The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Energy Sokajy ara-dresaka

RSS ho an ny Energy

2008-10-01

Madagascar

Noel no mamaham-bolongana mombany fampiasana ny angovo avy amin'ny taratry ny masoandro ampiasaina any amin'ny toeram-pitsaboana (fampiterahana) any ambanivohitry Madagasikara: “Nomena ireny toeram-pitsaboana ireny ny angovo avy amin'ny masoandro efa-taona lasa izany ary dia nankasitraka tokoa ny mponina. Taloha moa raha hiteraka ny olona iray ka ahiana ho amin'ny alina no ahaterahany dia tsy maintsy mitondra labozia ny olona. Ary manaraka izany rehetra izany dia tsy maintsy mizaha ny manatona azy eo ho eo amin'ny 400 isam-bolana eo ny mpitsabo (toa mpampiteraka raha eto) any ambanivohitra. Betsaka izany. Ary raha sanatria misy ny tampoka (vonjy taitra), dia tsara kokoa raha misy ny herin'aratra.”

2008-08-07

Uganda

Omar ao amin'ny Safarinotes no mifantoka amin'ny resaka solika ao Ouganda, ka manao hoe
“Eo amin'ny resaka tontolo iainana, raha mitandrina dia mitandrina tokoa i Ouganda amin'ny fikajiana akora voajanahary hafa tahaka ny rano, ny tany ary ny fiainan-javaboary DIA (tsy misy tompo ankoatra ny lalàm-boajanahary) dia fantatra amin'ny maha-tsy mifaditrovana sy mpandrava tontolo iainana azy kosa ny orinasan-tsolika.”

2008-07-30

South Africa

Hetra momba ny Karibôna any Afirika Atsimo, “Eo ampanadihadiana ny fampidirana ny hetran-gaza karibônika ho toy ny fahavononan'i Afirika Atsimo ho fandraisana anjara amin'ny fampihenana ny fiovaovan'ny toetr'andro (mihamiakatra amin'izao fotoana) resahin'ny goverinemanta ankehitriny ny rakibolam-pirenena…”

 

2008-07-29

Iraq ,
Ukraine

Chernobyl and Eastern Europe no nanoratra fa “Mpampianatra 3 avy any Texas sy mpianatra Irakiana 27 no manao fanazarantena amin'ny fomba fanadiovana manala sisantaratra mampididoza” nandritra ny volana jona lasa teo tany Pripyat (Ukraine): “Eny, zavatra mahaliana azo atao amin'i Pripyat - ny fanazarana ny Irakiana  ny tekinikam-panadiovana ny tanàna izay tsy vitan'ny mpitondra tanteraka nandritra ny 23 taona lasa izao. Fa raha tsy izany, efa hitan'ny Irakiana aloha hoe ahoana moa no mety hahazo ny tanànany aoriana kely ao [raha tsy ampy ny fitandremana].”

2008-07-04

Azia AtsimoAtsinanana: Loharanon'angovo fanolo

Noho ny fidangan’ny vidin-tsolika, maro ireo firenena avy any Azia Atsimo-Atsinanana no nanamafy ny ezaka ho fitrandràhana loharanon’angovo hafa ho fanolo. Eny fa na dia ireo firenena mpamokatra solitany toa an’i Malezia, Indonezia sy Brunei aza dia samy mampiasa vola hitrandraka angovo azo avaozina avokoa. Tena andrandraina sy ilaina ny fampiasàna ...

2008-05-09

Tajikistan: Herinaratra ho takalon'ny karama

Ny ben’ny tanànan’i Dushanbe sy Filohan’ny Chambre Supérieure-n’ny Parlemanta Tajik Mamadsaid Ubaidulloev dia nandroso tolo-kevitra hafahafa mba hanangonana vola hanorenana ny toby mpamokatra herinaratra ahodin-drano ao Rogan – iray amin’ireo tetikasa lehibe indrindra momba ny angovo any Tadjikistan. Nokajiany daholo ny karaman’ireo mponina ao Dushanbe ka namoahany tsoa-kevitra fa raha ...

2008-04-27

Barbados

“Tsy isalasalana fa ny fiakaran'ny vidin-javatra no hibahan-toerana mandritra ny herinandro vitsivitsy sy ho am-bolana vitsivitsy ho avy io manerana ny firenena,” hoy i Barbados Underground,  (Barbada ambanin'ny tany) raha miresaka momba ny fanamby miandry ny toe-karenan'ny nosy izy.

2008-04-03

Qatar : Maro ny vehivavy noho ny lehilahy

Manontany tena ao amin'ny blaogy Qatar Living i Diesel1210 izay mety ho vokatry ny “tsy fisahalana” [tsy fifandàjan'ny isa] misy amin'ny isan'ny lahy sy ny vavy any Qatar : Ever Wondered what is Qatar best know for, other then the Olympic ambition, the booming economy, the 2nd worlds largest Natural Gas reserve… Well ...