2009-08-07
Shina: Fitsarana an-tendrony sy fanilikilihana ataon'ny Han amin'ny Uyghur
Mihoatra ny iray volana izay no nisian'ny rotaka tany Xinjiang tamin'ny 5 jolay ary mbola manameloka ny Tandrefana sy ny Rebiya Kadeer ho nampiroborobo ny hetsiky ny mpisintaka tany Xinjiang ny ankamaroan'ny mpiserasera shinoa. Misy ihany na izany aza ny bitsika toy izay hita ato amin'ny BBS of people.com ato ...
2009-08-04
Palestina: Ny Fisondrotana Kilasy any Gaza
Ny tawjihi dia ny fanadinana ankapobeny aorian'ny dingana faharoa any amin'ny faritr'i Gaza, sisiny andrefan'i Jordana, ary mamaritra ny safidin'ny mpianatra iray momba izay anjerimanontolo sy ny sampana horaisiny. Tamin'ity taona ity, ny fiatrehana miaraka ny fanadinana any amin'ny sisiny andrefana sy ao Gaza dia noraisina ho toy ny taratry ny firaisam-pirenena sahady.
2009-07-02
Miharatsy ny fanabeazana any Kazakhstan
Ny 01 hatramin'ny 10 jona no niatrika ny fanadinana famaranana (UNT) ireo mpianatry ny ambaratonga faharoa any Kazakhstan-fanadinana atrehan'ny mpianatra voalohany kanefa manan-danja eo amin'ny fiainany. Ny salanisa ankapoben'ny mpanala fanadinana, araka ny nosoratan'i Zara, mpitoraka bilaogy iray, dia 74.9 , izany hoe nitombo isa 7 raha oharina amin'ny teo aloha. ...
2009-06-09
Ekoatora: Fitsapam-pahaizana atao amin'ireo mpampianatra amin'ny sekolim-bahoaka
Isan'ny tanjona iray napetraky ny governemanta ankehitriny ny fanavaozana ny rafi-pampianarana eto Ekoatora, ary ankehitriny ho fanatanterahana izany dia manara-maso akaiky ny fahaiza-manaon'ireo mpampianatra amin'ny sekolim-bahoaka manerana ny firenena izy. Ny sampana mpanatanteraka dia vao avy nandàny lalàna vaovao iray(.pdf doc) mangataka ireo mpampianatra rehetra handalo fitsapam-pahaizana mandritry ny herinandron'ny ...
2009-05-22
Okraina: faha-65 taonan'ny famindràna faobe ireo Tartares avy any Crimea
Ny 18 May no anamarihana ny faha 65 taonan'ny Sürgün, ny famindràn-toerana faobe tamin'ny 1944 natao an'ireo Tartares avy any Crimea hiala ny tanin'izy ireo tao Crimée.
J. Otto Pohl dia nanoratra momba ny tantàran'ireo famindràna faobe, ary indro misy ampahany avy amin'ny hafany:
Tamin'ny 18 May 1944, ny NKVD sovietika no ...
2009-05-21
Maraoka: Fandraisana an-tànana ny fikarakaràna ny biby
Hopitalim-biby any Fez, Maraoka, izay nitsàngana tamin'ny 1920 ny American Fondouk novatsian'ny Sosaity any Massachusetts ho fisorohana ny herisetra atao amin'ny Biby [Massachusetts Society for the Prevention of Cruelty to Animals](MSPCA). Ilay hopitaly, izay mikarakàra ny biby lehibe sy kely, dia ahitàna voalohany indrindra mpitsabo biby sy mpiandraikitra ...
2009-05-20
Masoandro mihiratra ho an'ny kilemaina any RDC
Tsy ialam-pahasarotana ny fiainan'ny olona manan-kilema sy maleny any amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô. Maro ny fahasahiranana atrehin'ny kilemaina noho ny fahabangan'ny fanohanan'ny fanjakana sy ny fahavitsian'ny asa.
Miezaka ny mitatitra matetika ny fiainan'ny kilemaina sy ny malemy ao amin'ny fienena misy azy ny mpanao gazety kôngôley sady miandraikitra ny Congoblog “Ba ...
2009-05-09
Irana: ho fiarovana ireo Baha’i vitsy an'isa
Voatsindry hazo lena hatramin’izay ireo Baha’i vitsy an'isa, ary hita ho toa miharatsy izany toe-javatra izany. Tsy ela akory izay dia niampanga mpitarika fito tao amin’ny sampam-pitsikilovana Baha'i ny manampahefana Iraniana. Ireo Baha’i ihany no miteny fa anaovana antsojay izy ireo noho ny finoana arahany.
Tamin'ny volana lasa iny dia ...
2009-05-07
Bubisher: Boky maro eran'ny bus iray ho an'ireo ankizy any andrefan'i Sahara Andrefana
Bubisher..boky ho an’ireo ankizy any amin’ireo tobin’ny mpitsoa-ponenana any Sahara Andrefana
Midika hoe “vorona milaza soa’ ny Bubisher .” Araka ny filazan'i Roge Blog, lohatenim- boky firaketana tononkalo sahraouie ihany koa izy io. Saingy ho an'ireo ankizy anjatony maro mipetraka ao amina toby natao ho an'ny mpitsoa-ponenana ao Sahara Andrefana, dia ...
2009-04-29
Chine: aretin-tsaina manoloana ny toetry ny Sinoa
Mpikaroka ao amin'ny sampam-pitsaboana mifandraika amin'ny lalàna avy ao amin'ny anjerimanontolon'i Pékin antsoina hoe Sun Dongdong no nilaza tao amin'ny China News Weekly ny 23 martsa lasa teo fa 99% ny Sinoa mpanao fitakiana no marary saina ary tohanany ny fampidirana azy ireo an-terisetra any amin'ny toeram-pitsaboana.
Vaovao farany (ny 08 ...




