· Mey, 2013

Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Mey, 2013

Vary Feno Cadmium Hita Ao Shina

  30 Mey 2013

Vary voapoizin'ny metaly mavesatra cadmium, antsoina amin'ny anaram-bositra hoe “vary cadmium” indray no fanafintohinana farany any Shina, miteraka fikoropahana sy fahatezerana eo amin'ny mpanjifa ao amin'ny firenena. Ny sampan-draharaha misahana ny sakafo sy ny fanafody Guangzhou [zh] no nanambara tamin'ny 16 Mey fa ny valo amin'ny santionam-bary 18 notsirihana tamin'ny...

Hetsiky Ny Mponin'i Shanghai Hanohitra Ny Fananganana Orinasa Manao Bateria Mety Hiteraka Fandotoana

  13 Mey 2013

Mponina an-jatony ny mponina no nirotsaka an-dalambe nanavatsava ny moron-tanànan'i Shanghai tamin'ny 11 May 2013 hanoherana orinasam-panaovana bateria lithium, izay manamarika ny fihetsiketseha-panoherana faharoa ao anatin'ny herinandro miresaka amin'izay mety ho fandotoana ny tontolo iainana hitranga. Tamin'ny fanombohan'ny herinandro ny nitateran'ny [mg] Global Voices hetsika mitovitovy amin'ity tany an-tanànan'i Kunming (andrefana), izay nahitana olona...

Notsarovana Ilay Mpandalim-baovao Mikasika Ny Tantaran'i Sainte Lucie

  12 Mey 2013

Mpahay tantara sady mpitahiry ny nentin-drazana i Robert Devaux ilay niato tamin'izay nisasarany tamin'ity herinandro ity, nodimandry ny marainan'ny 16 aprily 2013, taorian'ny ady tamin'ny homamiadana. Ireo mpisera anaty aterineto ao Ste Lucie dia nanome voninahitra lehilahy iray izay heverina ho maherifo mpiaro ny tontolo iainana sy mpanao vina lavitra ho an'ny fireneny.

Sekoly Akatona Noho Ny Tsy Fahampian'ny Angovo ao Panama

  11 Mey 2013

Miatrika krizin'ny angovo izay mety tsy ahafahan'ny firenena iray manontolo mihetsika  i Panama, noho ny fahataran'ny fotoan'ny orana eo amin'ny lafiny ilany. Toy izao ny nanombohan'ny fitateran'ny Prensa Latina [es] izany haintany izany : Con un régimen pluvial privilegiado por su condición de istmo favorecido por los dos principales océanos...

Sivanin'i Shina Ny Hetsi-Panoherana Fananganana Orinasa Shimika

  07 Mey 2013

Nidina an-dalambe ny mponina ao atsimo andrefan'i Shina ao Kunming tamin'ny 4 Mey 2013 ho fanoherana ny mety hamokarana vokatra shimika misy poizina ao amin'ny orinasa iray eo akaikiny. Araka ny nolazain'ny fampitam-baovaom-panjakana, mana-pikasana ny hanangana orinasa shimika (mpanao fanafody) eo anilan'ny tanànan'i Anning ny Vondron'Asa Nasionalin'i Shina Mpitrandraka Solika...