The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Fifidianana Tahiry Lohahevitra

RSS ho an i Fifidianana

2009-08-04

Gabon: Kandidà mampiasa media sosialy amin'ity fifidianana filoham-pirenena manan-tantara ity

Raha eo am-piomanana ny fifidianana voalohany taorian'ny nahafatesan'i Omar Bongo i Gabon dia indro misy kandidà iray miezaka ny mampiditra ny tenany ho ao anatin'ny tantara amin'ny alalan'ny fampiasana ny media sosialy. Nody any Gabon hilatsaka ho fidiana amin'ny maha-kandidà tsy miankina ny mpanao gazety sady talen'ny Institut Edith Stein any Frantsa Atoa Bruno Ben Moubamba. Anisan'ny mpifaninana aminy ny Praiminisitra amin'izao fotoana, Jean Eyeghe Ndong, sy ny zanakalahin'i Bongo. Miezaka ny mampakatra ny haavon-dalao i Moubamba.

2009-07-28

Congo Brazzaville: Fahadisoam-panantenana taorian'ny fifidianana filoham-pirenena

Ny alahady 12 jolay lasa teo dia nifidy ny vahoaka ao amin'ny Repoblikan'i Congo , fifidianana tsy nandraisan'ny lehiben'ny mpanohitra anjara satria araka ny heviny dia sady tsy malalaka no tsy mitombina. Milatsaka ho fidiana indray hiasa mandritra ny 7 taona manaraka i Denis Sassou N’Guesso izay efa nitondra ...

2009-07-24

Maoritania: Hosoka tamin’ny fifidianana?

Omaly, 11 volana taorian’ny fanonganam-panjakana nataon’ny miaramila notarihan’ny jeneraly Mohamed Ould Abdel Aziz, dia nofidin’ny Maoritania ho filoha ny jeneraly, izay mahatonga ireo mpifaninana tamin’i Abdel Aziz niteny fa “sarintsariny” io fifidianana io araka ny voalazan’ny BBC News. Raha mijery ao amin’ny tontolon’ny blaogy Sahelianina dia mahita fa mifandray ny tadin-dokangan’ireo mpifaninana aminy.

2009-07-18

Irana: Horonantsary amin'ny aterineto mampita hafatra ho an'i Joe BidenVideo post

Eo amin'ny Iraniana, Amerikana sy Iranana-Amerikana 100 eo no nandefa hafatra manokana fohy tao amin'ny YouTube mba hanohanana ny hetsiky ny mpanohitra Iraniana izay miantso ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 12 Jona ho hosoka. Miantso an'i Joe Biden, filoha lefitra Amerikana, sy ny governemanta Amerikana tsy hankatoa ny governemanta Iraniana ...

2009-07-15

Iran: Mitohy indray ny fanoherana ny Fanjakana IslamistaSary postVideo post

Ny alakamisy lasa teo dia nihorakoraka tao Téhéran ny mpanao fihetsiketsehana anarivony nanao hoe: "aoka izay ny didy jadona" sy ny hoe "lehibe Andriamanitra", mihantsy ny fanambarana navoakan'ny fitondrana fa tsy azo ekena ny fihetsiketsehana manodidina ny voka-pifidianana filoham-pirenena natao ny 12 jona lasa teo. Natao hahatsiarovana ny fahafolo taonan'ny fihetsiketsehana ...

2009-07-14

Iran : Hetsi-panoherana maitso, am-pilaminana an-tsary

Mpanohitra maro manerana an'i ’Iran no nanohy ny fanehoan-kery nataon'izy ireo ho fanoherana ny vokatry ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tamin’ny 12 Jona, izay nanambarana  fa i Mahmoud Ahmadinejad no nandresy. Ireo mpomba ny mpifaninana amin’i Ahmadinejad, Mir Hussein Mousavi, ary ireo Iranianina maro izay nino ny  amin’ny hisian'ny “fiovana” dia manohy ...

2009-07-13

Irana:Ampahan-tsarimihetsika maro nalain'olon-tsotra momba ny hetsi-panoheranaVideo post

More than 100,000 people marched in Tehran on Monday in support of reformist presidential candidate, Mir Hussein Mousavi and his demands for an annulment of the election results that declared incumbent President Mahmoud Ahmadinejad the winner of the election on June 12. The march ended in bloodshed. At least 7 people lost their lives.

2009-06-25

Tontolo Arabo: Aleo hanao izay tiany eo ny Iraniana

Nitana ny votoatin'ny bilaogy arabo efa ho herinandro izao ny fifidianana filoham-pirenena sy ny vokany natao tany Iran, miaraka amin'ny fanehoan-kevitr'ireo mpitoraka bilaogy eny rehetra eny. Mangataka an'izao tontolo izao i Harrega mpitoraka bilaogy jordaniana hiala mandritra ny famahanan'ny Iraniana samy irery ny aferany: Nifidy ry zareo, na marina io fifidianana io ...

2009-06-17

Iran: Fanoherana sy Famoretana

2009-06-12

Iran: Hifidy sa tsy hifidy

Iray amin'ireo resaka mandeha mandritry ny fifidianana izay ho filoham-pirenena iraniana ny hoe 'hifidy sa tsy hifidy'. Raha lazaina amin'ny teny hafa dia ny hoe handray anjara amin'ny fifidianana sa hanao ankivy azy io. Na dia vondrona  mpanohitra maro aza no  niantso fibodoana ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 12 Jona ...