· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Fanabeazana tamin'ny Marsa, 2011

Kolombia: Vondrom-Piarahamonina Indizena Miaro Ny Fahavitan-tena Ara-Tsakafony

  31 Marsa 2011

Nanao dingana ho fiarovana ny fahavitan-tena ara-tsakafony ireo vondrom-piarahamonina Indizena any Kolombia. Tsy hoe fotsiny mampianatra ny mpiara-monina aminy hihinana izay novoleny teo an-jaridainany izy ireo, toy izay hividy sakafo lafo netina avy any ivelany, fa koa manohitra ny lalàna vaovao sy ny fameperana ny fahazoan'izy ireo manjifa ronono.

Brezila: Adihevitra manodidina ny boky ho an'ny ankizy manavakava-bolonkoditra

  27 Marsa 2011

Eo am-pamakiana ity lahatsoratra ity, maninona moa raha mba mihaino ihany koa ny hira Yellow Woodpecker's Ranch (Sítio do Pica-Pau Amarelo) [pt], feonkira mahazatran'ny tantara mitohy amin'ny fahitalavitra Breziliana nalaina tamina bokin'ny ankizy nosoratan'i Monteiro Lobato. Hira noforonin'i Gilberto Gil, azo henoina ao amin'ny tranonkalan'ny mpanakanto. Tsindrio eto handefasana ny raki-kira amin'ny varavarankely...

Venezoela: Mianatra mitendry Gitara ao amin'ny tranokala 2.0

  25 Marsa 2011

Ny gitara no sary masina lehibe amin'ny mozika nenti-paharazana Venezoelana. Tamin'ny voalohany no nianarana azy matetika ary miaraka amin'ny ankamaroan'ny hira mitantara ny hira vako-drazan'ny firenena. Mety amin'ireo bàn-kira isan-karazany ny gitara, miaraka amin'ny ampongamaroanaka avy any amorotsiraka, ny mozika calypso avy any atsimo. Matetika mampiasa gitara ny amboaram-peo nentim-paharazana, manao...

Arabia Saodita: Nampanantena Volabe Ny Saodiana Ny Mpanjaka

Volabe no nampanantenaina ny Soadiana androany (18 Martsa 2011), taorian'ny teny nataon'ny Mpanjaka Abdulla ho an'ny firenena. Tanatinà teny fohy, ilay Mpanompon'ireo Trano Masina Fivavahana roa dia nisaotra ireo mpisorona, ny mpanoratra ary ny Ministeran'ny Atitany noho ny ezaka nataon'izy ireo hiarovana ny fanjakana. Filazàna sy didim-panjakana avy eo no nanaraka fa hoe volabe an-davitrisa no hatondraka ho an'ny Saodiana.

Fizaran-doka no manamarika ny andron'ny vehivavy erantany ao Ganà

  16 Marsa 2011

Isan-taona manerana izao tontolo izao no  ankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy ny 8 martsa. Hetsika an-jatony no hita tsy tamin'io andro io ihany fa nandritra ny volana martsa mba hanamarihana ny zavabitan'ny vehivavy teo amin'ny sehatra ara-toe-karena, politika ary sosialy. Tsy namela io andro io handalo fotsiny i Ganà sy...

Bahrain: ‘Nanapoaka Sarom-bilany’ Hanohitra Ny Sekoly (Lahatsary)

Sekoly Ambaratonga (ambony) faharoa maromaro no 'nanapoaka sarom-bilany' hihetsika hanohitra ny governemanta manerana an'i Bahrain tamin'ny Talata 1 Martsa. Ho fanohanana ireo mpanao fihetsiketsehana milasy ao amin'ny Fihodinana ao Pearl (Lulu) dia nivoaka ny sekoliny daholo teny anelanelan'ny andro fianarana, na lahy, na vavy, ka nanao filaharana teny ivelan'ny sekolin-dry zareo tao an-tanànan'i Isa , Hamad ary Jidhafs.