· Aogositra, 2012

Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Aogositra, 2012

Hong Kong: Olompirenena Manaisotra Ireo Kanetim-Plastika Nitondraka Nandritra Ny Rivodoza

  25 Aogositra 2012

Mihoatra ny 150 taonina ny kanetim-plastika novokarin'ny SINOPEC no nitondraka tany an-dranomasina rehefa niditra tao Hong Kong ny rivodoza (Typhoon) Vicente tamin'ny 23 Jolay 2012. Saingy sady tsy nilaza ny toe-draharaha tamin'ny olona ny fitondrana ao Hong Kong no tsy nandray ny andraikitra hanao ny fanadiovana mandra-pahitan'ny olo-tsotra ny kanetim-plastika nanemotra ny tora-pasika...

Frantsa: Ethylotest Tsy Maintsy Atao Hisorohana Ny Alikaola Eny Am-pamiliana Fiara

  25 Aogositra 2012

Manomboka ny 1 Jolay 2012, ny mpamily fiara misy maotera rehetra ao Frantsa dia tsy maintsy mandalo 'éthylotest' daholo araka ny didim-panjakana nivoaka tao amin'ny Gazetim-panjakana tamin'ny Alakamisy 01 Martsa 2012. Io fepetra io dia heverina hampihena ny isan'ny loza aterak'ireo mpamify tsy ampy fiheverana domelin'ny alikaola. Maneho hevitra momba ireo loza ateraky ny fandraisana alikaola eny am-pamiliana ireo mpikirakira aterineto.

Azo iainana Tsara Ve Any Amin'ireo Tanan-dehibe Afrikana ?

  20 Aogositra 2012

Fanadihadiana iray nataon'ny The Economist Intelligence [en] momba ireo tanàn-dehibe eran'izao tontolo izao azo iainana tsara (ny tatitra manontolo amin'ny endriny pdf) , no manolotra hoe amin'ireo tanàna 10 sarotra iainana indrindra eto ambonin'ny tany, 6 no aty Afrika. Kanefa, misy fandaharana iray hafa mampiseho fa sambatsambatra kokoa any amin'ny firenena afrikana sasantsasany noho ny any amin'ny firenena eoropeana maro

Lahatsary: Tsy Misy Dobo? Tsy Olana! Misy Ny Vahaolana Iadiana Amin'ny Hafanana

  14 Aogositra 2012

Manery ireo olona marobe hitady fomba ialàna amin'ny fiakaran'ny maripàna na hitady fomba hahazoana aina ny tonontaona mafàna ao amin'ny ilam-bolantany avaratra. Mampiseho ny fomba famoronana sy ny fomba tsotra nataon'ny ireo tanora sy lehibe hoentina hiadiana amin'ny hafanana  ireto sary sy lahatsary manaraka ireto. Miady amin'ny hafanana amin'ny alalan'ny...

Bangladesh, Etazonia : Hazakazaka Am-bisikileta 5000 Kilometatra Ho Fanairana Amin'ny Fiovaovan'ny Toetrandro

  11 Aogositra 2012

Amin'ity lohataona ity, mafana fo avy ao Bangladesh no mitondra bisikileta izay voizin'olon-droa mba hanangona sy handrefy ny habetsaky ny plastika sy ny fako hafa ho hitan'izy ireo mandritra ilay dia lavitr'ezaka 5000 kilaometatra ataon'izy ireo miainga ao Seattle mankany New York. Mitondra hafatra tsotra nefa mafonja izy ireo ny amin'ny fomba fiainan'ny mponina amin'ny firenena iray izay mety hitarika voka-dratsy lehibe amin'ny fiakaran'ny ranomasina sy ny fiovaovan'ny toetr'andro.