Global Voices teny Malagasy » Ekonomia
Angola: Lafo ny fiainana any Luanda
Lafo avokoa ny zavatra rehetra ao Luanda, renivohitry Angola; na ho an'ny angoley izany na ho an'ny vahiny, ireo mponina any dia mahafantatra izany tsara. Ny fototra toy ny sakafo sy ny fianarana ary ny trano fonenana dia mitovy vidy amin'ny any amin'ny firenena eoropeana. Ny mahasamy hafa azy dia ny karama mbola latsaka ambany dia ambany any Angola raha ampitahaina amin'ny an-dry zareo any Eropa, izay miady mafy tokoa vao mahita sakafo isan'andro.
Mazava ho azy fa tsy mahakasika ireo mpanambola izany ady izany, izay na amin'ny fomba madio na tsia dia voaaro satria manana vola any amin'ny banky izay mahatonga fialonana ho an'ny tsy manana. Araka ny fanadihadihana nataon'ny orinasa britanika iray, ECA International tamin'ny volana jona 2009 dia i Luanda no tanàna lafo vidy indrindra manerana ny tany atsy ho atsy.
Ao amin'ny bilaoginy Mundo da Verdade [pt], dia manoratra i Miguel Caxias :
“Só para terem uma ideia, o custo por noite no hotel em que estou é de 170 USD (quarto individual, com casa de banho e pequeno-almoço mesmo muito sofrível). Estamos a falar de um hotel que deve ter se tanto, duas estrelas. Para um europeu, não só por costumes alimentícios mas também por costumes de segurança, não se arrisca a comer em qualquer botequim de esquina, obviamente. No restaurante onde temos feito as nossas refeições, o custo médio de uma dose é de 30USD (junte-se a isso bebida, sobremesa, entradas e o preço salta logo para 40/45 USD de despesa individual).
Luanda está numa fase de construção massiva. Junto à Marginal existem apartamentos a 1 milhão de USD. Estão todos vendidos!!!”
“Hahazoanao azy sary an-tsaina fotsiny, ny hofan'ny trano fandriam-bahiny mandritra ny alina iray (efitra an'olon-tokana misy trano fidiovana, miaraka amin'ny sakafo maraina) tao amin'ny trano fandriam-bahiny natoriako no 170 dôlara (110 euros). Trano fandriam-bahiny eo ho eo amin'ny kintana 2 eo. Eropeana iray, tsy noho ny sakafo efa mahazatra azy ihany, fa noho ny antony fandriam-pahalemana koa dia tsy hihinana velively eny rehetra eny. Ny vidin'ny sakafo antonontonony dia 30 dôlara (20 euros) any amin'ny trano fisakafoanana nandehananay (ary raha miaraka amin'ny zava-pisotro sy tsindrin-tsakfo dia tafakatra hatramin'ny 40 na 45 dôlara (30 euros) isan'olona izany.
Miatrika fanarenana ankapobeny i Luanda. Any akaikin'i Marginal (toerana amoron-tsiraka) dia ahitana trano hatramin'ny 1 tapitrisa dôlara (650 000 euros). Efa lafo daholo ireo trano ireo!!!”
Tsy dia mifanentana loatra ny vidim-piainana lafo sy ny farim-piainan'ny mponina satria tsy hita taratra ny fiakaran'ny farim-piainana, na dia ho an'ireo sahirana ara-pivelomana aza. Tsara ny vokatra azon'i Angola raha jerena ny fanondroana ara-pivoarana, kanefa mampalahelo fa tsy tonga any amin'ny mponina akory izany, tsy hita any amin'ny vola miditra amin'ny tsirairay. Fitadiavana miaraka amin'ny tolotra tsy ampy dia vao maika mampananosarotra ny raharaha.
Ny mpanoratra breziliana ao amin'ny bilaogy Diário de África [pt] no milaza ny zava-misy any Angola.
“Não são apenas os alugueres (habitação) que custam caro. Tudo é caríssimo. Um quilo de tomate pode sair por 20 USD. Uma bandeja de uvas pode custar 30 USD o quilo. Um bife com batatas fritas pode custar facilmente, 50 dólares. Um cano furado pode sair por 1000.000 USD. Tapar um pequeno furo na tubulação do ar-condicionado do carro e colocar o gás para enfrentarmos o calor luandense custa 200 USD.
