· Jolay, 2010

Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Jolay, 2010

Filipina : olana rano ao Manille

  24 Jolay 2010

Saripika avy amin'ny pejy Flickr an'i rickyli99 Miaina olana tsy fahampian'ny rano sedrain'ireo mpampiasa rano an-tapitrisany ankehitriny i Metro Manille, renivohitr'i Filipina. Tezitra amin'ny tsy fahitana rano handroana ny mponina ka  namaky ny fantson-drano ao Malabon. Miezaka mampivoitra ity tsy fahampian-drano ity ireo mpitoraka bilaogy any Filipina. Miahiahy i Blackshama's blog mahita fa...

Hong Kong: Mifanentana hiaro ny moron-dranomasin'i Tai Long Wan ny mponina

  24 Jolay 2010

Olona maro no mihevitra fa ala-tsimenitra no mandrafitra an'i Hong Kong noho ireo tranobe mijoalajoala ao aminy. Saigy ny zava-misy dia faritra tsy misy fivoarana ny 75 % n'ny velarantany amin'io tanàna io amin'ny ankapobeny. Endrika navelan'ny tantaran'ny fanjanahan-tany tsy niniana natao io, rehefa niezaka hampaharitra ny famatsiana rano tao an-tanàna...

Sina : Hividy ny petra-bolan'ny BP ? Azony atao

  20 Jolay 2010

Any Beijing androany ny sekretera vahiny Britanika William Hague, ary mitatitra ireo haino aman-jery Sinoa amin'ny aterineto fa hivarotra ireo fananan'i BP amin'ni Sina no tanjon'ny diany avy amin'ireo fitantanana Amerikana latina. Ratsy ireo fanakianana amin'ireo tolo-kevitr'ireo mponina amin'ny aterineto mba hanampiana ny fifanarahana amin'ireo resaka amin'ny fifanakalozana.

Niger : Misoko mangina ny hanoanana

  14 Jolay 2010

Miteraka ahiahy be ihany ny tsy fahampian'ny fitateram-baovao momba ny olana ara-tsakafo any Sahel ho an'ny olona 2,5 tapitrisa any Niger izay voakasiky ny fahalanian'ny sakafo hohanina. Milaza hanamafy ny fandaharan'asany hiarovana ireo vahoaka ahiana ho tratran'izany ny PAM (Programme Alimentaire Mondial). Milaza ny fisian'ny krizy hafa ara-tsakafo ankoatra ny tamin'ny 2005...

Chili: Manomboka any Californie hatrany Chili eny ambony “biodiesel”

  11 Jolay 2010

Niara-nitety tany nandritra ny enim-bolana i Maria Jose Calderon sy Carlos Herrera manombok any California, any Etazonia ka hatrany Chili, amin'ny fiara "biodiesel". Nitety an'i Amerika Atsimo izy ireo hijery ireo epetra raisin'ireo mponina hanampiana ny tontolo iainana, ary nandrakitra ireo zavatra hitany sy ny diany tamin'ny alalana horonantsary, saripika ary lahatsoratra blaogy.

Palestina: miaina miaraka amin'ny gropy elektrozena ny any Gaza

  10 Jolay 2010

Aizina ao Gaza, nalaina tao amin'ny Flickr Free Gaza Movement Nakatona vonjy maika ny toby famatsiana herinaratra tokana ao Gaza ny 25 jona lasa teo, noho ny disadisam-pandoavam-bola teo amin'ny Hamas sy ny fanjakana palestiniana ao Ramallah izay nahalany ny solika. Mizaka izany fahatapahan-jiro izany ny mponina ao Gaza ankehitriny,...

Ankapobe: Mitady lalao hafa ilay orita alemana Paul

  08 Jolay 2010

Eto ilay orita Paul dia naminany ny fandresen'i Alemaina tamin'ny lalao teo aloha nanoloana an'i Arzantina. Tao anatin'ny herinandro vitsivitsy izay, ka ao anatin'izao mondial mampirediredy izao, dia misy orita alemana tanora antsoina hoe Paul izay mitoetra ao anaty dobo fitaratra ao amin'ny SeaLife any Oberhausen, Alemaina nahamarina hatrany ny faminaniany...