The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Angovo Tahiry Lohahevitra

RSS ho an i Angovo

2008-07-30

South Africa

Hetra momba ny Karibôna any Afirika Atsimo, “Eo ampanadihadiana ny fampidirana ny hetran-gaza karibônika ho toy ny fahavononan'i Afirika Atsimo ho fandraisana anjara amin'ny fampihenana ny fiovaovan'ny toetr'andro (mihamiakatra amin'izao fotoana) resahin'ny goverinemanta ankehitriny ny rakibolam-pirenena…”

 

2008-07-29

Iraq ,
Ukraine

Chernobyl and Eastern Europe no nanoratra fa “Mpampianatra 3 avy any Texas sy mpianatra Irakiana 27 no manao fanazarantena amin'ny fomba fanadiovana manala sisantaratra mampididoza” nandritra ny volana jona lasa teo tany Pripyat (Ukraine): “Eny, zavatra mahaliana azo atao amin'i Pripyat - ny fanazarana ny Irakiana  ny tekinikam-panadiovana ny tanàna izay tsy vitan'ny mpitondra tanteraka nandritra ny 23 taona lasa izao. Fa raha tsy izany, efa hitan'ny Irakiana aloha hoe ahoana moa no mety hahazo ny tanànany aoriana kely ao [raha tsy ampy ny fitandremana].”

2008-07-08

“Andro tsy misy fiarakodia” any amin'ny tanana any Atsimo Atsinanan'i ShinaVideo post

Tamin'ny taona lasa dia nandray anjara tamin'ny hetsika “andro tsy misy fiarakodia” (无车日) ny tananan'i Kunming, any Shina. Ankehitriny ity tanana any any Atsimo Atsinana'i Shina ity dia mihoatra lavidavitra kokoa ka nametraka ny “andro tsy misy fiarakodia” ho isam-bolana (fa tsy indray mandeha isan-taona toy ny fanaon'ny besinimaro). Kunming, izay itoeran'ny fikambanana ...

2008-07-04

Azia AtsimoAtsinanana: Loharanon'angovo fanolo

Noho ny fidangan’ny vidin-tsolika, maro ireo firenena avy any Azia Atsimo-Atsinanana no nanamafy ny ezaka ho fitrandràhana loharanon’angovo hafa ho fanolo. Eny fa na dia ireo firenena mpamokatra solitany toa an’i Malezia, Indonezia sy Brunei aza dia samy mampiasa vola hitrandraka angovo azo avaozina avokoa. Tena andrandraina sy ilaina ny fampiasàna ...

2008-05-09

Tajikistan: Herinaratra ho takalon'ny karama

Ny ben’ny tanànan’i Dushanbe sy Filohan’ny Chambre Supérieure-n’ny Parlemanta Tajik Mamadsaid Ubaidulloev dia nandroso tolo-kevitra hafahafa mba hanangonana vola hanorenana ny toby mpamokatra herinaratra ahodin-drano ao Rogan – iray amin’ireo tetikasa lehibe indrindra momba ny angovo any Tadjikistan. Nokajiany daholo ny karaman’ireo mponina ao Dushanbe ka namoahany tsoa-kevitra fa raha ...

2008-04-27

Barbados

“Tsy isalasalana fa ny fiakaran'ny vidin-javatra no hibahan-toerana mandritra ny herinandro vitsivitsy sy ho am-bolana vitsivitsy ho avy io manerana ny firenena,” hoy i Barbados Underground,  (Barbada ambanin'ny tany) raha miresaka momba ny fanamby miandry ny toe-karenan'ny nosy izy.

2008-04-03

Qatar : Maro ny vehivavy noho ny lehilahy

Manontany tena ao amin'ny blaogy Qatar Living i Diesel1210 izay mety ho vokatry ny “tsy fisahalana” [tsy fifandàjan'ny isa] misy amin'ny isan'ny lahy sy ny vavy any Qatar : Ever Wondered what is Qatar best know for, other then the Olympic ambition, the booming economy, the 2nd worlds largest Natural Gas reserve… Well ...

2008-03-26

Irak tao anaty dimy taona: Nihetsika izao tontolo izao

Anio, 19 mars, no manamarika ny fahadimy taonan'ny "Ezaka ho fanafàhana an'i Irak". "Tany amboalohany dia tetika nentina handrodànana an'i Saddam Hussein sy " hamàrana ny ady tsy mbola miantomboka" mbola mitohy hatramin'izao ny ady ao Irakl, mampivarahontsana ny olon-tsotra maro maneran-tany. Anatin'ity lalan-dra ity, Global Voices Online ...

2008-03-14

Tajikistan : Ny hanoanana indray no hisolo ny hatsiaka sy ny haizina

Firenena kely i Tajikistan, fa misedra olana lehibe. Raha mbola sahirana amin'ny tsy fahampian'ny herin'aratra ny mponina, indrindra ireo eny ambanivohitra, dia efa mananontanina azy ireo sahady ny fahasahiranana hafa. Olana ara-tsakafo indray no miandry azy ireo amin'ity. Araka ny notanterin'ny Neweurasia dia nampanantena ny Barki Tojik - hany mpamokatra herin'aratra ...

2008-01-29

Tadzikistana : Tsy ho ela intsony dia “hangotraka” ny tsy fahampian'ny tolotra angovo

Vadim no mitatitra fa manomboka amin'ny voaloamboalohan'ny volana Febroary io dia hitombo ireo olana ara-herin'aratra any Tadzikistana : I know from people who read this article that water in Nurek reservoir will be enough to generate electricity only until 8th of February. “Henoko tamin'ny mpamaky io lahatsoratra io fa ny toha-drano any ...