin'izay, mahazo famatsiana rano voadio isan'andro avy any Singapore i  Johor. Fifanarahana manan-kery mandritry ny 99 taona.
Hifarana ilay fifanarahana voalohany amin'ny 2011, Dr. Mahathir Mohamad,  Praiminisitra teo aloha  dia manontany ao amin'ny blaoginy be mpanaraka tokoa raha toa ny governemanta amin'izao fotoana mba mihevitra ny hamerina indray ny dinika momba ‘ilay fifanarahana mba hahatongavana amin'ny tolotra tsaratsara kokoa:
Tsy lavitra mihitsy ny 2011. Efa nihevitra ny hanalava na tsia  ny fifanarahan'ny 2011 ve isika na hamerina hidinika fifanarahana vaovao iray momba ny rano? Hanao mahantra be fiantrana eto indray ve isika ka hivarotra rano tsy voadio amin'ny  3 cents ny 1000 galona ho an'ny mpanankarena mifanolo-bodirindrina amintsika?
Ny be fiantrana sy tsy be fanontaniana manindritsindrona dia làlana iray tsara ahazoana sakaiza. Nefa kosa mitondra inona amin'ny vahoakan'i Malezia.
Kent Moo, mpitoraka blaogy, dia manamarika ny mpitondra teo aloha dia nanainga “onjan'eso momba ny resaka fivarotana rano amin'i  Singapore, ary izany fomba fanao izany dia mandrendrika ny mpandimby azy, Abdullah Ahmad Badawi.”
Ny hafatra nampidirin'i Mahathir ao amin'ny blaoginy, toy ny mahazatra, dia niteraka fanamarihana maro. i Abang Din dia mankasitraka ny famerenana indray ny dinika momba ny tolotra rano:
Tsy dia mifanaraka loatra amin'ny tokony ho izy ny hanohizana mamatsy rano tsy voadio an'i Singapore raha tsy mifanaraka velively amin'izany ny tombontsoa azo avy aminy. Asa fandraharahana no ataontsika eto, dia aleo ho asa fandraharahana tokoa. Mazava loatra fa tsy maintsy mijery ny fifandraisantsika amin'i Singapore isika, nefa tsy ao anaty safidy kosa ny hanohy fifanarahana sadasada tsy misy dikany.
Antenaiko fa hijery akaiky an'io olana io ny governemantan'i Malezia mba tsy hanome laza ratsy ny vahoakan'i Malezia. An'ny Maleziana rehetra ny rano tsy voadio, noho izany kendreho ho ara-drariny sy araka ny tokony ho izy ny fanapahan-kevitra.
Ifanonline koa dia mihevitra fa ny vidin-drano hotapahana mandritry ny fifanarahana dia tokony hahitàna taratra ny sanda mihatra eny an-tsena amin'izao fotoana
Fahatsapana faran'izay tsotra iraisan'ny rehetra io. Na iza na iza doa tokony hahafantatra daholo fa raha misy fifanarahana vaovao hivarotana rano amin'i Singapore, dia tokony hisy vidiny vaovao mifanaraka amin'ny hita eo amin'ny tsena amin'izao fotoana. Malezia sy Singapore dia afaka miresaka ara-pomba diplaomatika momba io resaka rano io hahatongavana amina fifanarahana momba izay ho vidin-drano vaovao. Tsotra be izany izao, rehefa tsy lanin'ny vavonin'i Singapore ny vidiny, i Malezia kosa tsy tokony ho be filirony ka hivarotra ny rano amin'ny vidiny varoboba.
Weesg dia mino hoe vahaolana tsy mitanila io raha toa ka tsy havaozina ilay fifanarahana voalohany mba hahaizan'i Singapore mianatra mizaka tena.
Manontany aho hoe nahoana no mipongatra izany ankehitriny. i Singapore efa nanao tsilian-tsofina fa hanadaboka ilay fifanarahana voalohany momba ny rano amin'ny 2011. Rehefa mahatsapa i Malezia fa tsy izy mihitsy ny vidin-drano, ary i Singapore kosa faly hanadaboka ny fifanarahana, tsy tombontsoan'ny andaniny sy ny ankilany ve izany? Raha tsy manana ranoVOADIO sahaza i  Singapore aorian'ny 2011, an'i Singapore manokana izany, sa tsy izany? Toy ny olona iray mikikitra mively soavaly maty.
Izany eo ihany, faly aho hoe nandà ny tsy hanalava ilay fifanarahan'ny 2011 i Malezia. Tsara ho an'ny firenena roa tonta izany. Afaka mianatra mizaka tena koa i Singapore.
Tsara ny hampahalalàna ny olona fa rehefa fifanarahana dia fifanarahana (dia fifanarahana). Mianara manaiky an'izay. Fidio am-pahendrena ny mpitondra anareo.
Ny Ministeran'ny Fampahalalam-baovao, Fifandraisana sy ny Zavakanto any Singaporedia namoaka  bokikely iray tamin'ny 2003 mba ho fanampim-panazavana momba ny resaka manodidina ny fifanarahana rano   Malezia-Singapore. Ao anatin'io bokikely io, Singapore dia manindry mafy fa mifandanja tsara ny fifanarahana tamin'ni Malezia raha ny tolotra rano no atao resaka.
Ny olana momba ny rano tsy resa-bola fotsiny fa ny fisian'i Singapore ho firenena manana fiandrianana mihitsy. Ireo Fifanarahana momba ny Rano dia tafiditra ao anatin'ny Fifanarahana Fisintahana izay miantoka ny maha firenena manana ny fiandrianany an'i Singapore. Raha azon'i Malezia ovàna araka izay itiavany azy ny votoatin'ny Fifanarahana momba ny Rano, dia mampametra-panontaniana koa ny momba ny fizakantenan'i  Singapore. Izay no tena fototry ny fifandirana.
Ny olana dia tsy ny hoe ohatrinona no alohantsika, fa ny hoe ahoana no fomba nanapahana ny fanitsiana ny sanda. Ny Fifanarahana momba ny Rano dia ahitàna andalana manokana mikasika ny hoe rehefa fotoana manao ahoana no azo anitsiana ny sandany ary ahoana no hikajiana ny fanitsiana. Ny fanitsiana ny sanda dia tsy araka izay maha-diavolana ny fon'ny andaniny na ny ankilany manokana. Raha toa MAlezia faka manova samirery ny votoatin'ny fifanarahana nekeny an-tsitrapo, aiza ny hasin'ireo fifanekena? Izay fifanarahana amin'ny ho avy rehetra hataontsika miaraka amin'i Malezia dia tsy hisy hanana ny lanjany.
Rajan Rishyakaran dia manakiana an'i Mahathir avy any Malezia ho nampikatso ny fifampidinihana teo amin'i Singapore sy Malaysia
Nahoana i  Singapore no tokony hanaiky handoa vola bebe kokoa amin'ny rano raha tsy mahazo na inona na inona ho tambiny ry zareo?
Ekena tanteraka, na tamin'ny vidin'ny rano tsy voadio tamin'ny andron'i  Mahathir aza, mbola mora kokoa ny vidin'ny rano tsy voadion-dry zareo Maleziana raha mitaha amin'ny fizakan-tena: saingy ny hilefitra amin'ny fangatahan'i Mahathir dia fiandohana ohatra ratsy any  Singapore. Noho ny tsy fahaizan'i Mahathir mitady marimaritra iraisana, ny fanaovan-javatra tsy amim-piheverana sy ny tsy fananany faharetana miaraka amin'i  Singapore, samy maty antoka izao i  Singapore sy Malezia.
Ny fiankinan-dohan'i Singapore amin'ny rano hafarana dia nanery azy hanamafy ny teknolojia vaovao mba hamokarana ny filàny manokana ara-drano. Nanangana ny  NEWater (avy amin'ny ranony efa niasa) izy ary tsy ela akory izay dia nanangana ny  ozinina lehibe indrindra any Azia ho fanasarahana ny rano sy ny sira avy amin'ny ranomasina.