Precisa de electricista? Ele não vai sair da sua casa sem ter tirado pelo menos 100 USD de você. Mesmo que só tenha trocado uma lâmpada. Porque é tudo tão caro?”
“Tsy ny hofan-trano ihany no lafo. Lafo daholo ny zavatra rehetra. 20 dôlara (13 euros) ny voatabia 1 kilao. Mahatratra 30 dôlara (20 euros) ny voaloboka 1 vilia. Mora lafo ny hena endasina miaraka amin'ny ovy amin'ny vidiny 50 dôlara (30 euros). Mahatratra hatramin'ny 1000 dôlara (650 euros) ny fantso-drano iray. 200 dôlara (130 euros) ny manisy lavaka kely amin'ny fantsona mitondra rivotra amin'ny fiarakodia sy mameno gaz (etona na setroka)  hiatrehana ny hafanana any Luanda.
Mila mpikirakira herinaratra ve ianao? Tsy mivoaka ny trano izy raha tsy karamaina 100 dôlara (65 euros). Na dia hoe hanolo takamoa fotsiny aza. Fa nahoana no lafo be toy izany ny zavatra rehetra?”
Araka ny nambaran'ity mpitoraka bilaogy ity ihany dia tsotra fotsiny yn valiny, vokatry ny ady namotika ny fampandrosoana tanatin'ny 30 taona.
“O atabalhoado processo de independência e a guerra acabaram com tudo. Primeiro, a independência. Em 1975, pelo menos 300 mil portugueses abandonaram Angola. Médicos, dentistas, advogados, empresários, encanadores, mecânicos, burocratas, professores. Em questão de meses, Angola ficou sem quadros. Não havia quem soubesse gerenciar as finanças do país. Depois a guerra. O esforço de guerra sugou o dinheiro que deveria ser investido na saúde, na educação, nas infra-estruturas do país. Agora multiplique essa situação por 30 anos. O resultado chama-se Luanda.
Com a alta no preço do petróleo nos últimos anos, os fretes subiram e por tabela, o de todos os produtos. Chegou-se a uma situação tal que mesmo os itens produzidos em Angola podem custar mais que os importados. Porquê? Os economistas que me corrijam, mas parece ter algo a ver com a tal lei da oferta e da procura. Quem quer agora, tem de pagar mais.”
O país não tem indústrias. Tudo é importado. Vem de navio. No porto, não há espaço. Os navios ficam dois, três meses atracados em alto-mar, aguardando autorização para descarregar. Só agora é que a agricultura começa a dar os primeiros passos. Mas só nas áreas em que não há minas terrestres. O último número que ouvi era de que mais da metade das terras cultiváveis do país estava cheia de minas. Enquanto o terreno não estiver limpo, nada feito. Portanto, até a comida precisar ser importada.
“Ny fitadiavana ny fahaleovan-tena nampian'ny ady no namotika ny zavatra rehetra. Ny fahaleovan-tena aloha. Tamin'ny 1975 dia 300 000 ny portugais nandao an'i Angola. Mpitsabo, mpitsabo nify, mpisolo vava, mpanao asa vaventy, mpanolo fantsona, mécaniciens, mpiasam-panjakana, mpampianatra. Tao aantin'ny volana vitsivitsy dia tsy nisy tompon' andraikitra intsony tany Angola. Tsy nisy olona nahay nitantana ny volan'ny firenena intsony. Avy eo indray ny ady. Notrohan'ny ady daholo ny vola tokony ho nampiasaina tamin'ny fahasalamana, na fampianarana, sy ny foto-drafitr'asa vaventy tany an-toerana. Ampitomboy 30 taona izany rehetra izany. Ny vokany no atao hoe Luanda.
Miaraka amin'ny fiakaran'ny vidin-tsolika tato anatin'ny taona vitsivitsy izay dia niakatra koa ny saran-dalana ary na dia tsy hita mivantana aza dia niakatra koa ny vidin-javatra. Efa tonga hatramin'ny hoe na dia ny vokatra vokarina any Angola aza efa lafo vidy noho ny nafarana avy any ivelany. Satria nahoana? Aoka hotsarain'ny manam-pahaizana ara-ekonomika aho, fa ataoko fa misy fiantraikany ny lalànan'ny tolotra sy ny tinady. Izay mila zavatra haingana dia tsy maintsy mandoa vola lafo.”
