Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Marsa, 2010
Vaovao fanampiny Madagasikara: Tafakatra 78 ny aina nafoy taorian'ny fandalovan'ny rivomahery Hubert
Nampitain'ny namana Tomavana fa niakatra be ny isan'ny aina nafoy araky ny tatitra farany nampitain'ny tompon'andraikitra, taorian'ny fandalovan'ny rivomahery Hubert tany Madagasikara, raha 36 izany tamin'ny herinandro lasa dia tafakatra 78 kosa ankehitriny ary mahatratra 145'000 ireo tra-boina. Ambarany koa fa nohon'ny tondra-drano tsy an-kijanona, dia manahy ny fiverenan’ny areti-mifindra...
Madagasikara: Hiatrika sazy ny mpitondra herintaona aty aoriana
Eo ampanatonan'ny fitsingerenan'ny fanonganam-panjakana tamin'ny 17 marsa 2009 teto Madagasikara, iny dia efa mananontanona ihany koa ny fanasaziana hampiharina amin'ny olona tsirairay amin'ireo mpitondra an'i Madagasikara amin'izao fotoana izao noho ny tsy fanajan'izy ireo ny fifanarahan'i Maputo izay efa nifaneken'ny mpandray anjara rehetra. Tonga moa izao fanapahan-kevitra izao taorian'ny fampitandremana...
Kenya: Tondradrano tao Samburu fa nihoa-morona ny ony Ewaso Nyiro
Tobim-pikarohana STE anaty rano Nitondraka an'i Samburu faritra avaratr'i Kenya ny fiposahan'ny masoandro'ny alakamisy 4 marsa ny rano ka nandrava trano falafa fandraisana mpizahantany 6, tobim-pikarohana momba ny fiainan'ny (bibidia) ary nahatonga ny olona an'arivony hianika eny ambony tafo na eny ambony hazo. Avy any amin'ny reniranon'i Ewaso Nyiro izay...