Sina: Ny haintany sy ny tohodranon'i Three Gorges
Nanomboka tamin'ny Septambra tamin'ity taona ity, ny tohodranon'i Three Gorges any Sina, ny tobin'herinaratra azo avy amin'ny rano lehibe indrindra eran-tany, dia nanomboka tetikasa famenoana mba hanatrarana ny fetran'ny tahiriny, 175 metatra. Tamin'ny Oktobra, nisy haintany mahery vaika tany amin'ny faritanin'i Hunan sy Jiangxi tamin'ireo faritra antonontonony sy iva miohatra amin'ny renirano Yangtze. Tamin'ny 25 Oktobra, nanambara ny ‘orinasa three Gorges' any Sina fa tsy misy ifandraisany mihitsy ny haintany sy ny tetikasan'ny  Three Gorges :
Zheng Shouren,  Injeniera mpifehy ao amin'ny komity  mitantana ireo Loharanon-dranon'ny renirano Yangtze, dia niteny fa ireo izay manilika ny andraikitra momba ny haintany any Hunan sy Jiangxi samirery amin'ny tetikasa Three Gorges dia mijery mitongilana. “Ny tena niteraka io haintany any Hunan sy Jiangxi io dia ny tsy fahampian'ny rotsak'orana any an-toerana ampian'ny fiakaran'ny maripàna tsy ankiato nanomboka tamin'ny Septambra,” hoy Zheng, izay mpikambana ao amin'ny Akademia Sinoa momba ny Injeniora.
Tamin'iny andro iny ihany, nasondrotra ny taham-pamatsian-drano mba hampalefaka ny haintany amin'ny faritra iva. Ny 28 Oktobra, nitatitra ny CCTV fa nisondrotra bebe kokoa ny famatsian-drano. Niaiky ireo tompon'andraikitra fa tsy ho tratra amin'ity taona ity ny tahiry mirefy 175 metatra nokendrena, nefa nanisika fa tsy misy fifandraisany amin'ny tetikasa Three Gorges mihitsy ny haintany.
Nandray anjara tamin'ny adihevitra i Qian Gang (钱钢), mpanao gazety sinoa fanta-daza. Tanaty lahatsoratra ho an'ny 1bao (壹报) tamin'ny 2 Novambra dia niteny izy fa:
旱灾通常由气候变化引致。今年夏秋，包括广东在内的诸多省份少雨干旱。但长江流域广大地区今次大旱情，却与三峡有关。据报道，三峡水库水位由9月15日的近148米上升到10月24日的170米，截留之水形成前所未有的巨大人工湖。
Matetika ny haintany dia noho ny fiovaovan'ny toetr'andro. Faritany vitsivitsy, isan'izany Guangdong, dia nandalo haintany nandritra ity fahavaratra sy fararano ity. Nefa ny faritra midadasika tratran'ny haintany manodidina ny renirano Yangtze dia noho ny tetikasa Three Gorges. Araka ireo tatitra, niainga tamin'ny 148m ny hahavon'ny tahirin-dranon'ny Three Gorges ny 15 Septambra ka tonga 170m tamin'ny 24 Oktobra. Namorona renirano goavana sy tsy manam-paharoa vitan'olombelona izany.
而与此同时，湖南各条长江支流水位迅速下降，洞庭湖水位降至60年来同期最低值。渔民无鱼可捕，枯水影响航运，长沙等城市食水供应告急。江西境内的4条大河逼近或低于历史同期最低水位。鄱阳湖比正常年份提前40天进入枯水期。
Mandritra izay dia nihena haingana ny haavon'ny rano any amin'ireo loharano any amin'ny faritanin'i Hunan. Nahatratra ny ha-iva ambany indrindra tao anatin'ny 60 taona ny renirano Dongting . Voadona mafy tamin'izany ireo mpanjono sy ny fitaterana an-drenirano. Miatrika tsy fahampian-drano ireo tanàna toa an'i Changsha. Efa saika nahatratra ny ha-iva manan-tantara ireo renirano lehibe efatra any amin'ny faritanin'i Jiangxi. Ritra 40 andro mialoha noho ny mahazatra ny renirano Poyang.
Lasa nitsikera ireo tompon'andraikitra izy:
长江水利委员会的专家把华中干旱的原因归咎于天气，称三峡蓄水是为了抗旱，蓄至高水位，才能在来年苦水季给下游补水。
Manameloka ny toetr'andro ny komity  mitantana ireo Loharanon-dranon'ny renirano Yangtze. Niteny ny komity fa mifototra amin'ny tanjona fisorohana ny haintany amin'ny taona ho avy ny tetikasa Three Gorges. Tsy misy afa-tsy ny fitahirizana rano be dia be no vahaolana hamatsiana rano mandritra ny vanim-potoana maina amin'ny herintaona.
这是对公众极不负责的态度，好比一个人先劫掠，再施舍，然后以扶困救难的善士自居。请不要再欺骗老百姓，请解释：明知夏秋之际中国中部、南部少雨干旱，为什么还启动风险如此巨大的三峡蓄水计划？
Tsy fihetsika mpandray andraikitra izany. Toy ny mandroba olona ary avy eo manampy azy indray amin'ny fihantsaram-belatsihy. Azafady, aza mandainga amin'ireo olom-pirenena intsony. Mba hazavao azafady: raha fantatra fa ho vanim-potoanan'ny haintany ny fahavaratra sy fararano ho an'ny Sina afovoany, maninona no mbola manao tetikasa mety hitera-bokatra ratsy goavana ihany?
为什么在今秋急急上马175米高程蓄水？有关部门宣称“将兼顾上、下游需求，正确处理防洪、发电、航运和供水之间的关系”，但一个月来长江中下游航运淤滞、供水告急的事实，证明这完全是一句假话。能源部门这个央企巨无霸，真正追求的东西只有一个——钱。
Fa maninona no nandray fanapahan-kevitra maimaika ny hanatratra ny hahavon'ny tahiry ho 175 metatra? Nanambara ireo tompon'andraikitra fa  “handamina ny fifandajana ao amin'ny resaka fisorohana tondra-drano, famokarana herinaratra, fifamoivoizana an-drenirano ary ny famatsian-drano. Nefa nandiso izany fanambaràna izany ny fitohanan'ny fifamoivoizana sy ny haintany tamin'ny volana lasa teo. Ny departemanta miandraikitra ny angovo, orinasam-panjakana goavam-be iray, dia tsy mitady afa-tsy zavatra iray ihany: vola.
Toa manako ao amina hevitra iray ao anatin'ny gazety mpivoaka isanandro ao Hong Kong izany:
區內雨量大幅減少確實是洞庭、鄱陽兩湖乾涸的主要原因。但兩湖水位急降，跟三峽工程也有關係。三峽水庫九月中啟動一百七十五米蓄水計劃後，長江中下游開始水位急降，本來儲存長江來水的洞庭及鄱陽，倒過來向長江輸水。
Tena anton'ny fidinan'ny hahavon'ireo renirano Dongting sy Poyang ny fihenan'ny rotsak'orana. Nefa misy idiran'ny tetikasa Three Gorges koa izany. Nanomboka tamin'ilay fampihàrana ilay tetikasa hitahiry tamin'ny Septambra, nidina haingana be ny hahavon'ny Yangtze amin'ireo faritra iva. Dongting sy Poyang, izay niasa ho toy ny tahirin-drano miditra tany am-boalohany, dia lasa loharanon-drano ho an'i Yangtze.
巨大的三峽水庫本可調節長江水量：雨季時截住洪水…枯水時增加排水量…可惜，這幅理想圖像與現實的利益存在衝突，很難實現，因為三峽工程已成為利益集團的禁臠和生財工具。
Azo ampiasaina handrindràna ny fizotry ny rano ilay tetik'asa goavan'ny Three Gorges: ny fanakanana ny rano mandritra ny fotoan'ny orana ary famatsiana rano rehefa fotoan'ny haintany… Indrisy, tsy ho tanteraka izany sary lafatra izany, satria zara lasa antontan'entan'ireo mahita tombontsoa aminy ilay tetikasa.