Tsy manana orinasa ny firenena. Afarana daholo ny zavatra rehetra. Tsy misy toerana any any amin'ny fiantsonan'ny sambo. Miandry 2 na 3 volana eny an-dranomasina ny sambo iray vao mahazo fahazoan-dalana hampidina entana. Amin'izao fotoana izao vao manomboka mandeha tsikelikely ny fambolena. Kanefa izany dia any amin'ireo faritra tsy misy vanja milevina ihany. Raha araka ny tarehimarika azoko farany dia fantatra fa ny antsasany mahery amin'ny tany azo ambolena no rakotry ny vanja milevina, tsy misy azo atao. Vokatr'izany, na dia ny sakafo hohanina aza dia hafarana avokoa”.
mitentina 600 KZ ($7 USD) ny henan'osy. Tweetpic an'i @bethinagava
Clara Onofre
Syria: Ny lahatsoratra tsara indrindra sa ny faran'izay ratsy e?
Iray amin'ireo takela-by any  Syria maneho ny Filoha Bashar al-Assad (sary an'i  jilliancyork)
Matetika ireo mpitoraka blaogy Siriana no manakiana lahatsoratry ny mpivahiny momba ny firenen-dry zareo - mazàna izy ireny no “stereotypical” loatra, indraindray moa dia diso tanteraka. Ary ho an'ny firenena izay tondroina ho  “nitoka-monina” ela, fara-faharatsiny avy any Etazonia, tena mankarary manokana ny saina ny mahita ny lahatsoratra toy izany ka asandratra ho toy ny zava-marina. Kanefa, nony nahatsikaritra lahatsoratra iray nivoaka tamin'ny National Geographic noheveriny fa “ny tsara indrindra amin'ny lahatsoratra miresaka an'i Syria tanatin'ireo folotaona farany,” i Sasa, Siriana mpitoraka blaogy be mpahalala , mpamahana ny blaogy Syria News Wire, dia  zavatra tsotra no azony nolazaina:
Ny tena Syria marina no  lazain'ity lahatsoratra ity. Mampibaribary ireo teboka maro  efa fantatry ny Siriana mikasika ny fireneny, saingy hodian'ireo mpanao gazety vahiny tsy hita (na dinganina), noho ny fahamaizan'izy ireny hanamafy fotsiny ny stereotypes-ny.
Tsy atao mahagaga, matetika ao anaty firenena voasamatsamaka, tsy ny olona rehetra no homba ny fandalinan'i Sasa ilay lahatsoratra.   Imad Moustapha, Masoivoho Siriana any Etazonia (sady mpitoraka blaogy rahateo) dia nandefa taratasy ho an'ny tonian-dahatsoratry ny  National Geographic izay nivoaka koa tao amin'ny  blaogy Syria Comment, miantso ny lahatsoratry ny  National Geographic ho  “fanehoana diso momba an'i Syria izay tany niaviako.” Tsy dia nanao fanamarihana loatra momba ilay lahatsoratra tao amin'ny Syria Comment i Joshua Landis, ny hafatra nalefany dia naharaisana  fanamarihana efa ho valopolo any ho any sy adihevitra mivaivay.
Ny mpametraka fanamarihana, Alex avy amin'ny Creative Syria dia nanakiana ilay lahatsoratry ny  National Geographic , amin'ny filazana hoe:
Tsy dia asiako olana loatra ny ankabeazan'izay voasoratra .. fa manana olana aho amin'ny fananako fahatsapana fa ny 90% amin'ilay lahatsoratra dia ny zavatra miiba no resahany … Tsy mieritreritra aho hoe Amerikana mpamaky iray no hanisy fisalasalàna hanafoana ny fialantsasatra efa nomaniny mialoha hatao any Syria. Iza no hahalatsa-kanina ao Bab Touma raha misy Siriana mahantra mitolona ho an'ny demaokrasia ampijaliana ao ambadiky ny varavaran'i Bab Touma ao?
