Tantara misongadina momba ny Tontolo_iainana
2009-10-27
2009-10-25
Porto Rico: Fanadiovan-tsolika nipoaka

Nirefotra tanteraka tamin'ny zoma 23 oktobra teo tamin'ny 12 sy sasany atoandro ny fanadiovan-tsolika an'i Gulf Oil (Caribbean Petroleum Company-CAPECO) ao Bayamón, Porto Rico. Saika ny fitoeran-tsolika 20 no nipoaka avokoa, mbola misy afo mirehitra hatrany na dia efa voafehy aza, ary tsy nitsahatra nandrakotra ny lanitra ny andriafo. ...
2009-10-05
Filipina: tondra-drano namoa-doza indrindra tanatin'ny 40 taona

Olona 50 mahery no maty nandritra ny fandalovan'ny rivo-doza "Ondoy" (Kestana) nahazo ny faritra any Manille sy ny manodidina azy rehetra. Niteraka tondra-drano mbola tsy nisy toa azy tato aantin'ny 40 taona ity rivo-doza ity ary olona 280 000 no nafindra toerana tany Manille sy ny faritra 5 hafa, olona ...
2009-09-05
Nepal: mandray an-tanana ny olana amin'ny fiovan'ny toetr'andro
Resaka mahoraka any Népal ankehitriny ny olana momba ny fiovan'ny toetr'andro, na dia mampiseho aza ny fanadihadihana fa olona marobe any an-toerana no mosarena vokatry ny haintany miseho matetika, dia loza mitatao ho an-dry zareo koa ny fitsoniky ny ranomandry. Miankina betsaka amin'ny fizahan-tany sy ny fambolena ny lafiny ekonomika ...
2009-08-26
Grèce: Mandondona an'i Athènes ny afo
Nisy doro tanety nitranga tany avaratra atsinanan'i Attica any Grèce ny zoma alina lasa teo, ary avy hatrany dia nandrava ala maro sy tanin'olona maro. Tao anatin'ny 2 andro monja dia nahazo ny faritra avaratra indrindra any Athènes ny afo, mampahatsiahy ny fahasimbana goavana nateraky ny doro tanety tamin'ny lohantaona ...
2009-08-21
Brezila: Hetsika [Manifeste] miantso tolona ho fanodinana bebe kokoa ny fako elektronika
Any Brezila, misy lalàna momba ny fitantanana ny fako mivongana novàna mba hanalàna ny fako elektronika. Ny dingana voalohany hiadiana amin'izany fanovàna izany dia ny famoronana ny Hetsika ho an'ny Fako Elektronika mba hanangonana ny fanohànan'ireo mpikirakira ny aterineto ho fanodinana bebe kokoa ireo vokatra elektronika.
2009-08-13
Taiwan: Potiky ny rivodoza Morakot ny faritra atsimon'i Taiwan
Nandalo tany Taiwan ny rivo-doza Morakot ny 07 aogositra 2009 lasa teo. Nampirisika ny mponina tany amin'ny faritra avaratra hiomana amin'ny fiavian'ny orambe sy ny rivotra mahery ny biraon'ny famantarana ny toetr'andro tany an-toerana. Kanjo ny faritra atsimo no nitondra faisana tamin'ny tondra-drano sy ny fahasimban'ny fambolena raha nampitahaina tamin'ny ...
2009-08-05








