· Novambra, 2009

Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Novambra, 2009

Ozbekistana: Tashkent, tanàna maitso. Sa tsia?

  27 Novambra 2009

Notapahana ireo hazo antitra tao afovoan-tananan'i  Tashkent – tanatin'ny iray andro dia niparitaka tao an-tanàna ilay vaovao nahatafintohina. Photo by goricvet Planetrees, na platanus [Avy amin'ny Mpandikateny: najanona amin'izao ny anara'ny hazo fa tsy fantatro amin'ny teny Malagasy], novolena tany amin'ny faramparan'ny taonjato faha-19 tany, no notapahana tao amin'ny zaridainam-pokonolona...

Malezia-Singapore: averina dinihana ny fifanarahana momba ny rano

  26 Novambra 2009

Singapore dia màka efa ho ny antsasaky ny filàny rano any amin'ny mpifanolo-bodirindrina aminy, Malaysia. Miisa roa goavana ny fifanarahany momba ny rano amin'i Malezia. Ny iray amin'ireny fifanarahana ireny dia ho tapitra afaka roa taona. Ny Praiminisitra teo aloha, avy amin'ny alalàan'ny blaoginy, dia manontany raha toa ny governemanta amin'izao fotoana mba mihevitra ny hamerina indray ny dinika mba hahatongavana amin'ny tolotra tsaratsara kokoa

Repoblika Dominikana: Mitohy ny olana herinaratra

  21 Novambra 2009

Vao tsy ampy 3 volana no nandraisany ny asa amin'ny maha filoha lefitry ny CDEEE (Dominican Corporation of State Electric Companies [es]) dia tsy maintsy mitady fanampiana any ivelan'ny fireneny i Celso Marranzini hamahana ny olana herinaratra any an-toerana, izay mihasarotra hatrany. Nisy delegasiona notarihan'i Marranzini nankany Korea Atsimo hitady...

Sina: Ny haintany sy ny tohodranon'i Three Gorges

  19 Novambra 2009

Nanomboka tamin'ny Septambra tamin'ity taona ity, ny tohodranon'i Three Gorges any Sina, ny tobin'herinaratra azo avy amin'ny rano lehibe indrindra eran-tany, dia nanomboka tetikasa famenoana mba hanatrarana ny fetran'ny tahiriny, 175 metatra. Tamin'ny Oktobra, nisy haintany mahery vaika tany amin'ny faritanin'i Hunan sy Jiangxi tamin'ireo faritra antonontonony sy iva miohatra amin'ny renirano Yangtze. Misy fifandraisany ve ilay tohodrano sy ny haintany?

Sina: Ranomandry vita sinoa

  13 Novambra 2009

Tamin'ny Alahady 1 Novambra lasa teo, nahita ny firotsahan'ny ranomandry lasa aloha indrindra tao anatin'ny 22 taona i Beijing. Ny fiovàn'ny toetr'andro tampoka, izay nandrakotra ranomandry ny tanàna manontolo, dia nahazendana mponina maro. Nefa taoriana kely dia nitatitra ny haino aman-jery fa ny birao mpanova toetr'andro ao an-toerana no nanao...

Maraoka: Indro tonga ny Masoandro

  12 Novambra 2009

Nambaran'i Maraoka tamin'ity herinandro ity ny fanombohan'ny tetikasa angovo azo avy amin'ny masoandro, mitentina hatramin'ny 9 lavitrisa $, hampiakarana ny tahan'ny angovo azo havaozina amin'ny famokarana angovo eo amin'ny firenena. Ireo mpitoraka blaogy mankasitraka azy io no tena maro mizara ny eritreriny.

Voadona mafin'ny haintany sy ny ranomasina voaloto ny tapany Atsimon'i Madagasikara

  09 Novambra 2009

[*Fanamarihan'ny mpandikateny: ny lahatsoratra dia nosoratana talohan'ny fanaovan-tsonia fifanarahana tany Addis-Abeba ny alin'ny Zoma 6 mifoha Asabotsy 7 Novambra 2009] Raha ny hoavy ara-pôlitikan'i Madagasikara, izay tena tsy azo vinavinaina mihintsy izay alehany hatramin'ilay fanonganam-panjakana nitranga tamin'ny volana Martsa lasa teo iny, dia tapahina amin'izao fotoana izao any Addis-Abeba amin'ny alalan'ny fanelanelanana ataon'ny vondrona...