Tantara mikasika ny Fanabeazana
Nahita fianarana ny vehivavy any Moldavia, saingy kely kokoa ny karamany ary manambady aloha loatra izy ireo
Angon-drakotra momba ny vehivavy monina ao Moldavia amin'izao fotoana avy amin'ny birao nasionaly misahana ny antontanisa ao Moldavia
Teraka tao Jamaika, Jason Allen-Paisant indray no poeta karaibeana nahazo ny loka malaza T.S. Eliot
« Alina manatantara ho an'i poezian'i Karaiba » : Amin'izao fandreseny izao, fanintelony izao tao anatin'ny dimy taona ny poeta manana fiaviana karaibeana no nahazo ity loka malaza ity.
Fandaharana iray hafa anaty fahitalavitra ao Tiorkia tafiditra anaty raharaha mivaivay
Anaty firenena iray izay tena misara-bazana lalina ireo olompirenena laika sy ireo mpino silamo ao aminy, nanafintohina ilay seho. Fanontaniana mipetraka, amin'ity indray mitoraka ity, ny hoe mety hitondra fiovàna sa tsia eo anivona fiarahamonina midadasika ny seho iray
Nodimandry teo amin'ny faha-65 taonany i Benjamin Zephaniah, poeta britanika tsy manam-paharoa manana faka avy any Karaiba ary manintona be ao anatina fiarahamonina manana kolontsaina marolafy
Lasa mpanakanto sy mpandika teny ankafizina izy izay namakivaky ny sisintany rehetra ary nikaroka izay hanasitranana ny fiarahamonina voasamantsamaky ny fanjanahantany, ny fanavakavaham-bolonkoditra ary ny tsy rariny ara-tsosialy.
Ao anaty fanadihadiana iray vaovao, Ozbekistan mankalaza ny hetsika reformista Jadid
Toa mbola haharitra ela ny fiverenan'ny Jadid eny amin'ny habaka natao ho an'ny daholobe, miaraka amin'ny governemanta mampiasa ny lova navelan'izy ireo ho fitaomam-panahy.
Andro iraisampirenena ho an'ny olona manana fahasembanana, mbola lavitra ny lalana ho an'i Trinidad sy Tobago
Amin'ny alalan'ny fampiharana ny lalàna no fomba mahomby indrindra hiatrehana ireo sakana ara-tsaina sy rafitra izay iainan'ny olona manana fahasembanana isan'andro ao Trinidad sy Tobago.
Andro iraisampirenena ho an'ny ankizy: Post-Covid, tsy maintsy miantoka ny zon'ny ankizy i Hong Kong
"Tamin'ity taona ity, mpianatra 269 no nanandrana namono tena, ary 37 no nahomby tamin'izany. Tamin'ireo olona 10.279 no voasambotra tamin'ny taona 2019, zatovo latsaky ny 18 taona ny 1.754 tamin’izy ireo, ary 11 taona ny zandriny indrindra. "
Tsy mandray ireo pelaka ny fitateram-bahoaka ao Azerbaijan
Lasa toerana anjakan'ny fankahalana pelaka, fanorisorenana ary fandrahonana herisetra ny fitateram-bahoaka.
Topi-maso amin'ny traikefa iainana ny fadimbolana tanatin'ny fahantrana ao Jamaika sy Trinidad sy Tobago
Ny fikambanana tsy mitady tombony any amin'ireo Nosy roa dia mamporisika ny fampiasana kokoa ireo vokatra miaro tontolo iainana, vokatra mbola azo ampiasaina isambolana, ho fomba hiatrehana mivantana ny fadimbolana mandritra ireo trangana fiovan'ny toetrandro.
Miezaka manangana ny tanànan'ny ho avy any amin'ny faritany Rosiana ny tanora, raha mitady ny lasa kosa ny mponina
Niverina tany Chaykovsky, tanàna kely any Rosia ny mpanakanto ary nanangana foibe ara-kolontsaina ho an'ny daholobe tao. Miatrika fanoherana avy amin’ny tompon’andraikitra sy tsy fahampian’ny fifankahazoana eo amin’ny mponina any an-toerana izy ireo ankehitriny.