The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Fifidianana Tahiry Lohahevitra

RSS ho an i Fifidianana

2009-11-02

Shina: Fanavaozam-pifidianana

Nanomboka niady hevitra ny amin'ny drafi-panavaozana ny lalam-pifidianana, mba hampitovy lanja ny vaton'ny any an-tanandehibe ny vaton'ny any ambanivohitra ny mpanao lalàna faratampony any Shina, ny Antenimieram-Pirenena entim-Bahoaka. Voapetraka hovakiana voalohany nandritra ny fivoriana fanao isan-droavolana faha-11 teo anivon'ny vaomiera maharitra tamin'ny herinandro teo ity volavolan-dalàna ity, izay mametraka fa ...

2009-10-27

Tonizia: Fifidianana madio sy tsy mitongilana?

Araka ny efa tsikaritra mialoha dia nandresy tamin'ny fifidianana toniziana indray ka hitantana fanindiminy ny firenena ny filoha Zine Al Abidine Ben Ali. Ny tsy nantenaina dia ny 89.69%n'ny vato rehetra azony. Ny faminavinana manko dia nametraka fa tokony hahazo vato bebe kokoa noho io izy. Tafavoaka tsara ihany koa ny ...

2009-09-09

Sina sy Japana: Fanehoan-kevitry ny Sinoa mikasika ny fifidianana Japoney

Nandresy tamin'ny vokatra ankapobeny tamin'ny fifidianan'ny 30 Aogositra ny Antoko Demokratikan'i Japan (DPJ), izay namarana ny 50 taona maherin'ny fitondrana tsy ankizaran'ny Antoko Liberaly Demokraty (LDP) nanomboka tamin'ny 1955. Ny fandresen'i Yukio Hatoyama- mpitarika ny DPJ dia noraisina ho toy ny fiandohana vanimpotoana vaovao amin'ny politika  Japoney. Lavitr'izay ho vokatr'izy ...

2009-09-07

Maoritania sy ny fanapoahana baomba nanaovana vy very aina voalohany indrindra

Niharan'ny fanafihan'ireo mpanao vy very ny ainy voalohany i Maoritania tamin'ny Sabotsy, naharatrana teratany Maoritaniana iray sy Frantsay roa.. Mihetsika an'ity tranga ity ireo mpitoraka blaogy sy ireo mpampiasa Twitter.

2009-08-22

Afghanistan : Androm-pifidianana

Afghans an-tapitrisany no nihaika ny fandrahonan'ny Talibans ka nandeha nifidy tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena faharoa nisy hatramin'izay teo amin'ny firenena tamin'ny alakamisy, araka ny filazan'ny gazety tandrefana. Nisy ihany, araka ny tatitra herisetra madinika niseho tetsy sy teroa ary tahaka ny vitsy ny mpifidy tao an-drenivohitra sy tany atsimon'ny faritany ...

2009-08-20

Mauritanie: Vanim-potoana vaovao ve?

Taorian'ny fanonganam-panjakana herintaona lasa izay, sy ny nahavoafidy ny mpitarika io fanonganam-panjakana io Jeneraly Mohamed Ould Abdel Aziz ho filoham-pirenena, ary ny voalohany sady farany nipoahana baomba nahafaty tao amin'ny firenena ny fiandohan'ny volana aogositra, dia nisy fiovana be tany Mauritanie. Ny 12 aogositra lasa teo dia nampitsahatra ny fandaharan'asany tany ...

2009-08-04

Gabon: Kandidà mampiasa media sosialy amin'ity fifidianana filoham-pirenena manan-tantara ity

Raha eo am-piomanana ny fifidianana voalohany taorian'ny nahafatesan'i Omar Bongo i Gabon dia indro misy kandidà iray miezaka ny mampiditra ny tenany ho ao anatin'ny tantara amin'ny alalan'ny fampiasana ny media sosialy. Nody any Gabon hilatsaka ho fidiana amin'ny maha-kandidà tsy miankina ny mpanao gazety sady talen'ny Institut Edith Stein any Frantsa Atoa Bruno Ben Moubamba. Anisan'ny mpifaninana aminy ny Praiminisitra amin'izao fotoana, Jean Eyeghe Ndong, sy ny zanakalahin'i Bongo. Miezaka ny mampakatra ny haavon-dalao i Moubamba.

2009-07-28

Congo Brazzaville: Fahadisoam-panantenana taorian'ny fifidianana filoham-pirenena

Ny alahady 12 jolay lasa teo dia nifidy ny vahoaka ao amin'ny Repoblikan'i Congo , fifidianana tsy nandraisan'ny lehiben'ny mpanohitra anjara satria araka ny heviny dia sady tsy malalaka no tsy mitombina. Milatsaka ho fidiana indray hiasa mandritra ny 7 taona manaraka i Denis Sassou N’Guesso izay efa nitondra ...