The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Education Sokajy ara-dresaka

RSS ho an ny Education

2008-10-06

Chili: Mpianatra namoaka lahatsary fohy momba ny “fitandrohana”This is a Video post

Tohiny Mpianatra ao amin'ny sekoly ambaratonga faharoa manokana no namoaka lahatsary fohy mitondra ny lohateny hoe "Mitandroka (Bullying)" mba hizarany ny fomba fijeriny momba ny famonoantena eo amin'ny tanora sy izay mety ho antony hanaovana izany. Tamin'ny alalan'ny fihetsiky ny vatana sy ny tava maneho hevitra no tena nandefasany ny hafatra, handravana ny elanelanan'ny tsy fifankahazoana fitenenana ka nataony izay hahazoan'ny rehetra ny lahatsary fohy novokariny.

2008-09-24

Herinandron'ny moana marenina: Mangetaheta fanabeazana mamirapiratraThis is a Video post

Tohiny Amin'ny fizarana faharoa amin'ity lahatsoratra mikasika ny herinandron'ny moana marenina ity (eto ny fizarana voalohany), dia entinay any amin'ny tontolon'ny fanabeazana ny moana marenina ianareo, sy ny fanamby isan-karazany tsy maintsy atrehiny. Voalohany ny any amin'ny Repobilika afovoan'ny Afrika misy sekoly iray misokatra noho ny fitiavana madiodio rehefa nitsahatra ny ...

2008-09-23

Herinandron'ny fampahalalana ny moana marenina: fomba hafa hampitan-kafatraThis is a Video post

Tohiny Moa fantatrao fa maro amin'ny moana izay mampita hevitra amin'ny alalan'ny fipeliky ny tanana, no mihevitra io fipeliky ny tanana io ho fiteniny voalohany ary ny teny voasoratra kosa ho fiteniny faharoa? Tsy nahalala aho manko fa soa ihany fa nahita ireo lahatsary ampolony nasehon'ny avy ao amin'ny fikambanan'ny moana ...

2008-09-13

Madagasikara: Manova olona ny mipetraka Andafy

Tamin'ny lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Marsa no nanoratan'ny mpahay toekarena William Easterly sy Yaw Nyarko izay nanamarika fa mahatratra 81 isanjaton'ny vola raisin'ny olona mipetraka amin'ny firenena iray Afrikana atsimon'i Sahara ny vola fandefan'ireo nifindra monina.Efa niadian-kevitra tanatin'ny tontolom-bolongana Malagasy ihany koa tany aloha tany ny anjara toeran'ireo Malagasy ...

2008-09-10

Saudi Arabia

Crossroads Arabia no milaza ny heviny amin'ny mety hampidiran'i Arabia saodita ny zon'olombelona ho taranja ianaran'ny mpianatra lalàna: “Tahaka ny hampianarana izay heverina ho ‘Zon'ny Silamo manerana ny tontolo’, dia zava-dehibe ihany koa ny hampianarana ny ‘Zon'olombelona maneratany’ araka ny ametrahan'ny Firenena Mikambana azy. Zava-dehibe tokoa ny fanondroana mazava ny fahasamihafan'izy ireo hampisongadina ny  fiaraha-monina Saodita miohatra amin'ny fiaraha-monina hafa amin'ny ankapobeny.”

2008-08-22

Senegal

Mitokona ny mpianatra ao amin'ny Oniversite any Dakara, Senegal noho tsy ny nandohavan'ny fanjakana ny vatsim-pianarana. “Raha miady mafy any Beijing ireo atleta avy amin'izao tontolo izao mba handresy ny zava-bita tsara indrindra eo amin'ny fanatanjahan-tena, dia miezaka kosa ireo mpianatra ao amin'ny Oniversite Cheikh Anta Diop ho tompon-daka amin'ny fitoraham-bato”, hoy i Seneblog [fr].

2008-08-21

Uruguay

Nambaran'i Pablo Flores fa ho avy ny andiany faharoa amin'ny fihaonan'ny Ceibal ao Montevideo, any Orogoay [es]. Fihanonana, tsy ofisialy, ataon'ireo mpahay informatika moa izy ity mba hamoronana rindrankajy “open-source” ho amin'ny solosaina XO.

2008-08-13

Cuba

Yoani Sanchez no manadihady ny volavolankevitra vaovao hampakarana ny vola fandrain'iny olona efa retirety ary dia naka ohatra mpampianatra iray efa ho tonga amin'izany maharetirety azy izany mba hanehoany ny fiangarana ataon'ny rafitra: “Mba hampiharihary azy, ity vehivavy ity dia mbola hiasa dimy taona fanampiny indray, ka rehefa tonga ny fotoana handaozany ny asa ny alin-kasasarana ho azony kosa dia vola fanampiny ahazoany mividy labiera iray isam-bolana.”[fa naninona koa no labiera no natao ohatra e?]

 

2008-08-12

Tany Arabo:Vehivavy, tokantena, handao ny akany?

Ho an'ny ankamaroan'ireo vehivavy tokantena arabo, ny hiaina sy hiasa na handranto fianarana lavitry ny fianakaviana dia safidy tsy mora atao, noho ny tahotra ny hoe “Dia inona no ho lazain'ny olona”. Manerana ny tontolo arabo, vehivavy mpitoraka blaogy maro no efa naneho ny ahiahiny mikasika ny olana sedrain'ireo vehivavy ...

2008-08-09

Bahamas

“Araka ny nolazain'ny vaovao tamin'ny radio dia ‘vokatry ny fifamaliana an-tokantrano' no nahatonga ny fahafatesan'ilay namako Bloneva Bethel. Nahoana moa io no ‘tsy fahafatesana tsy tokony ho nitranga €vokatry ny tsy fahatongavan'ny polisy œara-potoana namaliana ny antso vonjeo tonga tany aminy?'” Weblog Bahamas no misarika ny saina amin'ity raharahan'herisetra mpitranga any an-tokantrano ity.