[sary : www.1bao.org]
Sina: Ranomandry vita sinoa
Tamin'ny Alahady 1 Novambra lasa teo, nahita ny firotsahan'ny ranomandry lasa aloha indrindra tao anatin'ny 22 taona i Beijing. Ny fiovàn'ny toetr'andro tampoka, izay nandrakotra ranomandry ny tanàna manontolo, dia nahazendana mponina maro. Nefa taoriana kely dia nitatitra ny haino aman-jery fa ny birao mpanova toetr'andro ao an-toerana no nanao an'iny fandrotsahana ranomandry iny.
Noho ny haintany iainan'i Beijing no anton'izany filatsahana noterena izany. Ny alina talohan'ny firotsahana ranomandry, nanapoaka ‘iodure d'argent' tany an'habakabaka tany ny governemanta. Niteraka ny fisondrotan'ny habetsahan'ny ranomandry hatramin'ny 16 tapitrisa taonina izany.
“Hoararaotinay ny fotoana rehetra azo hanaovana rotsak'orana artifisialy raha toa i Beijing mbola ampijalian'ny haintany maharitra,” hoy Zhang Qiang, lehiben'ny birao mpanova toetr'andro, tamin'ny haino aman-jerim-panjakana.
Manan-tantara amin'ny fandrotsahana orana artifisialy i Sina, ampiasaina matetika hanakanana ny haintany. Indraindray kosa, mampihena ny rotsak'orana ny birao mpanova toetr'andro mba hampisava ny lanitra, ohatra hoe mandritra ny fetim-pirenena ny Oktobera na ny Lalao Olaimpikan'i Beijing.
Nizarazara ny hevitr'ireo mponin'ny aterineto momba iny ranomandry vitan'olombelona tamin'ny faran'ny herinandro lasa iny. Ny sasany dia nanoratra am-pifaliana ny hatsaràny, toa ilay mpitoraka blaogy, 鱼干儿.
北京的天气，总是这么让人匪夷所思。毫无预兆的就下了场雪，而且还一发不可收拾。听说是人工催下来的，管他呢，我们就爱这样的天气。
Tsy takatry ny saina ny hatsaràn'ny toetr'andron'i Beijing. Tsy nisy fampafantarana fa tonga dia nanomboka nilatsaka ny ranomandry. Sady irony karazan-dranomandry saro-diovina sy alamina irony. Reko fa toa vitan'olombelona ilay ranomandry. Nefa tsy raharahako. Tianay izao karazana toetr'andro izao.
Ny sasany anefa sosotra. Nanoratra i 小米：
回来才听说这是场人工降雪，是谁这么主观的断定这是下雪的好时机呢？？到处都是措手不及的冷，电力、交通、供暖等都遇到很棘手的问题。
Taorian'ny nandrenesako fa vitan'olombelona iny, tsy maintsy nanontany tena aho hoe mba karazan'olona inona loatra no nieritrerira fa fotoana tsara hirotsahan'ny ranomandry izao? Na aiza na aiza ny olona dia tratran'ny hatsiaka sy ny olana mifandraika amin'ny herin'aratra, ny fifamoivoizana ary ny fanafanàna.
Tao amina forum iray amin'ny aterineto, nitaraina ny mpampiasa iray fa tokony nampiomana ny mponina mialoha ny governemanta, nanampy fa tsy maintsy nahemotra ny ankamaroan'ny sidina tao amin'ny seranam-piaramanidina.
要我说，这种人定胜天的精神是好的，虽然北 京人都“被冬天”了，如果真能解除北方旱情也算是功德一桩。就是没通知大家的气象局太不地道。
Raha ny fijeriko azy dia tsara ilay karazam-panahin' ‘olombelona afaka mibaiko ny zava-boary’, na dia ‘nivaingana' aza ireo mponin'i Beijing. Raha ohatra ka tena afaka mamaha ny olana ateraky ny haintany ry zareo dia tena mendrika tokoa. Nefa toa tsy dia rariny loatra ny tsy nampilazan'ny birao mpanova toetr'andro na iza na iza mialoha ny fotoana.
Nisy lahatsoratra vitsivitsy tamin'ny aterineto koa naneho tahotra noho ny mety ho vokatr'izany ranomandry tsy tena izy izany amin'ny tontolo iainana. Mpitoraka blaogy iray, 天边的云, nanontany tena raha misy olona manan-jo hanovaova ny toetr'andro.
但是，在我们还不能完全掌握天气变化的规律时，就盲目改变局部的天气，是否会对 整个环境造成更大的不利影响呢？比如，这次因为北京缺水，就让原本要下到山东（假设而已）的雪在北京下了，会不会造成山东更缺水呢？
Nefa raha manovaova am-jambany fotsiny ny toetr'andro isika nefa tsy mahafehy ny lalànany akory, tsy vao mainka ve izany hanimba be ny tontolo iainana? Ohatra, ny rotsa-dranomandry tamin'iny fotoana iny dia noho ny fijalian'i Beijing amin'ny haintany. Ahoana raha tokony tany Shandong iny ranomandry iny no nirotsaka tamin'ny voalohany (ndeha ataontsika hoe izany aloha), fa tsy tany Beijing. Hiteraka haintany bebe kokoa any Shandong ve izany?
Alex Pasternack, mpitoraka blaogy no sady mpanao gazety any Beijing, dia nanoratra lahatsoratra tao amin'ny Tree Hugger mamelabelatra ireo mety ho vokatry ny rotsak'orana vitan'olombelona.
Nahatratra 800 000 hektara ny saha tratry ny haintany tamin'ny faran'ny volana oktobra, araka ireo tombatombana ofisialy, ary voalaza fa tena nilain'ireo tantsaha teny an-toerana tokoa iny rahon-dranomandry iny.
Nefa tsy ireo tantsaha rehetra tany an-toerana no nahazo tombon-tsoa. Mety ho voka-dratsy iray amin'ny fanovàna toetr'andro ny fanosehany ny rotsak'orana amin'ireo faritra mila izany koa, mba hanaovana rahona lehibebe kokoa amina faritra voakendry.
Nanao hanihany tamin'ity ranomandry ity ireo mpampiasa aterineto hafa. Nanoratra i Elizabeth Kain tao amin'ny blaoginy:
Ny ranomandry nirotsaka omaly no nirotsaka aloha indrindra tao anatin'ny folo taona. Azoko antoka fa ny reniko, izay nipetraka tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Beijing nandritra ny adiny fito noho ny fikorontanana na fampiatoana ireo sidina rehetra mivoaka sy miditra ny tanàna, dia mety ho faly satria ho an'ny firenena no nisian'iny olany iny.
Nisy hevitra iray hafa momba ilay ranomandry koa nanao fanamarihana mahatsikaiky:
Martin M. November 2, 2009 3:30 pm
Vita sinoa daholo ny zava-drehetra, na ny ranomandry aza.
Maraoka: Indro tonga ny Masoandro
Nambaran'i Maraoka tamin'ity herinandro ity ny fanombohan'ny tetikasa angovo azo avy amin'ny masoandro, mitentina hatramin'ny 9 lavitrisa $, hampiakarana ny tahan'ny angovo azo havaozina amin'ny famokarana angovo eo amin'ny firenena. Ireo mpitoraka blaogy mankasitraka azy io no tena maro mizàra ny eritreriny.
