· Novambra, 2010

Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Novambra, 2010

Ekoatera: Fanentanana “Diovy Quito” iadiana amin'ny siligaoma

  25 Novambra 2010

Efa mba noeritreretinareo ve hoe ohatrinona no lanin'ny fiadidian'ny tanàna hanesorana ny siligaoma mipetaka amin'ny lalana rarivato? An'arivony dôlara ny vola lany hanadiovana ny arabe hiadiana amin'ny fahazaran-dratsy manary siligaona amin'ny tany. Manao fanentanana amin'ny fanalana siligaoma mipetaka amin'ny tany sady mba mampadio kokoa ny renivohitra ny fiadidiana ny tanàna sy ny sakoly maro ao an-toerana.

Haiti: Horohorontany, Kôlera; Tomas koa?

  07 Novambra 2010

Navarina sokajy i Tomas, izay narahin'ny faritra maso amin'ny maha tafiodrivotra tropikaly talohan'ny nivoarany ho rivodoza mahery sokajy faha-2 azy ka nandrava izay hitsin'ny diany tamin'ny namakivakiany ny nosy madinika maro. Niverina tamin'ny heriny teo aloha izy rehefa nitodi-doha nankany Haiti mbola miavotra noho ilay horohorontany nitranga ny 12 Janoary teo sy ilay areti-mifindra Kôlera.