· Avrily, 2011

Tantara mikasika ny Fanabeazana tamin'ny Avrily, 2011

India: Ny Fandrisihana ny Vehivavy sy ny Lahatsary am-Bilaogy

  26 Avrily 2011

Women Aloud Videoblogging for Empowerment (WAVE) dia sehatra iray sy fandaharanasa handrisihana ireo vehivavy any amin'ny faritra manodidina ny renivohitra any India hanehoan'izy ireo ny heviny anaty lahatsary eo amin'ny aterineto mikasika ireo lohahevitra mahakasika azy.

Ejipta: Mahatsiaro Ny Zava-nitranga Tao Bahr El-Baqar

Iraikambiefapolo tana lasa izao, ny 8 Aprily 1970, ary nandritra ny Ady Mitarazoka Attrition, nodarohan'ny tafika Israeliana ny sekoly ambaratonga voalohany iray tao amin'ny tanana Ejiptiana Bahr el-Baqar, atsimon'i Port Said, any amin'ny faritany atsinanan'i Sharqia. ny Sekolin'i Bahr El-Baqar - sekoly iray misy efitrano telo sy mampiantrano mpianatra 150 - no simba, 30 amin'ny mpianatra tao no maty, 50 mahery no naratra mafy, ary marobe no nitondra takaitra. Ary taorian'ireo taona maro ireo, mbola mahatsiaro ilay vonomoka ny Ejiptiana.

Singapore: Adihevitra Mikasika Ireo Miaramila ‘Diso Hanta’

  10 Avrily 2011

Tena vonona hiady marina ve ny miaramila ao Singapore? Io dia iray amin'ireo fanontaniana maro apongatr'ireo mpiondana aterineto maneho hevitra noho ny fahitàna sarinà zazavao iray mampitondra olon-kafa ny kitapo fibabiny, olona heverina fa angamba mpanampy an-tranon-dry zareo. Tao amin'ny Facebook ilay sary no nakarina voalohany ary avy hatrany dia...