Mahita ny mazava aho,  avy  amin'i si David ao amin'ny Flickr
Ny vinavina, nambara ampahibemaso tany amin'ny tanànan'i Ouarzazate, andrefan'i Maraoka, nandritry ny lanonana natrehan'ny mpanjaka  Mohammed VI sy ny Sekreteram-panjakana Amerikana Hillary Clinton dia, araka ny nolazain'ireo masoivohom-baovao ao an-toerana, hahafahan'ny firenena mizara amin'ny fomba mitovy ny famokarana ireo angovo azo havaozina ao Maraoka azo avy amin'ny masoandro, ny rivotra ary ny tohodrano amin'ny taona 2020. Amin'izay fotoana izay, ireo angovo azo havaozina dia hanome ny  38% -n'ny famokarana angovo eo amin'ny firenena, raha ny voalazan'ny loharanom-baovao.
Taha Balafrej, mitoraka blaogy ao amin'ny  Vue du Maroc [Fr], dia manazava fa mety hisy fototra sy ainga vao ara-toekarena ho an'ny fironana politika vaovaon'ny firenena. Manoratra izy:
Dans le milieu des affaires, un intérêt grandissant est perceptible. Il faut reconnaître que l’effet Obama n’est pas étranger à cette prise de conscience animée par les opportunités économiques qu’elle engendre. Un pays comme le Maroc qui dépend presque entièrement des importations pour son énergie, et dont les ressources en eau se raréfient, a tout intérêt à rejoindre les pays qui y croient et y investissent.
Misy fahalinana misonga eny anivon'ny mpandraharaha. Ary tsapan'ny rehetra fa manana anjara ao anatin'io ny “tandindon'i Obama”, miaraka amin'ny vintana ara-toekarena napoitrany. Ho an'ny firenena toa an'i Maraoka, izay miankina betsaka amin'ny fanafàrana raha ny resaka angovo, ary ireo loharanony efa miharìtra, dia tombontsoa tanteraka ny fanarahan-dia ireo firenena  izay mino sy mampiasa vola amin'ny angovo madio.
Ny tetikasa masoandro, izay sady mahazo famatsiam-bola avy amin'ny tsy miankina sy ny fanjakana, dia hahazo tombony avy amin'ny haitao Amerikana momba ny masoandro sy ny ‘termika', izay toa misovoka ny tsenan'ireo mpandraharaha nentim-paharazana -  ny Frantsay no lohalaharana - zavatra izay tena nankasitrahan'i thestrategist, mitoraka blaogy ao amin'ny  Genesis Morocco tokoa :
Tena ivelan'ny vala ny Eraopeana tamin'ity indray mitoraka ity. Tsara kendry [ ho an'ireo mpandraharaha Amerikana]. Momba tanteraka azy ity aho, ry zareo Eraopena tsy mbola afaka hilahatra mihitsy amin'ny fahaiza-mifehin-dry zareo Amerikana raha resaka  fitantanana asa goavana…
thestrategist, namoaka taratasy misokatra ho an'ny mpanjaka Maraokana, avy eo manazava [Fr] ny antom-panohanany. Hoy izy manoratra:
[Cette technologie pourrait] nous libérer des aléas de la pluviométrie en utilisant l'énergie abondante et renouvelable […], afin de dessaler l'eau de mer et approvisionner outre les besoins de l'industrie et des ménages, un système d'irrigation nationale en appoint, voire en remplacement, de la stratégie des barrages…
[Ity haitao ity dia mety] hanafaka antsika amin'ny fiankinan-doha amin'ny fiavin'ny orana, amin'ny alàlan'ny fampiasàna angovo azo havaozina tsy manam-petra […], mba hanalàna ny sira amin'ny ranomasina sy hamatsiana, ankoatry ny filàn'ny indostria sy ny isan-tokantrano, ny tambajotram-pirenena tsara petraka ho solon'ny tetikasa fananganana tohodrano…
Raha ny ankamaroan'ny mpitoraka blaogy no manohana ilay vinavina, tsy ny rehetra kosa no resy làhatra. Jebli, mitondra fanamarihana [Fr] ao amina hafatra iray nivoaka tamina gazety mpiseho amin'ny aterineto, Hesspress [Ar], dia mahita fa toa lafo loatra ilay tian-katongàvana. Manoratra izy:
[C]e projet solaire va produire 2000Mega Watt/h, pour un cout de 9 milliards de dollars, ce qui est TROP TROP TROP cher.
Une centrale nucléaire, sa construction de bout en bout coute 1,5 milliard de dollars et produit 1000Mega watt/heure.
Ainsi, avec 9 milliards de dollars le Maroc aurait pu créer 6 centrales nucléaires, et aurait produit 6000Mega watt/heure.
Franchement, je ne comprend pas le choix de nos dirigeants, ils choisissent des téchnologies au hasard, sans réflichir, vraiment ils gaspillent l'argent public.
Ity tetikasa masoandro ity dia hamokatra  2000 Mega Watt / ora, amin'ny vidiny  9 lavitrisa $, izay TENA lafobe tokoa. Ny fanangànana foibe nokleary iray dia andaniana eo amin'ny  1.5 lavitrisa  dolara eo ary mamokatra 1000 Megawatt / ora. Raha 9 lavitrisa  dolara, afaka manana foibe nokleary 6 sy hamokatra  6000 Megawatt / ora i Maraoka. Mba marina e, tsy takatry ny lohako ny safidin'ireo mpitondra antsika. Mifidifidy haitao fahatàny ry zareo, tsy mandanjalanja tsara.  Tena mandanilany foana ny volam-bahoaka mihitsy ry zareo .
Mitondra fanamarihana amin'io lahatsoratra io ihany, i Hay Bin Yaqdanin [Ar], ao anatin'ilay tetikasa dia mahita fitsabahan'ny tànan'ny hery vahiny amin'ireo loharanon-karem-pirenena . Hoy izy manoratra:
نرجو أن لا يخصخص هذا المشروع و نصبح في رحمة شركة ما (في الغالب فرنسية).
لمذا انتظر الملك حتى زيارة كلنتون للإفتتاح صحبتها؟ نظرتي نحو هذا المشروع هو تكريس هيمنة الدول المتقدمة “أمريكا” مثلا
Iriko mba tsy ho tena tsy miankina tanteraka ity tetikasa ity, mba tsy hitrosonantsika any amin'ny ampihimamban'ireo fikambanana vaventy “corporations” ( frantsay ny ankamaroany). Fa nahoana no niandry ny fitsidihan'i Clinton ny mpanjaka? Raha ny fomba fijeriko  an'ity tetikasa ity dia fitaovana izy io hanamafisana ny vahohon'ireo firenena efa mivoatra be, toa an'i Amerika
Voadona mafin'ny haintany sy ny ranomasina voaloto ny tapany Atsimon'i Madagasikara
[*Fanamarihan'ny mpandikateny: ny lahatsoratra dia nosoratana talohan'ny fanaovan-tsonia fifanarahana tany Addis-Abeba ny alin'ny Zoma 6 mifoha Asabotsy 7 Novambra 2009]
Raha ny hoavy ara-pôlitikan'i Madagasikara, izay tena tsy azo vinavinaina mihintsy izay alehany hatramin'ilay fanonganam-panjakana nitranga tamin'ny volana Martsa lasa teo iny, dia tapahina amin'izao fotoana izao any Addis-Abeba amin'ny alalan'ny fanelanelanana ataon'ny vondrona iraisam-pirenena mpampifandray, iaraha mahalala amin'ny anarana hoe GIC [Groupe International de Contact], izay manandrana indray manelanelana mba ahitana marimaritra iraisana avy amin'ireo ankolafy efatra tonta. Ny filohan'ny Vondrom-pirenena Afrikana sady isan'ireo mpanelanela izay manatrika any Addis-Abeba rahateo, ingahy Jean Ping dia nanokatra ny fivoriana tamin'ny teny manao hoe:
“The reality as you know it on the ground in Madagascar is characterized by fatigue that is felt by the people of Madagascar, people who are hoping the crisis will come to an end. A crisis to which, after all, they are the hostages. Whereas the socio-economic situation in your country is getting worse day by day. The people of Madagascar deserve better destiny and that depends completely on you”
“Araky ny iarahanareo mahalala, ny toe-javatra misy izay iainana any Madagasikara ankehitriny dia leo ny vahoaka Malagasy, miandrandra izay fotoana hiafaran'ity krizy ity ny olona. Krizy izay, izy vahoaka rahateo no mitondra faisana indrindra. Tsy mitsahatry ny miharatsy isan'andro isan'andro ny toe-draharaha ara-piaraha-monina sy ara-ekonomika any amin'ny tanindrazanareo. Mendrika hiaina tsaratsara kokoa noho izao ny vahoaka Malagasy ary miankina aminareo tanteraka ny fahefana hanova izany”
Izany teny izany dia toa azo ambara koa fa fihevitry ny ankamaroan'ny blaogasyfera [Malagasy mpivoy Aterineto] izay manompana ny herim-pony amin'ireo olana hafa koa izay tsy maintsy atrehin'i Madagasikara. Satria Faritra maro ankehitriny no indray voadonan'ireo loza samihafa toy ny haintany tsy manam-paharoa, ny ranomasina voaloton'ny faharendrehan'ny sambo izay niteraka fanapoizinana ny fiveloman'ireo mpanjono aman'aliny, ary ny loza hoan'ny tontolo iainanana vokatry ny fanapahana tsy ara-dalàna ireo hazo sarobidin'ny reniala.
