· Oktobra, 2010

Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Oktobra, 2010

Madagasikara: Tanàna nodoran'ny Dahalo nandritra ny halatr'omby

  28 Oktobra 2010

Notafihin'ny Dahalo ny tanànan'Ampasimbe sy Ankenihenibe [teny Frantsay | ndlr. any Fenoarivobe, faritra Bongolava, tamin'ny Talata 28 Septambra 2010] ary dia samy nangalarany omby miisa 18 sy 15. Raha lasa nanenjika ireto Dahalo ireo vatan-dehilahy tao an-tanànan'Ampasimbe, dia kilan'ny afo tsy tra-drano ireo trano tao an-tanàna nohon'ny rivotra izay nitsioka...

Ny voina nateraky ny tondra-drano tao Thailand

  28 Oktobra 2010

Olona mihoatra ny 40 no voamarina fa namoy ny ainy nohon'ny fiakaran'ny tondra-drano tany amin'ny faritra avaratra atsinanana sy afovoan'i Thailand. Efa tratran'ny tondra-drano koa izao ny faritra sasany ao Bangkok, renivohitr'io firenena io. Mitatitra vaovao mifanaraka amin'ny toetr'andro mikasika ny vokatra nateraky ny tondra-drano ny mponin'ny aterineto amin'ny alalan'ny blaogy sy twitter

Setroka be mandrakotra an'i Singapore

  23 Oktobra 2010

Setroka be ao Singapore sy ny Atsimon'i Malezia! Tondroin-dry zareo ho avy amin'ny fandoroana ny hazo tany Sumatra, Indonezia izay fanaon'ireo tantsaha ho fanomanany ny fotoam-pamafazany izy io. Mikohaka sy mitaraina ny mponina. Mahafanimpanina ny besinimaro ilay setroka ary mangotrakotraka momba izany ny aterineto

Horonantsary: Ahoana no hikajiana ny rano ho madio lalandava sy hampiasàna azy am-pisainana

  17 Oktobra 2010

Avy amin'ny toro-làlana ho fampiasàna ny rano efa niasa na fifehezana ny firobarobàna rehefa mampiasa trano fidiovana isika, natao ho an'ireo ankizy madinika any Valle del Colca ao Peru, anazavàna ny maha-zava-dehibe ny tokony hitandroana ny loharanon-drano iraisan'ny daholobe ho madio lalandava. Miaraha aminay mandritra ny Blog Action Day itetezanay izao tontolo izao miaraka amina Horonantsary Fikajiana avy amin'ny Vazantany rehetra.

Hongria: Mampidi-doza ny toerana fanangonana fako simika

Araka ny fanadihadihana, nandrakotra tanàna maro tany antsinanan'i Hongria ny fikorianan'ny fotaka misy poizina simika tamin'ny fiandohan'ny herinandro teo. Nahakasika tanàna fito izany fahapotehana izany vokatry ny fikorianan'ny fako misy poizina simika navoakan'ny orinasa iray mpikarakara firaka: Tüskevár, Kolontár, Kisberzseny, Somlóvásárhely, Apácatorna, Devecser, Somlójenő. (Sarintany miaraka amin'ilay toerana fanangonana azo...

Hongrie: Manohitra ny tranombarotra Auchan ny mponina

Inona marina ny zava-mitranga any amin'ny honahonan'i Dunakeszi ? Mbola mitohy foana ny tantaran'ny honahonan'i Dunakeszi nanomboka tamin'ny faran'ny taona 2009. Mikasika ny tetikasa fanitarana ny toeram-pivarotana lehibe iray any Auchan Hongrie amina faritra misy honahona izay arovan'ny lalàna no olana . Nahitana Lahatsoratra [HUN] vao haingana mikasika ny vaovao farany...

Koweit: Aleo ho lò ny voatabia!

Tomatoes are now eight times more expensive in Kuwait than they were a month ago - and netizens are not taking the change in prices in stride. They cannot find an explanation to why the cost of a box of tomatoes jumped from half a dinar ($1.70) to KD4 ($14) in just a few days.

Faritr'i Sahel: Momba ny fandoavana tamby hanavotana ireo takalonaina

  04 Oktobra 2010

Ny fakàna takalon'aina nataona vondrona Islamika iray antsoina hoe Al-Qaeda in The Islamic Maghreb (AQIM) izao no malaza any amin'ny Faritr'i Sahel izay nipariaka nanerana ny firenena maro any avaratr'i Afrika. Ho fanafahana ireo takalon'aina, manao tsindry ara-politika amin'ireo firenena Afrikana voakasika amin'izany ireo governemanta sy orinasa, na hizotra amin'ny fandoavana tamby mivantana. Na izany aza, ny tetikasa hoe handoa tamby dia mazàna no dradraina ho tsy mahomby sy mampidi-doza ao anatin'ny fotoana maharitra.

Maneran-tany : Tsy misy ny aina rehefa tsy misy ny rano

  03 Oktobra 2010

Natao tany Stockholm , renivohitr'i Soisy nanomboka ny 5 ka hatramin'ny 11 Septambra 2010 ny fihaonana faharoapolo amin'ny Herinandro Iraisam-pirenena ho an'ny rano (World Water Week - WWW) mitondra ny lohahevitra hoe: Ny kalitaon'ny rano Tanjona-Fisorohana, Fampiasàna voalanjalanja sy fampihenana. Araka ny hevitr'ireo mpikarakara, "samy mitondra ny tsindrin'entany eo amin'ny habetsahana sy ny hatsaràn'ny loharanon-dranontsika na ny fanamboarana tanana, ny fambolena, ny indostria ary ny fiovaovan'ny toetr'andro."