Mpametraka fanamarihana hafa indray, Ghassan, nankafia ilay lahatsoratra:
tena mifototra amin'ny zava-misy ilay lahatsoratra, araka ny tokony ho izy, ary tsy iadian-kevitra. Manohana ny NG aho, ary ny fampitam-baovao sy fitenenana  malalaka izay tsy misy ao Syria.
Norman, dia nametraka fanamarihana ihany koa tamin'ny lahatsoratr'i  Landis, ka nanamarika fa:
Mahaliana ny hoe ahoana no tsy hiombon-kevitra amin'ity lahatsoratra ity  i Syria tia ny Siriana rehetra.
Mpitoraka blaogy maro  hafa ivelan'i Syria no nihetsi-po mafy tamin'ilay lahatsoratry ny  National Geographic. Evan Hill, manoratra ao amin'ny blaogy iraisana The Majlis, dia nahatsapa fa mametraka an'i Syria ho toy ny tavela aoriana (taraiky tsy maharaka toetr'andro) ilay lahatsoratra, ka manamarika fa:
Isika dia tavela miaraka amina Syria mihisatra, ara-toekarena sy ara-politika, amina toe-tsaina antitra be efa ho 40 taona be izao raha kely indrindra. Ny  Talen'ny orinasam-panjakana iray mpamboly hasy, manadino na manafina fotsiny izao ny fahalalàny ny loza rehetra manodidina ny tontolon'ny asa any an-toerana any, dia miondrikondrika be ihany sy toa sahirankirana rehefa nanontaniana raha toa nahazo ny tombontsoany hatramin'izay. Ireo eny amin'ny Anjerimanontolo sy ireo mafàna fo dia samy mbola raiki-tahotra amin'ny asan'ny sampam-pitsikilovana natsangan'ny rain'i Assad taona maro lasa izay mba hamotehana ny fanoherana rehefa tsy nandeha ny tetikady politikany.
Rehefa avy namaky  ny fanakianana rehetra, ny  Syria News Wire dia nanainga ireo mpamaky mba hamaky ny lahatsoratra fototra sy ny  fanakianan'i   Imad Moustapha alohan'ny handraisan'izy ireo fanapahan-kevitra.
Kazakhstan: Fifanoheran-kevitra ara-ekonomika, fanavakavahana araka ny maha-lahy na vavy ary ny fitotonganan'ny siansa
Manohy ny resaka momba ny fifandraisana ara-sosialy ireo mpitoraka blaogy any Kazakhstan. Tamin'ny herinandro lasa teo, ny adihevitra teto amin'ny aterineto dia nampiseho lohahevitra samihafa.
Ny mpitoraka blaogy Lord-Fame dia novangian'ireo tomponandraikitry ny hetra izay nanambara fa tsy ampy araka ny tokony ho izy ireo mpiasa ao amin'ny orinasany, ambanin'ny “salanisa ho an'ny orinasa” [ru]
Iza no tsisy saina nahita izany fitsipika izany? Hatraiza ny hadalanao ka hametrahanao ireo orinasa REHETRA ho anaty lasitra iray mitovy?
Mbola mikasika ny sehatra ara-ekonomika ihany, Thousand-pa dia tsy mahazo hoe nahoana, na dia teo aza ny filazana entin'ny fanjakana, no nolavin'ireo tomponandraikitra ny volavolan-kevitra mikasika ny hanondrotana ny karaman'ireo mpiasan'ny fikambanana izay vatsin'ny fanjakana vola [ru]:
Inona no antony ilazana fa tapitra ny krizy raha toa ka afaka iray volana aty aoriana dia ho mbola io krizy teo aloha io ihany no teti-dratsy ampiasaina mba hahafahana miverina amin'ny fampanantenana taloha?
D-lov dia miahiahy ny tsy fahampian'ny ady hevitra ao Kazakhstan mikasika ny fanararaotana ara-nofo any  ampiasana [ru]:
Eto ireo vehivavy dia manaiky ny fanjakan'ny lehilahy amin'ny sehatra rehetra sy amin'ny endriny rehetra , izay hita taratra eny amin'ny firenena Aziatika efa mba mandroso. Ny miara-mandry amin'ny lehibe dia voninahitra ho azy ireo. Raha misy vehivavy mahasarika ny maso nefa tsy manam-pikasana hisarika ny hafa amin'ny filàna, ary,  fanampin'izay, mbola vehivavy mahira-tsaina eo amin'ny asany, dia lasa  “mpifaninana”, na “mpilalao mampidi-doza” , lasa “vehivavy tsy maha-te ho tia” , sns.