(Fanampim-baovao : vita sonia tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo ary ny fifanarahan'ireo ankolafy ara-politika efatra (BBC) : Madagasikara dia hiarahan'ny “vondrom-piloham-pirenena” 3 mirahalahy miara mitondra. Azonao arahanina amin'ireto rohy ireto izay fanadihadiana mikasika izao vaovao farany sady goavana izao: Reuters sy Madagascar Tribune (fr))
Ny tsirariny ara-tontolo iainana vokatry ny fandotoan'ny sambo Gulser Ana ny ranomasina
Ny Gulser Ana dia sambo avy any Torkià nitatitra fôsfata izay rendrika tany amin'ny morontsiraky Madagasikara ka nanapariaka loto simika tamin'izany firendrehana izany ka fototry ny fahafatesan'ireo trozona sady niteraka aretina tamin'ireo fianakavian'ireto mpanjono monina any an-toerana. Na dia notaterin'ireo fantsona fampitam-baovao vitsivitsy azy ny vaovao tato ho ato, dia efa roa volana lasa izay no naharendrika ity sambo ity araky ny notaterin'ny mpiblaogy Malagasy tamin'ireo lahatsorany tsirairay avy tamin'ny voalohandohan'ny volana Septambra.
Toy izao no nosoratan'i Tomavana amin'ny blaoginy (fr):
En plus d’écarter le drame écologique du Sud de l’île des actualités nationales, la controverse politique autour de ces nouvelles nominations pose la question du suivi de ce dossier sensible
Ankoatry ny aloka izay ataony amin' ity vaovao ratsy hoan'ny tontolo iainana ity, ny adilahy politika manodidina ireo fanendrena izay ho ministra dia mampanontany tena ny amin'izay mba fanaraha-maso ity raharaha saro-pady ity.
Tsotra ny fanontanian'i Joan : “Mba renareo ve izay vaovao momba ny Gulser Ana ?”. Anisan'ireo namela hafatra i Capt Collin Smith izay mamoaboafy izay mety ho fototr'izao faharendehan'ny sambo izao:
The only explanation which can exculpate the Captain and Officer of the Watch of this vessel is mechanical breakdown. Anything else is human error, and therefore incompetence, if not recklessness. How can a ship go aground in perfect visibility if the OOW and Captain are paying attention and properly trained? [..] Another practice to save money. The Captain and OOW should have been arrested when they got ashore, and held.
Ny fanazavana izay hany mety hanala tsiny ny kapitenin'ity sambo ity dia raha sendra izay fahasimban'ny milina. Fa izay rehetra fototra ankoatr'izay dia fahadisoan'olombelona avokoa, izany hoe tsy fahaizana, raha tsi-fivakiana loha tsotra izao aza. Amin'ny fomba ahoana koa no irendrehan'ny sambo amin'ny alina mazava tsara raha toa ka samy zatra ady sy mitandrina tsara avokoa ny manam-boninahitra teo am-pamiliana sy ny kapiteny ? [..] Fomba hafa fitsitsiana (koa anie izany fanaovana hitsin-dàlana izany e!)Raha ny izy dia tokony ho voatana dieny mikasi-tany ny kapiteny sy ny manam-bonihaitra izay teo am-paniliana tamin'io fotoana io.
I Mialisoa kosa mitatitra ao amin'ny blaoginy (fr):
les habitants « souffrent de problèmes respiratoires, et de maladies cutanées et diarrhéiques ». Car non seulement ces personnes ont été exposées aux déchets toxiques, mais le nettoyage des zones polluées s’est fait sans vêtements de protection et sans équipements adéquats
voan'ny aretina manembatsembana azy ireo hiaina (sempotsempotra) ny mponina any sady miofakofaka ny hodiny no mivalana. Satria tsy vitan'ny hoe voan'ny fandotoana ireto olona ireto fa nampiasaina tamin'ny fandiovana ireo morontsiraka koa anefa tsy nisy fitaovam-piarovana na fiasana tandrify hanaovana izany akory.
Ny tsy fisian'ny tatitra hatrany am-piandohana mikasika ity raharaha ity dia nahatonga an'i Tomavana hanoratra amin'ny Twitter hoe:
“@fanjakely j'ai l'impression que les habitants Sud #Madagascar sont des malgaches de 2nde zone. J'entends nos beaux discours mais nous sommes pas #Solidaire”
“@fanjakely Toa ohatry ny Malagasy latsaka fahefany ireo mponina any Atsimon'i Madagasikara. Mandre kabary tsara lahatra ombieny ombieny aho anefa tsy mahita izay mba firaisan-kina akory”
Sambo rendrika nampitain'i Mialisoa
Indrisy anefa fa tsy izany ihany no loza mianjady any amin'iny faritra iny.
Haintany tsy manam-paharoa
Tena vitsy ny orana tany amin'ny faritra Atsimo tato ho ato. Araky ny nambaran'ny gazety “the Guardian” [ny Mpiambina], izao haintany tsy ara-potoana izao dia vokatry ny fiovan'ny toetr'andro (nisondrotra 10% mantsy ny mari-pàna) ka niteraka haintany tsy manam-paharoa sy marika fambara izay tsikaritra efa hatramin'ny enim-bolana lasa izao, fa ho henjana ny kere. Tovoheryzo Raobi Jaona no manazava izay fomba iantefan'ny fiovan'ny toetr'andro ny faritra Atsimo (fr):
“Avant, il y avait une sécheresse tous les dix ans. Or, depuis 2000, il y en a eu quatre”
“Fahiny, isaky ny folo taona tany ho any no ahitana haintany. Fa nanomboka tamin'ny taona 2000 kosa dia efa in-4 sahady izao”
Féroce Remanongona, olomboafidy any an-toerana, aza dia miteny mihitsy hoe (fr):
Nous prions le Grand Dieu que le cyclone passe chez nous. Même s’il détruit nos maisons, c’est mieux que subir la sécheresse
Mivavaka izahay mba handalovan'ny Rivomahery aty aminay. Na dia mandrava ireo tranonay aza ireny, dia aleonay misedra azy ireny toy izay kere
Teny henjana izany indrindra raha tsaroana izay fomba namiraviran'ireo rivomahery vao tsy ela akory iny faritra Atsimon'ny nosy iny.
