· Desambra, 2008

Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Desambra, 2008

Madagasikara, Kenya: Fahendrena ve ny mampanofa tany ny vahiny?

  21 Desambra 2008

Noho ny horakora-pahatezerana nisy teto an-toerana sy iraisam-pirenena, dia natsahatra ihany ilay fifanarahana hampanofa amin'ny orinasa Koreana Tatsimo Daewoo Logistics ny ampahany betsaka amin'ny betsaka ny tany azo volena eto Madagasikara. Nefa mihamitombo hatrany koa etsy ankilan'izany ny fifanarahana fampanofana tany eo amin'ny firenena manankohariana sy ny firenena an-dalam-pandrosoana, ary dia manontany tena ny mpamaham-bolongana raha tena ahazoan'ny olo-tsotra tombotsoa tokoa itony karazana fifanarahana itony.

Brezila: Fanafody nahafaty trondro 80T tany Rio de Janerio

  13 Desambra 2008

Nisy fanafody pesta mahafaty niraraka tamin'ny reniranon'i Pirapetinga ka nahafaty 80 taonina trondro, lambondrano, sokatra, vorona ary biby hafa ihany koa. Ny tena naharatsy ny voina dia tao anatin'ny fotoanan'ny fitomboan'ny biby ahiana ho lany taranaka indrindra (fanatodizana sy fiterahana) no nisian'ity loza nataon'olombelona ity. 20 andro taty aorian'ny fampiatoana vao namintimpitina ny toe-draharaha ny orinasa tompon'antoka tamin'ity raharaha ity. Sary sy ny filazan'ny mpamaham-bolongana.

Isiraely: Vondrom-bavaka hiavian'ny orana

  13 Desambra 2008

Nirotsaka ihany tamin'ity herinandro ity ny oram-batravatran'ny ririnina taorian'ny fiandrasana azy am-bolana maro lasa izay ka nahatonga an'i Isiraely hisento. Niombom-bavaka hahatongavan'ny orana tokoa manko ny Jiosy, Miozolomana ary Kristiana hoy ny tatitry Maya Norton.

Goadelopa: Lafo loatra ny lasantsy, mikatso ny nosy

  11 Desambra 2008

Taorian'ilay fikatsoana tanteraka nitranga tany Goyana Frantsay, dia anjaran'i nosy Karaiba Frantsay ao Goadelopa indray no nifoha tamin'ny torimasony. Ilay nosy miendrika lolo ampifanohizan'ny tetezana tahaka ny  “le Pont de la Gabarre” sy ny “le Pont de l'Alliance” no voly tanteraka tamin'ny andaniny roa: Grande-Terre sy Basse-Terre. Gwada ao amin'ny ...

Goyana Frantsay: Fitokonambe tsy misy milaza

  03 Desambra 2008

Nisafotofoto ny toe-draharaha any amin'ny faritry Goyana Frantsay efa herinandro mahery izay. Manohitra ny fiakaran'ny vidin'ny lasantsy amin'ny alalan'ny fametrahana barazy manerana ny lalana, fanakatonana ny sekoly sy orinasa ny mponina. Amin'izao fotoana izao dia €1,77 isaky ny litatra ny vidin'ny lasantsy (US$ 2,25), izay mifandaka amin'ny fidinan'ny solika izay tafidina ambanin'ny US$ 50,00 ny iray baril herinandro vitsivitsy lasa izay. Manome ny akon'izany fihetsiketseham-bahoaka izany ny tontolom-bolongana Goyaney Frantsay.