Megakhuimyak dia matahotra momba ny kalitaon'ny fikarohana ara-tsiantifika sy ara-panabeazana ao Kazakhstan [ru]:
Ny famakafakana ny tantaran'ny siansa any Kazakhstan dia nampiseho fa ny mpitarika antsika izay tsy mety aongana dia avy amin'ny siansa voajanahary: mpahalala momba ny vohontany, injenieran'ny harena ankibon'ny tany, ary ireo manampahaizana momba ny zava-manan'aina rehetra. Tsy manana siantifika afaka mantanteraka asa amina sehatra toy izany intsony ny firenena – ary, raha ny fandehan'ny fampianarantsika amin'izao, dia mety tsy hanana intsony tahaka azy ireo mihitsy isika.
pycm mamintina ny zava-mitranga amina hainteny manesoeso [ru]:
Ny hevitra mifanohitra dia ny hoe  tsy manana kolontsaina mihitsy ny firenena, nefa manana Minisitry ny kolotsaina. Amin'ny lafiny iray, hita na aiza na aiza ny kolikoly, nefa tsy misy Minisitry ny kolikoly.
Hita ihany koa ao amin'ny neweurasia (nadikan'i Andrey)
Ireo mpitoraka blaogy any Kazakhstan dia manohy mikatsaka hatrany ny loha-hevitra mikasika ny tombon-tsoa ara-tsosialy tamin'ny herin'andro lasa teo, ny ady hevitra (online) dia nampiseho loha-hevitra samihafa.
Ny mpitoraka blaogy Lord-Fame dia novangian'ireo tompon'andraikitry ny hetra izay nilaza fa tsy ampy intsony ny mpiasa ao amin'ny orin'asany, vitsy no ny “sehatra indostrialy antonontonony”[ru]
Iza no tsisy saina nahita izany fitsipika izany? Amin’ny fomba adaladala ahoana no hanerena ireo orin’asan’ny sehatra indostrialy hitovy lenta aminy ?
Mbola mikasika ny sehatra ara-ekonomika ihany, Thousand-pa dia tsy mahazo hoe ahoana, na dia eo aza ny filazana entin'ny fanjakana, nolavon'ireo tompon'andraikitra ny volavolan-kevitra mikasika ny hanondrotana ny karaman'ireo mpiasan'ny fikambanana izay vatsin'izy ireo vola [ru]:
Inona no antony hilazana fa tapitra y krizy raha toa ka afaka iray volana aty aoriana dia ho mbola io krizy teo aloha io ihany no teti-dratsy ampiasaina mba hahafahana miverina amin'ny fampanantenana teo aloha?
D-lov dia miahiahy ny tsy fahampian'ny ady hevitra ao Kazakhstan mikasika ny fanolanana ao anatin'ny sehatr'asa [ru]:
Eto dia manaiky ny fananan'ny lehilahy lanjany kokoa no izy ireo na ara-kilasy na ara-endrika ireo vehivavy, izay hita taratra any amin'ny firenena Asiatika efa mandroso. Mandry miaraka amin'ny lehibe dia voninahitra ho azy ireo. Raha misy vehivavy mahasarika ny maso nefa tsy manam-pikasana hisarika ny hafa amin'ny filàna, ary, fanampin'izay koa, mbola vehivavy mahiratsaina tsara eo amin'ny asany, dia lasa “mpifaninana,” na “mpilalao mampidi-doza,” na lasa “vehivav ts maha-te ho tia,” sns.
Megakhuimyak dia miahiahy momba ny kalitaon'ny fikarohana ara-tsiantifika sy fampianarana ao Kazakhstan [ru]:
Ny famakafakana ny tantaran'ny siansa ao Kazakhstan dia mampiseho fa ny mpitarika antsika izay tsy azo aogana dia avy amin'ny siansa voajanahary: geologists, mining engineers, biologists. The country no longer has scientists who could perform work on a comparable level – and, given the quality of our education, we will never have them again.
pycm
a href=”http://pycm.livejournal.com/422260.html”>summarizes the situation with a sarcastic aphorism [ru]:
The paradox is that the country has no culture, yet it has a Ministry of Culture. On the other hand, there is corruption everywhere, yet there is no Ministry of Corruption.
