· Janoary, 2012

Tantara mikasika ny Fifidianana tamin'ny Janoary, 2012

Nizeria2011: Taonan'ireo Fandresena Bitika Sy Ireo Sedra Goavana

  23 Janoary 2012

Voarakitra anatin'ny tantaran'i Nizeria ny taona 2011 amin'ny maha-taonan'ny fifidianana filoham-pirenena fahatelon'io fanjakana io izany taona izany taorian'ny nahazoany ny fahaleovan-tena. Ho an'ny tapany voalohan'ny taona, hipoky ny resadresaka momba ny fifidianana ny tontolon'ny bilaogy: hetsi-panoherana, fampielezam-kevitra, fifanakalozan-kevitra, ny anjara toeran'ny teknolojia, fanomanana ireo fandatsaham-bato, ary ny andron'ny fifidianana.

Global Voices Amin'ny Teny Frantsay : Ny Safidin'Ireo Mpandika Teny Ny Taona 2011

Ny taona 2011, ireo mpandika teny an-tsitrapo ao amin'ny Global Voices izay miteny Frantsay dia nahavita nandika lahatsoratra an-jatony ary nampahafantatra ny vaovao manerana izao tontolo izao ary tianay ny hiteny hoe "Misaotra!". Nanontanianay hoe inona ny fandikàna nanamarika azy ireo indrindra, nandritra iny taona lasa iny. Ireto ny safidin'ireo mpandika teny Frantsay!

Rosia : Tsy Nahavita Nifankahazo Ny Mpanohitra Tao Saint-Petersbourg

Ireo hetsi-panoherana talohan'ny fifidianana ny volana Desambra 2011 dia ahitàna karazany roa : 'Mpanohitra matihanina' sy ireo mponina velom-panahiana. Tao Moscou, ireo karazany roa ireo dia nahavita nivondrona mba hanomana ny iray amin'ireo hetsika am-pilaminana isan'ny lehibe indrindra teo amin'ny tantaran'ny firenena. Tao Saint-Pétersbourg, na izany aza, ilay famoriam-bahoaka dia nivadihan'ny iray tamin'izy ireo. Maria Lelyuk dia nanadihady ny fanehoan-kevitr'ireo mponina.

Tonizia: 2011 An-tsary Amin'ny Valantserasera

Taona mahatalanjona ny taona 2011 ho an'i Tonizia – taona manan-tantara izay hiraikitra ao an-tsain'ny Toniziana rehetra. Izay nanomboka tamin'ny fipoahana tampoka noho ny fahadisoam-panantenana tao amin'ny faritra Sidi Bouzid izay noadinoina sy natao an-kilabao  no nivadika fikomiam-bahoaka ho fanadiovana ny firenena, sy hanonganana ny fitondran'i Zeine el Abidine Ben Ali naharitra...