The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Education Sokajy ara-dresaka

RSS ho an ny Education

2008-07-29

Iraq ,
Ukraine

Chernobyl and Eastern Europe no nanoratra fa “Mpampianatra 3 avy any Texas sy mpianatra Irakiana 27 no manao fanazarantena amin'ny fomba fanadiovana manala sisantaratra mampididoza” nandritra ny volana jona lasa teo tany Pripyat (Ukraine): “Eny, zavatra mahaliana azo atao amin'i Pripyat - ny fanazarana ny Irakiana  ny tekinikam-panadiovana ny tanàna izay tsy vitan'ny mpitondra tanteraka nandritra ny 23 taona lasa izao. Fa raha tsy izany, efa hitan'ny Irakiana aloha hoe ahoana moa no mety hahazo ny tanànany aoriana kely ao [raha tsy ampy ny fitandremana].”

2008-07-23

Bahamas

“Mihanaka aoka izany ny aretina azo avy amin'ny firaisana tsy voaro sy ny tsimok'aretina VIH/SIDA any Bahamas , noho ny fitomboana fatratra ny isan'ireo tanora tratran'izany”: Adrian Gibson ao amin'ny WeblogBahamas moa dia manolo-kevitra hisian'ny fimailo any an-tsekoly.

2008-07-18

Madagascar

Mialy, mpamaham-bolongana avy eto Antananarivo, no mamelabelatra ny fahoriana mianjady amin'ny  zazavavy manambady [fr] any ambanivohitra noho ny olana ara-tsosialy sy ara-pahasalamana vokatry ny fanambadiana aloha loatra. Azavainy ary fa ny fistule (fahasimban'ny taova toy ny lalanjaza), vokatry ny fiterahana aloha loatra, ka miteraka tsy fahatazonana fivalanandrano (tsy matatanty poritra) sy fanilikihan'ny fiaraha-monina azy. Navelan'ny lalàna hanambady manko ny zazavavy 14 taona mandra-pahatongan'ny taona 2007. Ny fahalafosan'ny sara-pitsaboana sy ny fahabangan'ny fampianarana (tsy mahatody fa tsy hoe tsy mataho-tody!) no antony roa nanasarotra ny raharaha.

2008-07-08

Armenia: Blaogin'ny fanabeazana

Amin’izao ankehitriny mampangatsiatsiaka ny disadisa taorian’ny fifidianana taty Armenia izao, betsaka ny vintana hahafahan’ny tontolon’ny blaogy mandrakotra resaka maro mifandraika manokana izay na nodian-tsy hita na tsy noresahan’ireo mpampahalala vaovao sy ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny. Iray amin’ireny resaka ireny ny fanabeazana, sehatra iray manokana tena anjakan’ny resaka kolikoly amin’ireo faritry ny firaisana sovietika teo aloha.

2008-06-27

Angôla : Tatitra an-tsaryPhotos post

JotaCê Carranca no manapariaka ao amin'ny Pensar e Falar Angola [Misaintsaina sy miresaka mikasika an'i Angôla] tatitra an-tsary izay ahitana fiara vita amin'ny hazo [karazana varamba] tany Bocoio sy sekoly any Libangue any Angôla : A escola não tem nada além do que se vê: pedras a servir de cadeira ...

2008-04-12

Arzentina : Mpianatra sekoly ambony mampiasa lahatsary aseho aterineto hitaterany ny olana mianjady aminy

Te-hisintona ny mason’ny famoaham-baovao[es] hilazany ny olana mahazo azy ny mpianatry ny sekoly ambony arzantina tamin’ny fametrahana lahatsary tao amin’ny YouTube : mila trano lehibe afaka ianarana ry zareo. Amin’izao fotoana izao dia any amin’ny sekoly fanabeazana fototra no mamonjy sekoly ny Ipem 112 “César Iñíguez Montenegro”, any Sebastián Elcano, ...

2008-04-09

Afghanistan : Atrikasa voalohany amin'ny fitorahana blaogy tao Kabul

Nahatontosa ny atrikasa voalohany teo amin'ny tantaran'izy ireo ny Fikambanan'ny Mpitoraka Blaogy ao Afghanistan [Afghan Association of Blog Writers] (Afghan Penlog) rehefa nisedra tsy fahampian'ny vola sy ny herin'aratra. Tamin'ny 3-4 Aprily no natao tao Kabul io atrikasa io niaraka tamin'i Nasim Fekrat sy Masoumeh Ebrahim [Fa], mpitoraka blaogy mavitrika ...

2008-04-08

Bahreïn: tokony hisaron-doha ve ny tovovavy?

Tsy ela akory izay dia nijery fanehoan-kevitra mahakasika ny olàn’ny mpandeha an-tongotra. eto Bahrein, ny fomba fisainana tsy mandroso anànan’ny tanora Bahraini, ny tsindry (fanerena) mianjady amin’ireo tovovavy momba ny fitondràna saron-doha (voaly) – sy ny ilàna ny fifandraisana bebe kokoa amin’ny Amerikanina ireo mpitoraka blaogy avy eto Bahrein. Mandehàna ...

2008-04-07

Eoropa atsimo atsinanana, Rosia: Ady, Fandriampahalemana ary tantara ifampizarana

Vladikavkaz renivohitry Ossetia Avaratra any Rosia, nametraka a baoritra kisarintsoratra amin'ny teny Rosiana izay ho sarotra tanterahina any Kaokazy avaratra ny mpampiasa ny LJ alan-tskhurbaev:   Kosovo is Serbia! Kosovo an'i Serbia! Raha mitaha amin'i Ossetia atsimo faritra miendaka amin'i Georgia, izay iheveran'ny mpitarika ao fa fanombohan-javatra iny fahaleovantenan'i Kosovo iny, dia nanamarika io ...

Jordana: Inona no famakin'ny zanatsika?

"Inona no famakin'ny zanatsika ?" hoy Batir Wardam jordaniana (Ar) manontany, nanoloana ny fangatahan'ity zazavavy iray naniry hividy bokin'ankizy tao amin'ny toeram-pivarotam-boky iray kanefa nodian-dreniny fanina fotsiny. Nandritry ny naha tao amina toeram-pivarotamboky iray azy no nandrenesan' i Wardam ny resaky ny zazavavy iray sy ny reniny: قبل فترة وبينما كنت أشتري ...