Also posted on neweurasia (translated by Andrey)
ara-indostrialy antonontonony.
Japana: ravan'ny antontan'isa farany ny anganon'ny fandrosoana
Japoney iray amin'ny enina no miaina ao anatin'ny fahantrana araka ny tatitra [teny anglisy] navoakan'ny minisiteran'ny raharaha sosialy. Araka ny antontan'isa navoakan'ny OCDE [en], dia manana ny iray amin'ny tahan'ny fahantrana ambony indrindra amin'ny tany mandroso i Japana ka fahaefatra aorian'i Meksika, Torkia ary i Etazonia.
Tao amin'ny Flickr id: Ushio Shugo
Efa navoitran'ny sekretera jeneralin'ny sampan-draharahan'ny ady amin'ny fahantrana  (反貧困 Han Hinkon) [ja] Makoto Yuasa ny olana mikasika ity fahantrana ity tamin'izao fomba fitenenana manaraka izao[en]:
Hatramin'ny iakaran'ny fiharian-karena niatomboka tamin'ny taompolo 1960 no nametrahan'i Japana ny angano fa sarangan'olona antenantenany avokoa ny Japoney rehetra. Ny  fomba fiasan'ny Japoney, fototr'izany angano izany anefa dia niova noho ny fitomboan'ny asa tsy manara-penitra sy ny singa maro samihafa, ka dia nitombo isa ny Japoney niaina tao anaty fahantrana.
Tsy vaovao mihitsy anefa, raha jerena ny adihevitra any amin'ny bolongana, ny elanelana misy eo amin'ny lafiny fidiram-bola any Japana. Raha vao vaky ny balônina ekonomika tamin'ny fiandohan'ny taompolo 90 dia niseho ny fahalemen'ny rafitra Japoney ary hatramin'izay fotoana izay no nilazan'ny manampahaizana maro fa tsy mbola tafarina ry zareo hatramin'ny fitotongan'ny toe-karena.
Ysaki nanoso-kevitra fa efa nisy hatramin'ny ela ity olana ity saingy maro ny Japoney no nieritreritra azy ho olan'ny hafa.
この記事を最初に見た時に、私は部落問題に近いな、と感じたんです。それは、私たちの隣に確実にその問題があるのに、知らないふりをする。見ない振りをし、無関係を装ってきた。
Rehefa namaky ny vaovao aho, nahatsapa ny olana ho mifanahaka tanteraka amin'ny an'ireo vondrona voavakavaka eto Japana aho.
Nefa tena misy mihitsy ny olana sady efa tena manakaiky dia akaiky antsika na dia odian-tsy hita aza, mandresy lahatra ao anaty ao isika fa tsy misy idirantsika izany.
Miyabi-tale mihevitra fa manana tantara lava ity lohahevitra ity ary tsy maintsy misy ifandraisany amin'ny tsy fihontsonan'ny politika.
驚くべきは、この数字が今年ではなくて数年前のデータでさえすでに7人に1人いるという事実で、リーマンショック以降の世 界恐慌の不景気のあとでは今現在では少なく見ても5人に1人はそれくらいの値になっていると考えられることである。自民政権下では、公式発表的に「日本に 貧困はない」「一億総中流家庭」なんていうキャッチコピーもあったわけだが、現実はまったくそうでないということが改めて浮き彫りにされたわけである。
Ny manaitra dia ny filazan'ny antontan'isa roa taona lasa izay fa olona iray amin'ny fito no miaina ao anaty fahantrana. Dia mbola misy ny sasany mihevitra izany ho mbola tsara ihany satria nisy ny fitotongana lalina nianjady tamin'izao tontolo izao noho ny fintraikan'ny nahabankirompotra ny Lehman Brothers, mba ny iray amin'ny olona dimy ihany aza no mahantra.
