· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Fanabeazana tamin'ny Marsa, 2012

Miangavy #AlalahoNyBoky Ny Arzantiniana

  29 Marsa 2012

Nampirohondrohona ny fahatezerana tao amin'ny tambajotra sosialy ao Arzantina indray ny famerana vaovao momba ny fanafarana boky.  Amin'ny alalan'ny Hitsivolana 28/2012 [es] (noforonina ny 28 Febroary 2012), ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Tetibolam-Panjakana [es] ao Arzantina, amin'ny alalan'ny sekretariam-panjakana misahana ny varotra anatiny, no nandray fepetra vaovao momba ny fanafarana avy any ivelany ny entambarotra...

India: Tovovavy Mianatra Mikasika Ny Lahatsary Firotsahana An-Tsehatra

  28 Marsa 2012

Vondrom-behivavy iray avy ao Hyderabad, faritra mahantra any India, no mianatra ny fomba famokarana lahatsary mba hanovàna ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo, ary ao anatin'ity lahatsary manaraka ity ilay vondron-tovovavy dia manazava izay nianaran-dry zareo sy ny fomba hanampian-dry zareo ny vondrom-piarahamoniny sy ny tenany amin'ny alàlan'ny zava-bitan-dry zareo.

Etazonia: Firaisankina Manohitra ny Sivana Atao Amin'ny Haisoratra Amerikana Latina

  26 Marsa 2012

Ny fanafoanana ny Fianarana  Meksikana-Amerikana[mg]  sy ny fanivanana boky marobe tao amin'ny sekoly distrikan'i Tuscon, Arizona no nahatonga ny fanohanana nasionaly izay niendrika fihetsiketseham-panoherana, tamin'ny alalan'ny famarotana boky, ny fampahafantarana boky sy vondrona mpamaky boky. Toy izany koa ny  tao an-tanànan'i New York  sy manerana an'i Etazonia, nahabe resaka sady nahazoan-desona maro ny fisian'ilay...

Meksika: Tezitra Tamin'ny Kandidà Vázquez Ny Mpianatry ny Oniversite

  20 Marsa 2012

Tokony hitandrina amin'ny fomba fiteniny amin'ny vahoaka ny kandidà hirotsaka hofidiana filoham-pirenena ankehitriny ao Meksika, farafaharatsiny hatramin'ny volana Jolay 2012, hanatontosana ny fifidianana filoham-pirenena. Fahadisoana kely na fanambarana diso fandray dia mety hampihemotra ny mpifidy amin'ity taom-pifidianana ity. Josefina Vázquez Mota, kandidà vehivavy tokana nirotsaka hofidiana, no tratran'ny tsy fifankahazoan-dresaka...

Mozambika: Ny Rindrin'ny Vahoaka ao Maputo

  15 Marsa 2012

Tamin'ny fotoana nahitanay tsy an-kiato ny firoborobon'ny teknolojia vaovao izay manamora ny fifandraisana sy ny fampahalalam-baovao, toy ny smartphone, tablets, Twitter ary ny Facebook, ao Maputo, renivohitr'i Mozambika, niroborobo ihany koa ny Rindrin'ny vahoaka: ny rindrina lehibe ao ivelan'ny tranobe misy ny gazety Jornal@Verdade, izay afaka ametrahan'ny vahoaka hafatra sy hanairana mivantana...

Ségou Villages : Mitady Fomba Ahafahana Miditra Aterineto

Rising Voices  13 Marsa 2012

Miely manerana ny lemaka maina ahitana Baobaba mitsitokotoko etsy sy ery ny tanàna ambanivohitr'i Ségou. Ity faritra ao Mali ity dia miavaka amin'ny fisian'ireo mponina tambanivohitra mivelona amin'ny karazam-pambolena, sy ny fiompiana ary ny kivarobarotra. Eo ho eo amin'ny adiny efatra miala ny renivohitra Bamako no misy ny faritra Ségou, ary...

Puerto Rico: Fanentanana Ety Anaty Aterinto Ho Fanatsaharana Ny Césarienne tsy misy ilàna azy

  11 Marsa 2012

"Césarienne tsy misy ilàna azy" no anarana nomena ilay fanentanana natomboka tamin'ny herinandro voalohany amin'ity volana Martsa ity tao Puerto Rico, hikendrena indrindra ny mba hampihenana ny taha ambony loatran'ny fiterahana ampiasnana ny fandidina "césarienne" ao amin'ity firenena ity : maro amin'izy ireny no zavatra efa nomanina, atao hoe "C-sections" izay tsy manara-penitra ara-pahasalamana akory.

Loka Bilaogy Tsara Indrindra (Best of the Blogs): Efa nametraka ny Bilaoginao Ao Ve Ianao?

  09 Marsa 2012

Efa nandefa ny bilaoginao  amin'ilay Loka Bilaogy tsara indrindra 2012 (Best of the Blogs (BoBs)ve ianao, ry vondrona amin'ny valan-tserasera, na ry tompon-kevitra antserasera? Ny BoBs dia fifaninanana bilaogy fanao isan-taona karakarain'ny onjam-peo Alemana iraisampirenena Deutsche Welle (@dw_thebobs). Mpamahana bolongana, mpanoratra, mpanankato, olo-tsotra tia manangom-baovao, mpitolona sy ny mpitondra hevi-baovao no amporisihina mba...

Espaina: Mbola Mitohy Hatrany Ny Fanenjehana Ny Mpianatra Ao Valencia

  08 Marsa 2012

Andro vitsy monja taorian'ny fanenjehana mahery vaika ireo mpianatra tao amin'ny ambaratonga faharoa tao amin'ny sekoly Luis Vives tao Valencia izany nataon'ny mpitandro ny filaminana, dia mbola lasibatry ny daroka ihany ny mpianatra, natositosika ary niharan'ny herisetra avy amin'ny mpitandro ny filaminana tao anatin'ny hetsi-panoherana am-pilaminana nataon'izy ireo

Global Voices Podcast: Mahatsiaro Ireo Androntsika Tany An-tsekoly

  03 Marsa 2012

Ato anatin'ity famoahana ity isika dia handeha ho any an-tsekoly. Miainga amin'ny fanabeazana henjana be any amin'ny Reniranon'i Niger, ary hatramin'ny fisaintsainana ny sasany amin'ireo fotoana mamy sy tsy hay hadinoina indrindra tamin'ny fotoana nandratoan'ireo mpandray anjara manerana izao tontolo izao ato amin'ny Global Voices fanabeazana. Kadoa: Ny fomba nahaizan'i Ethan nitendry haingana be.