2009-05-09
Masedonia: Lasa fomba fanao ny fankalazana ny ‘Sakura'
Nankalazaina tany Skopje, any Masedonia, tamin'ny 25 Aprily ny Sakura, fankalazàna isan-taona ny famelanan'ny 'cerisiers' izay fomba fanao any Japana. Somary taraiky kely ihany ny daty nofinidy raha ampitahaina ny tamin’ny taon-dasa satria tsy tian’ny mpandrindra hifanindry amin’ny fankalazàna ny Paska Katolika sy ‘Orthodoxe’ tamin'ny tapa-bolana lasa.
Fanaovana ‘Origami’ (kilalao vita ...
2009-05-02
Kolombia: Fitantarana ny fiainana eny ambony kamiao
8ruedas logo
Toy ny ahoana ny fiainana rehefa saika eny amin’ny làlam-be foana ny tena? Nanapa-kevitra ny hanao ity andrana ity ilay mpitoraka blaogy Francisco Cárdenas, fanta-daza amin’ny blaoginy Cine al Oído, ary zarainy “en ligne” ao amin’ny 8ruedas. Hitaingina ny kamiaon’i Juan Camilo miaraka amina mpaka sary namany izy mba ...
2009-04-17
I Rosia, i Iokraina, ny helotanin’ny Balkana: Vaovao entin’ny Eurovision
Efa ho tapitra ny fifandirana nentin’ny fifaninana hira tao anatin’ny sehatra Eurovision ao Georgia(na, nohon’ny fomba fijerin’ny sasany, dia tonga teny amin’ny teboka farany ambony izany), satria moa ankehitriny dia nanapa-kevitra ny tsy handray anjara amin’ny ity sehatra izay tontosaina amin’ny herintaona ao Moscow ity intsony I Georgia, dia ity manaraka ity no fangatahan’ny firaisan’ny fampielezam-peo Eropeana izay fantatra fa nanova ny tononkira mitondra ny lohateny hoe “We Don’t Wanna Put In” (tsy ilainay Put In) na mety hafa mihintsy ilay hira nampidirina. Kanefa dia nahitana fifandirana ihany koa ny hira nampidirin’ny Rosia ankehitriny
2009-03-13
Haiti:Na Fetibe [carnaval], na tsy misy
Ny fifandimbiasan'ny loza voajanahary tany Haiti tamin'ny 2008 toy ny orambe narahin-drivotra mahery Ike, Hannah sy Gustav ary ny firodanana mahatsiravin'ny sekoly fanabeazana fototra tamin'ny Novambra, tany Pétionville, dia nahatonga ny fankalazana ny fetibe [ny karnavaly] ho mitombina sy tena ilaina tao Haiti tamin'ity taona ity..
Hatramin'ny 4 Janoary, ny mpitoraka ...
2009-03-07
Isiraely: hanaraka ny fivavahana jiosy ve i Lindsay Lohan?
Niova hanaraka ny fivavahana jiosy i Lindsay Lohan no malaza ao Isiraely.Voalazany ao anatin’ny pejy Facebook-ny manokana hoe nanantena izy fa ny fiovany dia hitondra azy hanakaiky bebe kokoa ny namany jiosy, antsoina hoe Samantha Ronson. Ankehitriny dia ao Londres I Lohan sy Ronson manatrika ny fotoampivavaham-pianakaviana jiosy, ...
2009-03-05
Fety an-dalambe goavana indrindra eto an-tany: Karnavala Breziliana
Na i Barack Obama, na i Fidel Castro sy ny mpanao gazety Irakianina izay nitoraka an'Andriamatoa George Bush tamin'ny kirarony dia samy endrika tsikaritra teny andalamben'ny Brezil, nandritra ny Karnavalonan'ity taona ity. Afaka jerena ireo sary mahaliana tsara indrindra no sady voafantina izay naely eo ambanin'ny Creative Common license.
2009-02-26
Broney: Famatsiana ny tra-boinan'ny tondra-drano
Satria singa iray ny ezaka fanangonana ireo fanomezana ho amin’ity famatsiana ity, dia narafitra mandritra ny herinandro vitsivitsy tao Brunei ny hetsika malala-tanana entina hamatsiana ireo tra-boina tamin’ny tondra-drano. Ny oram-baratra tamin’ny volana lasa teo dia nahatonga tondra-drano sy fihotsahan-tany tao amin’ny firenena, izay nandrava trano maro misy fianakaviana miisa hatrany amin’ny 200 no mihoatra, nahaverezana tany sy voly antapitrisany
2009-02-15
Andron'ny mpifankatia, tatitra manokana: Fitiavana be avy any Ejypta
Ity no fotoana iray amin'ny taona izay hanomboanareo hino fa ny fiainana dia saika voninkazo sy sokola . Irery na olon-droa, mpomba na mpanohitra ny andron'ny mpifankatia dia samy tsy maintsy miatrika ny hadalàna ben'ny volana Febroary. Na tia na tsia , ianareo dia tsindrian'ny nonorsa , voninkazo, boaty, ary ...
Korea: Antony fito hametrapetrahan'ny vehivavy anao
Misy hafatra iray manintona milaza antony fito mahatonga ny lehilahy ho voapetrapetraky ny vehivavy rehefa miresaka fotoana sy manome torolàlana ihany koa ny amin'ny fomba tokony hataonao lehilahy hisorohana an'izay fahavoazana lehibe izay. Aza dia mino azy ity 100%. Tsy voatery ho marina foana mantsy ilay izy.
[…]처음 만나자 마자 이벤트 ...
2009-02-06
Sina: Nosakanana an-tserasera ny Lanonan-dohataonan'i Shanzhai
Ny alin'ny 25 janoary 2009 dia nijanona tany an-tranony mankafy ny sakafo famaranana miandry ny taona vaovao araka ny fanisanandro manaraka ny volana ny ankamaroan'ny Sinoa any amin'ny tanibe. Mahazatra ny ankamaroan'ny mpianakavy rehefa alina tahaka izao ny mijery ny Lanonan-dohataona alefan'ny fahitalavitra CCTV. Tamin'ity taona ity dia misy ny ...




