Tantara mikasika ny Fanabeazana tamin'ny Mey, 2010
Sina: Misy toerana ho an'ny kolontsaina avo lenta ve eo anivon'ny fanabeazana?
Misy toerana ho an’ny fanabeazana ankapobeny ve amin’izao fiaraha-monina maoderina ankehitriny izao, izay efa maharomotra ny fifaninanana eo amin’ny tsenan’ny asa, ary ny raharaha rehetra dia samy efa voatokana sy ara-teknika daholo? Ny volana Aprily dia namoaka taratasy nosoratan’ny mpianatra amin’ny taona faha-3 amin’ny Anjerimanontolo ao Tianjin, tanan-dehibe malaza iray ao...
Saudi Arabia: Làlana nakatona tsy ho azo izoran'ireo vehivavy mpihazakazaka
Lalana iray any amin'ny faritr'i Asir, Arabia Saodita, toerana izay tian'ny vehivavy maro tokoa anaovana fitaizam-batana no nakatona tsy ela akory izay tsy ho azon'ny vehivavy mpanao hazakazaka madinika idirana, lalana izay nolazain'ny Haia (Kaomisiona ho fanandratana ny haja amam-boninahitra sy ho fisorohana ny toetra ratsy) [Commission for the Promotion...
Singapore: Fisintonana ny fanasana mpanabe marenindrenina iray
“Nandany telopolo taona mahery tamin’ny fampianarana ary nampianatra mpianatra an’arivony i Susan Elliot. Matsilo saina izy, mahay miteny tsara, ary manana fahaizana manokana amin’ny hatsikana”, hoy Ingahy Anthony Mullen manoratra ao amin'ny tranonkala Teacher Magazine. “Mampianatra ny ara-tsosialy sy tantara amin’ny mpianatra ankapobeny sy amin’ny mpianatra marenindrenina izy, ireo rehetra...
Etazonia: Mpianatra vavy mitia vehivavy iray nalefa tamina “alim-pandihizana fitaka” tany Mississipi
LOL cat zarain'ny blaogy miaro ny zon'ireo vehivavy Tovovavy 18 taona avy ao Mississippi i Constance McMillen izay, tahaka ireo tanora amerikanina maro, naniry ny mba hanatrika ny alim-pandihizan'ny andiany misy azy tao ampianarany tamin’ity taona ity. McMillen, ilay lesbian [vehivavy mitia vehivavy], dia nanao fotoana ny hanatrika ny alim-pandihizana...