Nandritra ny fitondran'ny LPD, no nampisaina ny fomba fiteny toy ny ‘Tsy misy fahantrana eto Japana' sy ny ‘mitotaly zato tapitrisa ny ankohonana ao amin'ny saranga antenantenany' saingy miharihary indray fa lavitry ny marina izany.
Flickr id: caribb
Misy kosa ireo misafidy ny hijery amin'ny lafiny hafa.
Ukkii ohatra manantena fa hamerina any amin'ny fahatanjahan'ny fanahy nampalaza ny mponina Japoney indray izao fotoana maizina andalovana eo amin'ny tantaran'i Japana eo amin'ny lafiny sosialy sy toe-karena izao.
し・か・し
国の景気が良くなるまでこのままでいいのだろうか
貧しかった戦後の日本国民は、みな必死で頑張ってここまでよくなってきています
あの時代のハングリー精神があればきっと国を変えれなくとも企業の生き残りは可能だと思います
私は一社員でありますが社長のような視点で物事を考えていくことを目標としています
視野を広げればいろんなことに発見や改善が見えてくるからです
ハングリー精神なんて言葉、現代では死語なのかもしれませんが
僕はこの言葉を提唱していきたいと思います
SAINGY
Avela handeha tahaka izao fotsiny ve izy ity mandrapahazoan'ny toe-karen'ny firenena aina indray?
Fony nahantra ny Japoney taorian'ny ady, dia niezaka nanao ny tsara indrindra araka izay tratry ny ainy tsy nisy fisalasalana mba hanatsara ny toe-draharaha tahaka ny iainantsika amin'izao fotoana izao.
Raha mba manana ny HETAHETAM-PANAHY tahaka ny tamin'izany fotoana izany isika dia matoky aho fa na dia tsy mahaova ny firenena ao anatin'ny indray mipi-maso aza, dia mbola azo heverina hatrany ny hampatanjaka ny orinasantsika sy haha-tsy mena-mitaha azy anaty fifaninanana.
mpiasa tsotra aho saingy miezaka ny hanana fomba fijerina PDG satria raha mitsinjo lavitra isika, maro ny zava-karohina sy ezaka mbola tratrarina, izay azo ampiharina amin'ny zavatra maro.
Efa adino angamba izany andian-teny hoe ‘hetahetam-panahy' izany saingy mbola tiako apetraka indray.
Scilla Alecci
Goadelopa: Andron'ny rano
Any amin'ny nosy miteny frantsay any Karaiba, nosin'i Goadelopa, manana anaram-bositra manao hoe “Nosin'ny rano tsara” koa, dia iankinan'ny ain-dehibe ny rano. Tena zava-dehibe satria izy no mamaritra ny toetr'andro any an-toerana, na izany amin'ny alalan'ny tsy fahitana azy na izany amin'ny alalan'ny fahatondrahany: ny “Karemy” fotoanan'ny maintany izay maharitra 6 volana sy ny “Hivernage” fotoanan'ny rivo-mahery sy ny orana maharitra 4 volana. Tsy azo lavina fa ny mponina any an-toerana dia tsy mionona fotsiny amin'ny fahitany rano fa indrindra koa amin'ny kalitaon'ity zava-tsarobidy ity.
Izany indrindra no antony, 46 taona lasa izay, nitsanganan'ny fikambanana Syndicat Intercommunal de l'Alimentation en Eau et d'Assainissement de la Guadeloupe [Fr] (Fikambanan'ny faritra amin'ny famatsiana rano any Goadelopa). Tany am-piandohana dia namatsy rano tanàna 3 izy ary amin'izao fotoana izao kosa dia tanàna 13 amin'ireo 36 any an-toerana no iasany. Ankehitriny anefa dia misedra olana maro ny fikambanana, olana ara-teknika sy ara-tontolo iainana, ary mikarakara ny Andron'ny Rano any Gadelopa izy efa 8 taona izao hahazoany mizara ny heviny sy ny tanjony amin'ireo manam-pahaizana sy olon-tsotra maro. Ilay mpitoraka bilaogy JarryCafé [Fr] izay maneho manokana ny fiainana andavanandron'ny mponina any Jarry, renivohitra ekonomika any Goadelopa, no nivoy ny famelabelaran-kevitra hatao mandritra ny 5 andro:
Du 13 au 17 octobre venez vous informer au WTC de Jarry sur les problématiques environnementales de l’eau et ses enjeux dans les années à venir.