Ny toeram-pandinihana ”Panos Insitute” dia namoaka vao tsy ela andian-dahatsoratra nampitondraina ny lohateny hoe “Pushed to the Edge” [atao ankila-bao] mikasika izay fianjadian'ny fiovan'ny tontolo iainana amin'ny vahoaka Malagasy monina any amin'ny faritra Atsimon'ny nosy. Toy izao ny fijoroana vavolombelona nataon'i Bruno:
I noticed that the weather had changed from our usual predictions, and the rainy seasons were starting very late… Not only was rice production affected, but also sweet potatoes and cassava. It was getting hotter and hotter, which made planting cassava challenging… When I harvested it, I discovered that the roots had become smaller, compared to my previous harvest. In terms of rice, I used to collect three to four large baskets and now I can harvest only one small basket. The change is so obvious that it makes me ask the question, “What is happening to the climate?”
Tsikaritro fa tsy manaraka ny fihevitray toy ny mahazatra ny toetr'andro tato ho ato, fa tara be ohatra vao manomboka ny fahavaratra… Ka tsy ny fambolem-bary ihany no simba fa na ireo Bélé [voamanga] sy Balahazo [mangahazo] koa aza. Mihamafana hatrany hatrany ny andro, ka tena hasakasaka be ny fambolena Balahazo… Rehefa fotoana filana indray, dia tsikaritro fa madinidinika ireo voany raha oharina amin'ireo vokatra taloha. Resaka vary indray, taloha dia kitapo telo no jinjainay fa ankehitriny kosa dia zara raha misy vody harona. Tena misy fiovana mihitsy ka mampanontany tena hoe ”fa dia inona loatra no mahazo ny toetr'andro e?»
Misy tatitra vokatry ny fanadihadiana izay vao navoaky Richard Marcus amin'ny alalan'ny ”American Political Science Association” [Fikambanana Amerikana hoan'ireo Mpandinika ny Pôlitika] izay mampiseho ireo olana tsikaritra manodidina ny fitantanana ny rano any amin'ny faritra Ambovombe-Androy. Toy izay no voasoratra:
“Rural communities are suddenly faced with having to pay exorbitant costs for water. They are ill-prepared to carry out their municipal functions and unable to raise the level of user-fees or community taxes necessary to fund infrastructure development”
“Ireo fokonolona any ambanivohitra dia voetry nandoa saran-drano midangana dia midangana. Tsy nivonona ny hiandraikitra ny fitantanan-draharaha amin'ny maha olom-boafidy azy ireo mpitondra no sady tsy nahavita nanangona hetra mba ho takalon'ny fampiasana ny rano na koa fikambanana mba hiantoka ny fanamboarana ny famatsian-drano hoan'ny tanana rahateo”
Stephane, mpiblaogy anivon'ny fikambanana Foko Madagascar dia vao avy nanatrika ny Vòvònàna izay nokarakarain'ny Firenena Mikambana handinihina izay mikasika ny Fiovan'ny Toetr'Andro tamin'ny volana Septambra lasa teo [New-York] sady miblaogy mikasika izay olana tsy maintsy hovahana amin'ny fampivoarana ny firenena andalam-pandrosoana toa an'i Madagasikara.
Farany, nisy volavolan-dalàna izay manameloka ny fanapahana ireo hazo sarobidy any amin'ny reniala any Madagasikara izay napetraky ny Solombavambahoaka Earl Blumenauer (Demokraty avy any Oregon) amin'ny Antenimieram-Pirenena Amerikana. Nirongatra mafy mantsy ny fanapahana ireo hazo sarobidy avy amin'ny reniala, hatramin'izay nanombohan'ny fifanolanana ara-politika izay.
Ireo gazety “Courier International” sy “l'Express de Madagascar” moa dia mitatitra koa fa hay ny fitondrana mihitsy no nanome alàlana ny fanondranana ireo hazo mavokely sarobidy, izay efa tra-tehaka, tamin'ny faramparan'ny volana Septambra (fr).
Lahatsoratra Grika momba ny Blog Action Day ‘09
Ny tanjon'ny Blog Action Day amin'ity taona ity dia ny hanairana ny fahatsiarovan-tena momba ny fiovaovan'ny toetr'andro. Maherin'ny 150 no mpitoraka blaogy Grika nanoratra anarana, ary tena hita soritra ao anatin'ny fandraisan'anjaran'izy ireo ny loza ateraky ny doro ala sy ny fampielezana ny alahelo noho ny tsy fahampian'ny politikan'ny tontolo iainana.
Thirdeye dia niezaka ny hampifandray ny any an-toerana amin'ny iraisam-pirenena amin'ny fampahatsiahivana antsika ny afobe izay nanimba an'i Grèce nandritra ireo taona farany teo:
Στην Ελλάδα ζήσαμε πυρκαγιές τα τελευταία χρόνια που συνεισφέρουν πολλές αρνητικές συνέπειες για το κλιματικό μέλλον της χωράς. Οι εναλλακτικές πηγές ενεργείας δεν είναι αστειάκι στα πολιτικά πηγαδάκια αλλά κοινωνική ανάγκη. Όχι μόνο στην Ελλάδα αλλά σε ολόκληρο τον πλανήτη.[..]
Δεν γνωρίζω τι μπορεί να συμβεί απλά το φαντάζομαι. Επειδή όμως ονειρεύομαι ένα καλύτερο μέλλον υποστηρίζω και υπογράφω το Hopenhagen και συμμετέχω στο Blog Action Day.
Aty Grèce, vavolombelona izahay tamin'ireo afo nandritra ireo taona farany teo, izay miteraka voka-dratsy amin'ny ho avy ara-toetr'andron'ny firenena. Tsy sangisangy ho an'ny resa-be ara-politika ny loharanon'angovo hafa fa filàna sosialy, tsy any Grèce ihany fa maneran-tany. [..]Satria aho maniry hoavy mamiratra kokoa, izaho dia manohana sy manasonia ny fanangonan-tsonian'i Hopenhagen ary mandray anjara amin'ny Blog Action Day.
Roides dia niteny fa ny fahamarinana ara-poitika sy ny fitiavan-tanindrazana dia mampidi-doza ny politikan'ny tontolo iainana any Grèce, ary notanisainy ireo tsy fahombiazan'ny politika:
Γι αυτό και εμείς αφήσαμε πίσω 67 νεκρούς, κάψαμε 3 εκατομμύρια στρέμματα δασών, δασικών και γεωργικών εκτάσεων και ως πολιτική απάντηση δώσαμε/πήραμε πολύ σημαντικά μέτρα, όπως:
- διαλύσαμε την δασική υπηρεσία
- (δεν) συντάξαμε δασολόγιο
- εξαγγείλαμε στεντορείως και ευρέως το περίφημο: «ότι ήταν δάσος θα παραμείνει δάσος» [..]
Izany no nahatonga antsika nitazam-potsiny olona 67 ho faty, ala sy saha 3 tapitrisa hektara ho kila forehitra, ary namaly ara-politika tamin'ny fametrahana fitsipika goavana toy ny:
fanafoanana ny departemanta misahana ny ala
tsy fandraketana anaty rejistra ny ala
fanambarana eny rehetra eny sy amin'ny fomba haingana fa “hijanona ho ala foana izay efa ala” [..]
Rodia dia naneso ny amin'ny fivakisana ara-tontolo iainana:
Το περιβάλλον και η προστασία του, έτσι, γενικά και αόριστα, είναι μια φόλα, μια μούφα, μια παραπλάνηση, να το γράψω και ευγενικά. Δεν μπορεί οι εταιρείες να αλωνίζουν με τις βιομηχανίες τους, τα φουγάρα τους, τα χημικά βλαβερά τους απόβλητα, δεν μπορεί οι μεγάλες χώρες να μην έχουν υπογράψει βασικές συνθήκες προστασίας του περιβάλλοντος (π.χ. ΗΠΑ, συνθήκη Κιότο) και να ζητιέται απο τα ταπεινά ανθρωπάκια, εμάς δλδ, να προσέχουμε μη πατήσουμε το χορτάρι!
