· Jolay, 2011

Tantara mikasika ny Fanabeazana tamin'ny Jolay, 2011

E Day: Mamantatra NyTeny Ankafizin'ireo Olo-malaza

  16 Jolay 2011

Inona no zavatra itovian'ny mpihira Shakira, ny mpilalao sarimihetsika Gael Garcia Bernal, i sefo Ferran Adria ary ilay mpanoratra Mario Vargas Llosa? Izy ireo dia samy mpikambana ao amin'ilay vondron'ireo olo-malaza 30 nizara tamin'ny alalan'ny lahatsary ireo teny tena tian'izy ireo amin'ny teny Espaniola mba ho isan'ny fankalazana ny 'E Day' nokarakarain'ny Fianarana Ambony Cervantes.

India: Ho avin'i Wikipedia

  10 Jolay 2011

Mankalaza ny fahafolo taonany ny Wikipedia amin'ity taona ity ary saiky tanàna zato any India no nisoratra anarana handray ny fankalazana izany, isa avo indrindra amin'ny isam-pirenena. Amin'ity taona ity ny Fondation Wikimedia no hanokatra birao voalohany ivelan'i Etazonia, amina tanàna iray any India araka ny nambara. Ny Global Voices dia tafaresaka tamin'i Tinu Cherian, mpi-Wikipedia, momba ny Wikipedia any India.