· Febroary, 2012

Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Febroary, 2012

Hongria: Misy Loza Iray Hafa Miforona Mandrahona ny Tontolo Iainana

  23 Febroary 2012

Ny Oktobra, nitarika loza goavana indrindra teo amin'ny tontolo iainana teo amin'ny tantaran'i Hongria tato ho ato ny firarahana fotaka mena mahafaty avy amin'ny fitahirizana tany Kolontár. Mampifantoka ny saina amina fitahirizana fakon'akora mampidi-doza ny Atlatszo.hu sy ny Greenpeace, any amin'ny vohitr'i Almásfüzitő, izay "mitete tahaka ny spaonjy" ary efa miteraka fahasimbana eo amin'ny tontolo iainana sy eo amin'ny fahasalamana sahady.

Pero: Fiomanana Tamin'ny Diabe Goavana Ho An'ny Rano

  09 Febroary 2012

Tafiditra ao anatin'ireo hetsika hanoherana tetikasam-pitrandrahana Conga ao Cajamarca, niainga tao Cajamarca ny 1 Febroary ny "Diabe goavana iray ho an'ny Rano". Teny anivon'ny media sosialy dia nizara ny zotra hodiavina, lahatsary, saripika, saribe sy ny fanehoan-keviny ireo mpiondana aterineto.

Panama: Nosakanan'ireo Mponina Teratany ny Làla-migodana Pan-Amerikana Ho Fanoherana Ny Fitrandrahana

  07 Febroary 2012

Todo lo acordado con los indígenas ha sido cumplido. Ahora elementos foráneos desean que no haya hidroeléctricas. Eso hará triplicar la luz Notontosaina tsara izay nifanarahana tamin'ireo mponina teratany. Ankehitriny tsy mila herinaratra ny olona hafa ao an-tanàna. Hampitombo avo telo heny ny jiro fanazavana izany. Toy izany no fomba nanehoan'ny Filoha...

Mongolia: Tsy Misy Zavamiaina Tavela Aorian'ny Fitrandrahana

  06 Febroary 2012

Mampanantena ny tetikasa fitrandrahana maro ao Mongolia  fa hampandroso ny foto-drafitrasa ara-tsosialy sy ara-toekarana ao an-toerana ary  hoentina hiadiana amin'ny fahantrana koa izany, saingy rehefa nandeha ny fotoana, dia mahatsiaro ireo vondrom-bahoaka eny amin'ny faritra  akaiky ny toby fitrandrahana  fa misy fiantraikany ratsy eo amin'ny tontolo iainanany sy ny fomba fivelomana...

Malezia: Sakan'ny Temiar Sy Ny Zon'Ireo Vazimba Teratany

  03 Febroary 2012

Olona zanatany Temiar valo (fantatra koa amin'ny hoe Orang Asli) any Malaysia no voasambotry ny polisy noho ny fanandraman-dry zareohametraka sakana sy nandràra ireo mpitevy ala tsy hiditra ny tanànan-dry zareo ao Gua Musang, Kelantan. Toherin'ireo mponina ao an-tanàna ny tetikasam-pambolena noraisin'ny governemanta ao an-toerana izay ilàna fanapahana hazo ala ao amin'ny tany navelan'ny razamben-dry zareo. Mihetsika ny mpiaro ny zon'olombelona sy ireo mafàna fo mpiondana aterineto.