Ny tontolo iainana sy ny fiarovana azy, raha lazaina tsotsotra, dia nofy poak'aty, làlan-diso, raha lazaina amin'ny fomba mihaja. Tsy afaka manana   orinasa maro rantsana manao ny danin'ny kibony amin'ireo seha-pamokarany ianao, ny setroka sy ny fako simika, tsy afaka hahazo firenena vaventy tsy hanasonia fifanarahana fototra ho fiarovana ny tontolo iainana ( i USA ohatra tsy nanao sonia ny fifanarahan'i  Kyoto), ka hangataka aminay olona bitika hitandrina ny bozaka!
… nefa tonga hatrany amin'ny fanolorana ala-olana anatiny:
Εμείς μπορούμε να κάνουμε μικρούτσικα πραγματάκια, στη κλίμακά μας, που λένε. Να φροντίζουμε για τα σκουπίδια που παράγουμε και, αναλόγως, να τα πετάμε ή να τα ανακυκλίζουμε. Να φροντίζουμε τη καθαριότητα των ακτών της χώρας μας. Να προσέχουμε τα πάρκα μας -όσα απομείναν, δλδ- μη τα κάνει γκαράζ κάνας πρόθυμος δήμαρχος. Να καταγγέλουμε όποια εταιρεία ή βιομήχανο καταστρέφει τον υδροφόρο ορίζοντα, γιατί εκείνος μπορεί να στείλει τα παιδιά του να ζήσουν στην Ελβετία ή στις Μπαχάμες, αλλά εμείς θα εξακολουθούμε να ζούμε εδώ και να χρειαζόμαστε νερό πόσιμο. Να χρησιμοποιούμε τα Μέσα Μαζικής Μεταφοράς [..] και να πιέζουμε προς τα καλύτερα και πυκνότερα δρομολόγια
Afaka manao zavatra kely isika, amin'ny sehatra misy antsika, raha izay no ilazàna azy.  Mifantina sy manodina indray ireo fako vokarintsika. Mitandro ireo tora-pasika mba hadio. Miahy ireo valan-javaboaharintsika - ireo hany sisa tavela - mba hitazonana azy ireny tsy havadik'ireo Ben'ny tanàna adalam-bola ho toerana fiantsonan'ny fiarakodia. Mitoroka ireo mpitantana orinasa mandoto ny tahirin-drano fisotro, satria izy ireny afaka mandefa ny zanany hiaina any Soisa na any Bahamas, fa isika kosa hijanona eto foana ary mila rano azo sotroina. Amin'ny fampiasàna ny fitateram-bahoaka sy fanaovana fanentanana amin'ireo toerana tsara fidy ary ny làlana be mpampiasa
Naverin'i Argos navoaka ny  video nandraisany anjara tamin'ny Blog Action Day ‘07 ary  nomarihany tamim-pahakiviana,
Roa taona lasa izay dia nandray anjara tamin'ny  blog action day voalohany indrindra aho, izay ny fiovaovan'ny toetr'andro no lohahevitra. Roa taona aty aoriana, mitovy amin'izay indray ny anton-dresaka. Mazava ho azy fa dia mitovy ihany ny fandraisako anjara.
Tsy nisy vahaolana tao anatin'ny roa taona lasa, noho izany dia tsy hanova na inona na inona aho.
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowScriptAccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/2Xkz3bOyOSg&color1=0xb1b1b1&color2=0xcfcfcf&feature=player_embedded&fs=1" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/2Xkz3bOyOSg&color1=0xb1b1b1&color2=0xcfcfcf&feature=player_embedded&fs=1" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Porto Rico: Fanadiovan-tsolika nipoaka
Nirefotra tanteraka tamin'ny zoma 23 oktobra teo tamin'ny 12 sy sasany atoandro ny fanadiovan-tsolika an'i Gulf Oil (Caribbean Petroleum Company-CAPECO) ao Bayamón, Porto Rico. Saika ny fitoeran-tsolika 20 no  nipoaka avokoa, mbola misy afo mirehitra hatrany na dia efa voafehy aza, ary tsy nitsahatra nandrakotra ny lanitra ny andriafo. Mihoatra ny 1 000 ny olona manodidina no nafindra toeran-kafa, ary nambara ka latsaka an-katerena ny fivondronana dimy manakaiky azy. Samy nanambara ny fiantraikan'ny fahasimban'ny tontolo maitso sy ny aterak'izany eo amin'ny fahasalaman'ny olona amin'ity voina ity avokoa na ny manampahaizana na ny mpikatroka [mpiaro ny tontolo iainana]. Efa an-taonany ihany koa no nampitandreman'ny olomboafidy manodidina ny governemanta ny loza ara-tontolo iainana sy ara-pahasalamana mitatao rehefa mipetraka manodidina toeram-panadiovan-tsolika tahaka itony.
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="400" height="266" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="flashvars" value="intl_lang=en-us&photo_secret=58a6a1103f&photo_id=4040162870&flickr_show_info_box=true" /><param name="bgcolor" value="#000000" /><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="src" value="http://www.flickr.com/apps/video/stewart.swf?v=71377" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="400" height="266" src="http://www.flickr.com/apps/video/stewart.swf?v=71377" allowfullscreen="true" bgcolor="#000000" flashvars="intl_lang=en-us&photo_secret=58a6a1103f&photo_id=4040162870&flickr_show_info_box=true"></embed></object>
Mbola fantarina amin'izao fotoana izao ny antony niteraka ity fipoahana ity.
Lahatsarin'ny fipoahana nampidirin'i Zuper J tao amin'ny YouTube.
Ao amin'ny Haciendo punto en otro blog [ES], no miresaka ny mpanao gazety sady mpamaham-bolongana Carmel Ruiz:
On Thursday night the Gulf Oil refinery in the nearby town of Cataño blew up. The blast and shock waves were felt twenty miles away. It was a sound like nothing I had ever heard in my life (the shock wave actually opened my bedroom door). In the four or five seconds after the explosion, the fireball was as bright as the three o'clock sun The fire is still burning, the plume of smoke is like nothing ever seen in Puerto Rico.
Nipoaka ny fanadiovan-tsolik'i Gulf Oil mifanila amin'ny tanànan'i Cataño tamin'ny alin'ny alakamisy. Heno hatrany amin'ny 20 maily manodidina ny fipoahana sy ny hovitrovitra niaraka taminy. Feo tsy mbola henoko hatrizay niainako no henoko (ary nahasokatra ny varavaran'ny efitrano fatoriako mihitsy). Efatra na dimy segondra taorian'ny fipoahana dia nanazava tahaka ny masoandro amin'ny telo ora ireny ny tselatr'afo. Mbola mirehitra izy amin'izao ary tsy mbola nahitana setroka tahaka izay mihitsy teto Porto Rico.
Sarin'ny andrisetroka nateraky ny fipoahana. Saripikan'i Alberto Marty.
Tohina tamin'ny fipoahana ny mpahay tantara sy mpamaham-bolongana  Ivone Acosta, araka izay nasehony tao amin'ny Sin mordazas [ES]:
No me atrevo salir. Ya dos amigas que conocen mis alergias me llamaron para advertirme eso mismo, que no salga porque el aire contiene demasiados particulados peligrosos y que cierre todas las ventanas. Como quiera, no me interesa ver la histeria de la gente que por menos que eso se paniquean. Ya he visto comentarios en el periódico en línea acusando a “los socialistas de siempre”.
Tsy nahasahy nivoaka aho. Efa namana roa mahalala ny zavatra ny maha-alerjika ahy [tsy zakako] sahady no efa nampitandrina ahy mba tsy hivoaka ny trano satria miaty singa mampidi-doza maro ny rivotra. Nilaza izy ireo ny hanidiako ny varavarankely. Na izany na tsy izany, tsy izaho no tsy miraharaha mahita ny korataba sy ny fikoropahan'ny olona na dia amin'ny zavatra tsy dia manao ahoana aza. Efa nahita sahady ny hevitry ny gazety miampanga  “ireo sosialista antitra ihany” ho nahatonga ny fipoahana aho.
