· Avrily, 2012

Tantara mikasika ny Fifidianana tamin'ny Avrily, 2012

Manomana Ny Fihetsiketsehana Bersih 3.0 i Malezia

  29 Avrily 2012

Nikarakara Bersih 3.0 Duduk Bantah (hetsika sit-in) ny hetsika ho amin’ny fanitsiana hisian'ny fifidianana (Madio) ny 28 aprily any Dataran Merdeka ao Malezia. Nahitana fitakiana telo ny hetsika. 1. The Election Commission must resign, as it has failed in its responsibility and has lost the confidence of the public. 2. The electoral process...

Meksika: Fanitsakitsahana Ny Zon'olombelona Sy Ny Fifidianana Filoham-pirenena

  29 Avrily 2012

Mitantara ny toe-draharaha ao San Salvador Atenco sy Oaxaca, toerana roa ao Meksika izay nijaly noho ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ataon'ny antoko politikan'ny fitondrana ny lahatsary fanadihadiana  A Schizophrenic State notontosain'i Charlotte King, tafiditra amin'zany ny Governora izay manam-pikasana hirotsaka hofidiana filoham-pirenena. Mampiseho ny tsy fisian'ny fanajana ny zon'olombelona ataon'ny governemanta Meksikana...

Sénégal : #Sunu2012, Fomba Iray Hitan'ny Afrikana Hanaraha-maso Ny Fifidianana

  23 Avrily 2012

Ny harivan'ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenana senegaly, tamin'ny 9 ora alina i Pape Alé Niang mpanao gazetin'ny 2stv dia efa afaka nanome sahady ny fironana mavesatra avy amin'ireo vokatra. Ireo vokatra sy vinavinan'ny #Sunu2012 no navoakan'ny fahitalavitra senegaly ary avy amin'izy ireny no azo antoka fa nahafahana voalohany indrindra namoaka vokatra dieny vao tamin'ny 9 ora alina fotsiny.Sunu2012 dia tetikasa iray nosainina sy novokarn'i Cheikh Fall tamin'ny 2008. Ity no hahafantarana bebe kokoa momba io tetikasa io :

Fifidianana Tany Myanmar Tantaraina Tafahoatra?

  18 Avrily 2012

Nifaly izao tontolo izao nahare ny valim-pifidianana (ampahany) ofisialy farany teo tany Myanmar nahitana ny fandresen'ilay olo-malazan'ny demokrasia Aung San Suu Kyi sy ny antokony National League for Democracy. Saingy raha henoina ny filazan'ny mpiserasera sy ny mpanara-maso politika sasany, tokony tonena ihany ny tsinjatsinjaka tamin'ny fandresen'ny NLD satria mbola ny antoko manohana ny fitondrana miaramila ihany no antoko matanjaka ao an-toerana

Ejypta: Lavo, Tafarina Ary Lavo Indray i Omar Suleiman

Ny 6 Avrily, nanambara ny firotsahany hofidiana ho filoha i Omar Suleiman, filoha lefitr'i Ejipta teo aloha sady lehiben'ny sampam-pitsikilovana. Nisy ny fihetsiketsehana nataon'olona an'aliny teo amin'ny kianja Tahrir tamin'ny 13 Avrily ho fanoherana ny fampielezankevitr'i Suleiman. Nisy fivadihan-draharaha tampoka taorian'izay, izany hoe ny 14 Avrily tamin'ny filazana fa anisan'ny kandidà folo tsy afaka mifaninana amin'i fifidianana i Suleiman noho ny toa hoe tsy fahampian'ny sonia manohana ny firotsahany hofidiana.

Indonezia: Mafana Ny Fifidianana Ho Governoran'i Jakarta

  14 Avrily 2012

Nampiseho ny fanadihadiana notontosain'ny Ivon-toerana Mpanao Fanadihadiana Indoneziana fa ny tompon'i Fauzi “Foke” Bowo no mitarika amin'ny fifidianana governora ao Jakarta. Jakarta no renivohitr'i Indonezia. Miaraka amin'i Nachrowi Romli, 49.1 isan-jato eo no salan'isa mety handresen'i Foke (fiantso malaza azy) sy Nachrowi amin'ny fifidianana. Ary ny kandidà malaza toa an'i...

Myanmar: Eritreritra Momba Ny Voka-pifidianana

  10 Avrily 2012

Nanao ny fankalazàna teny an-dàlambe ny mpifidy raha naneho ny fankasitrahany ny vokatry ny fifidianana tao amin'ny facebook kosa ireo mpampiasa aterineto izay hita fa tena fandresena goavana sahady ho an'ny antoko mpanohitra. Nampiseho ny vokatra [my]  fa 43 tamin'ireo toeran'ny parlemanta miisa 45 no lasan'ny mpanohitra National League for Democracy...

Ejipta: Mifanandrina Ny Mpirahalahy Miozolomana Sy Ny Filankevitra Faratampon'ny Tafika – Miala Ve Ny Saro-tava?

“Lehilahy anapitrisany no nidina an-dàlambe hanao fitakiana ny hianjeran'ny cabinet Ganzouri" vakio ny gazety ofisialin'ny Freedom and Justice Party na ny Antokon'ny Fahafahana sy ny Fitsarana taorian'ny hetsika izay namela ny vahoaka Ejiptiana ho voarirarira. Fa nahoana ilay fifandraisana akaiky dia akaiky teo amin'ny Filan-kevitra Ambon'ny Tafika Ejiptiana sy ny ankamaroan'ny hery politika no tonga amin'izay atao hoe "fahatapahana mahatsiravina”?