Tantara mikasika ny Fifidianana tamin'ny Avrily, 2013
Tsy Handray Anjara Amin'ny Fifidianana Hoavy Izao ao Pakistan Ireo Ahmadis
Nanapa-kevitra tsy handray anjara amin'ny fifidianana hoavy izao ny fiarahamonina Ahmadi ao Pakistan, izay ahitana mpikambana 200.000. Noraisina ny fanapahan-kevitra mba hanoherana ny fanavakavahana ataon'ny fanjakana amin'ny fiarahamonina. Tsy mba nandray anjara tamin'ny fizotry ny fifidianana izy ireo nanomboka tamin'ny taona 1985 raha natokana tao amin'ny lisitry ny fivavahana vitsy an'isa ny mpifidy Ahmadi. Tamin'ny...
Hobitsihana, Halefa Mailaka sy Bilaogy Ny Fifidianana Ho Manaraka Eo Ao Japana
Nankato ny volavolan-dalàna izay hahafahan'ny mpanao politika milatsaka ho fidiana mampiasa Twitter sy bilaogy i Japana ary mamoaka dokambarotra mampiasa aterineto mandritra ny fampielazan-kevitra ataony. Hatramin'ny herinandro lasa, ireo Japoney mpilatsaka ho fidiana dia tsy maintsy nitandrina fatratra tamin'ny fitetezana ny pejy Facebook-ny, ny kaonty Twitter sy ireo bilaogy mba hialana amin'ny fandikan-dalàna hentitra mikasika ny fifidinana eo amin'ny firenena izay mandràra ny hetsika ara-politika eny anaty aterineto.
Venezoela: Fanombohan'ny Fifamelàna ve?
Ao anatin'ny fisavoritahana [en] sy fifandonana [en] izay nametraka fenitra teny an-dalambe sy any anaty aterineto taorian'ny fifidianana [en] ny 14 aprily, sehatry iray ho an'ny fisaintsainana maro ihany koa ireo fampahalalam-baovaon'olon-tsotra.
Venezoela: Miteraka Herisetra Ny Ahiahy Taorian'ny Fifidianana Sy Ny Tsy Fahatokisana
Mitohy ety anaty aterineto sy eny an-dalambe ny fanehoankevitra mivaivay mikasika izay ho vokatry ny fifidianana ao Venezoela, natao tamin'ny 14 Aprily. Feno hafatra an-katezerana sy fifampiangàna avy amin'ny andaniny sy ny ankilany ireo tambajotra sosialy, izay mahatonga fisarahana eo amin'ireo mpomba ny foto-kevitra Chavez sy ireo mpiara-dia amin'ny mpanohitra ny governemanta.
Nifidy ny Kandidà Mpanohitra Capriles Ny Ankamaroan'Ireo Venezoeliana Ao Panama
Nanaraka akaiky ny fifidianana natao tao Venezoelà tamin'ny Alahady 14 Aprily 2013 lasa teo i Panama, izay ahitana mponina Venezoeliana marobe. Nahitana ny fihetseham-pon'ireo Venezoeliàna monina ao Panama ny tambajotra sosialy, tahaka izany ihany koa ireo Panameana te-hanaraka ny zava-nitranga tao Venezoela, mpifanolo-bodirindrina akaiky azy. Panamaniana daily Día a Día (@DiaaDiaPa) [es]...
Ny Antenain'ny Maleziana Amin'ny Fifidianana Solombavambahoaka
Miaraka amin'ny fihazakazaky ny fifidianana faha-13 hifidianana izay ho solombavambahoaka, maro amin'ny Maleziana no mitodika amin'ny aterineto mba hikatsaka vaovao zava-maro hafa, hatramin'ny fampakàrany ny fomba fiheviny ny fifidianana. Ny sondrobidim-piainana ary ny fangaraharàn'ny governemanta no tena mampiasa saina ny maro amin'ny Maleziana
Fiakaran'ny Maripàna Taorian'ny Fifidianana tao Venezoela
Vao avy nambara fa hoe Filoha vaovao ho an'ny Repoblika i Maduro, nitombo ny antso hisian'ny hetsi-bahoaka sy ny hamerenana ny fanisàna vato. Antenaina fa hitombo be ny antso hanaovana hetsika ara-politka avy amin'ny andaniny sy ny ankilany.
Fifidianana Venezoeliana: Nandresy Tamin'ny Isa Tery dia Tery Ny “Chavism” (mpanara-dia an'i Chávez)
Ny mpirotsaka Nicolás Maduro, ntendren'i Hugo Chávez ho mpandimby azy, no nandresy tamin'ny isam-bato 50.66%, tamin'ny fifidianana natao ny 14 Aprily 2013 teo. Vato 230.000 monja no nanasaraka azy tamin'ilay mpifanandrina aminy Henrique Capriles Radonski,
Poizina Ho An'ireo Rosiana Mpanao Gazety Ny Labiera & Twitter Afangaro
Fitaovam-pitaterana mora sy azo antoka hifamezivezena ao Rosia ny fiarandalamby, indrindra fa raha ampitahaina amin'ireo arabe ratsy dia ratsy ao amin'ny firenena. Firenena lehibe i Rosia ary andaniana ora maro ny dia manasaraka ireo tanan-dehibe (na mety ho andro mihitsy aza). Noho ireo fahasarotana ireo, efa zava-mahazatra loatra araka izany ho an'ny mpandeha sasany ny misotro in-dray na in-droa mba handaniana ny andro. Indraindray aza dia mihoatra noho io ho an'ny olona sasany, eny fa na dia mpanao gazety aza.
Fifidianana Filohampirenena Madagasikara: ireo kandidà efa nirotsaka sahady
Tapaka fa amin'ny Alarobia faha-24 Jolay 2013 no hotanterahina ny fifidianana Filohampirenena any Madagasikara. Nisokatra ny Alatsinainy 8 Aprily hoan'ireo kandidà kosa ny fanaterana ireo antontan-taratasy firotsahan-kofidiana. Araka ny tatitra nataon'i JR ao amin'ny vohikala aoraha.com, ireo kandidà efa nirotsaka sahady dia: Tsy niandry ela fa kandidà telo avy hatrany no nirohotra nanatitra ireo antontan-taratasy firotsahan-kofidiana amin’ny fifidianana Filohampirenena tetsy amin’ny birao misy ilay Vaomiera manokana misahana ny raharaham-pifidianana tetsy Ambohidahy, omaly [ndlr. Alatsinainy 8 Aprily] […] Praiminisitra lefitra misahana ny Fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany, Hajo Andrianainarivelo […] ny filohan’ny antoko Mts, Roland Ratsiraka […] ny mpitarika ny antoko Psdum, Lahiniriko Jean. Narahin’ireo...