Ilaina aloha ny mampahafantatra kely ny zava-misy mba ahazoana ny tian'i Acosta lazaina. Vao tsy ela akory manko izay fa vao tamin'ny 15 Oktobra dia nisy fitokonambe teto Porto Rico.  Nampangain'ny mpikambana ao amin'ny Governemanta ho mpampihorohoro moa ny mpanao fihetsiketsehana.
Ao amin'ny Observations from the “Island of Enchantment”, ny mpamaham-bolongana Adriana no mampahatsiaro ny fahatsapany  raha vao nahare ny fipoahana izy:
Yesterday, when I woke up, I heard the distant sounds of helicopters flying. I though to myself, well, maybe something's going on in the housing projects (caseríos).  A short while later, I found out about the explosion.  Although it had occurred in Cataño, which is just outside of San Juan, I saw the black clouds from my house. The magnitude of the explosion registered a 2.8 on the richter scale. Thousands of people had to be evacuated. Law enforcement officials are currently investigating the causes of the explosion. I can't imagine what the environmental, health and economic consequences will amount to. Luckily, no deaths have been reported.
Omaly, teo ampifohazana, no nandrenesako  angidimby nanidina tany lavidavitra any.  Noeritreretiko  fa  nisy zava-nitranga  angamba tany amin'ny tetikasa fanamboaran-trano. Fotoana fohy taorian'izany vao henoko ny momba izany fipoahana izany. Fa na dia tany Cataño aza no nitranga ny fipoahana, izay vao eo ivelan'i San Juan, dia hita hatraty an-tranoko ny setroka mainty. Nahatratra 2,8 eo amin'ny mari-pandrefesan'i Richter ny heriny. Olona anarivony no tsy maintsy noesorina tamin'ny toerana nipetrahany. Eo ampanaovana ny fanadfihadiana amin'izay antony niteraka ny fipoahana moa ny mpiandraikitra izany. Tsy azo visavisaina ny tetibidin'ny fiantraikan'io eo amin'ny resaka tontolo iainana, fahasalamana ary toe-karena. Soa ihany fa tsy nisy ny maty.
Ny resadresaka momba azy ity ao amin'ny Twitter moa dia hita amin'ny alalan'ny hashtag #explosionpr. Raha hijery sary ianao dia jereo ny El Difusor. Mitantara azy ity isa-minitra ny sosona fampitam-baovao Diálogo sy Prensa Comunitaria, ary ny media be mpanaraka kosa dia ry Primera Hora, El Nuevo Día ary El Vocero.
*Lahatsary voalohan'i Luis Andrei Muñoz nivoaka tao amin'ny Flickr. Navoaka indray fa ambany fiarovan'ny Creative Commons License.
Firuzeh Shokooh Valle
Filipina: tondra-drano namoa-doza indrindra tanatin'ny 40 taona
Olona 50 mahery no maty nandritra ny fandalovan'ny rivo-doza “Ondoy” (Kestana) nahazo ny faritra any Manille sy ny manodidina azy rehetra. Niteraka tondra-drano mbola tsy nisy toa azy tato aantin'ny 40 taona ity rivo-doza ity ary olona 280 000 no nafindra toerana tany Manille sy ny faritra 5 hafa, olona 41 000 no voaisa tany amin'ny toby vonjy maika miisa 92. Amin'izao ora anoratana izao dia olona 1 200 000 no miaina ao anatin'ny aizina noho ny fahatapahan-jiro ao an-drenivohitry Filipina.
Tsy mijanona ho mpilaza vaovao mahakasika ny rivo-doza fotsiny ny fampahalalam-baovao sosialy any an-toerana fa mandray anjara koa amin'ny fanarahana ny fizotry ny famonjena sy ny fampahafantarana ny maika any amin'ny toerana tra-boina. Nandinika ny fomba fampiasan'ny mpikirakira internet ity fitaovana ity i Joey Alarilla nandritra ny namelezan'ny rivo-doza an'i Manille.
Mitoraka bilaogy amin'ny alalan'ny fampiasana USB HSDPA aloa vola mialoha aho, satria mbola tsy mandeha ny jiro nandritra ny ora maro, na izany aza dia nanam-bitana noho ny mpiray tanindrazana amiko aho satria ny sasany amin'izy ireny mbola tafahitsoka eny an-dalana na eny ambony tafo.
Ny twitter sy ny vohikala hafa tahaka ny Facebook no ampiasain'ny mpikirakira internet any Filipina hanarahana sy hifampizarana vaovao (laharan-tarobia an'ireo mpamonjy voina, fandrindrana ny mpilatsaka an-tsitrapo) satria tapaka ny fitaovam-pifandraisana hafa.
Navoakan'ny Foiben'ny Mpikarakara ny Tra-boina ny lisitra misy ny adiresin'ireo tra-boina mila famonjena maika. Misy koa ny sarin-tany Google natao hamoahana ireo vaovao farany mikasika ireo faritra tondraka any Grand Manille sy hanoroana lalana ireo mpamonjy voina any amin'ireo tanàna kely mila vonjy.
View Ondoy situation map for Metro Manila in a larger map
Mampiasa ny tamba-jotra twitter sy Plurk koa ny Filipiana hanarahana ny dian'ilay rivo-doza. Amin'izany dia ny teny hoe Ondoy sy ny MDCC no teny nampiasaina matetika tao amin'ny twitter tamin'ny asabotsy (26 septambra). Ohatra amin'ireo vaovao farany ao amin'ny twitter:
pretzelgurl: mbola tafahitsoka ao amin'ny toeram-piasany ao maggahan ny dadako, tanàna ao pasig. mba mangataka famonjena.
angeliesa: navotan'ny mpampianatra tamin'ny 12. nandeha tongotra tany anaty rano. tonga taty an-trano tamin'ny 8 alina. malemy daholo ny tenako rehetra.
janblando: mbola tafahitsoka ao amin'ny trano fitoeran'entany ao Country Homes any Cainta ny renibeko. hatreny am-balahana ny rano ao an-tanànany ary mahery be.
ValfrieClaisse: Andriamanitra ô! tsy nisy jiro hatramin'ny omaly. tondraky ny rano ny tanàna rehetra.
dementia: Maro ny fanampiana tonga kanefa ny zavatra tena ilainay dia ny fitaterana ireny fanampiana ireny ho any amin'ny tra-boina
teeemeee: nihena ny rano teny amin'ny toerana fitobian'ny fiara kanefa mbola hetrany an-dohalika sy eny am-balahana, efa nahatratra hatreny amin'ny tratra izany halina.
ArmelEspiritu: tonga tany an-trano ihany ao rehefa avy natory tany anaty fiarako nandritra ny alina. tys maintsy nafindrako tany amin'ny toerana tsy tondraky ny rano mantsy ny fiara.
Sarimihetsika maro koa no navoaka ao amin'ny Youtube, sary mampiseho ny voka-dratsin'ny tondra-drano ao Grand Manille. Sary mihetsika voalohany: tondra-drano ao Makati (toeran'ny vola). Sary mihetsika avy amin'ny Yugaabe
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="450" height="340" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><embed type="application/x-shockwave-flash" width="450" height="340"></embed></object>
Ity sarimihetsika ity dia mampiseho ny fihoaran'ny reniranon'i Marikina. Sary mihetsika avy amin'ny Initiate360.
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344"></embed></object>
Ny lalam-ben'ny Katipunan Avenue, fiara iray no rendrika ao amin'ny lalana feno rano.
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344"></embed></object>
Mpandeha an-tongotra miezaka mipita làlana feno rano
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344"></embed></object>
Mbola ilaina foana ny fanampiana. Fikambanana maro no maharay fanampiana omena ny tra-boina.
Sary avy amin'nyFlickr
Mong Palatino