Ny 13 hatramin'ny 17 oktobra, tongava mihaino ny olana ara-tontolo iainan'ny rano sy ny vokatr'izany amin'ny ho avy hatao ao amin'ny WTC ao Jarry.
Tsy azo lavina fa misy ny voka-dratsy maro, ka ny bilagoy Indiscrétions any Goadelopa no miresaka ny lohahevitra napetraky ny filohan'ny sindika, toy ny fahasimban'ny rian-drano sy ny fanadiovana rano, ny fandaniana fahatany ny rano sy ny fomba hitehirizana azy hitsinjovana ny maintany. Eo ankilan'izany rehetra izany dia efa ho taona maro izao no efa nanintona ny sain'ny mponina any Goadelopa ny fahasimban'ny tontolo iainana, ny krizin'ny chlordécone, ary mitatitra ny fanambarana am-pahamalinana nataon'ny filoha ny bilaogy Indiscrétions[Fr]:
Il y a eu des générations d'agriculteurs qui ont utilisé des produits phytosanitaires qui ont pollué les nappes d'eau, surtout en Basse-Terre. On dit qu'il y a des eaux polluées…
Taranaka mpamboly nifandimby no nampiasa zavatra nandoto ny rano, indrindra tany Basse-Terre. Voalaza fa voaloto ny rano…
GaïaSoleil koa no milaza fa ny fandotoana ny rano amin'ny chlordécone dia horesahana mandritra ity famelabelaran-kevitra ity, ankoatry ny lohahevitra hafa[Fr]:
Le problème de la pollution de rivières à la chlordécone est certes dans toutes les têtes lors de ces journées. Cette catastrophe écologique n’est qu’un aspect de la pollution générale des milieux aquatiques : d’autres produits phytosanitaires et d’autres pollutions, dont celles pouvant être occasionnés par les déchets ou les vidanges sauvages sont en cause.
Ao an-dohan'ny rehetra ny olana mikasika ny fandotoana ny rano amin'ny chlordécone mandritra ireo andro ireo. Ity fahasimban'ny tontolo iainana ity dia fisehon'ny fahalotoana ankapoben'ny rano rehetra: zavatra hafa sy fandotoana hafa, izay avy amin'ny fako sy ny fanadiovana tsy am-piheverana no manahtonga ny sasan.
Domactu koa dia milaza mikasika ity fotoana ity ary nanipika manokana ny fiarah-mientan'ny faritra ao amin'ny lohahevirty ny famelabelarana hoe: “Rano: tena ilaina, fahamarinana ary firaisan-kina aty Karaiba”. Manindry mafy koa i GaïaSoleil ary manolotra ireo vahiny nasaina sy ny andraikiny avy mandritra ity famelabelarana ity[Fr]:
…les intervenants de Cuba, de République Dominicaine, d’Haïti ont eu l’occasion d’exposer les problématiques de l’eau sur leurs territoires et les solutions qu’ils ont choisies.
…Ny mpandray anjara avy any Kioba, Repoblika Dominikana, sy Haïti dia hanana fotoana hamelabelarana ny olan'ny rano any aminy sy ny vahaolana nentin'izy ireo niatrika izany.
Ity teny farany nataon'ny Indiscrétions ity no tena zava-dehibe ka nahatonga ny mponina any Goadelopa hieritreritra momba ny ranony ka nizara izany tamin'ireo mponina manodidina azy any Karaiba: ny fitokana-monina sy ny tsy fisian'ny fiaraha-miasan'ny faritra[Fr]:
…Je vous parlais de l'eau de la Dominique pour irriguer Marie-Galante. J'ai vu, à Santo Domingo, une station d'épuration qui fonctionne parfaitement, qui coûte moins cher à la construction que tout ce que nous avons. Il faut regarder ce qui se fait autour de no
Porto Rico: Vonona ho amin'ilay fitokonana nasionaly
Eo am-piomanana amin'ny fitokonana nasionaly hatao amin'ny Alakamisy 15 Oktobra i Porto Rico. Nanomboka tamin'ny  nandroahan'ny governora Luis Fortuño mpiasan'ny governemanta tokony ho 17 000 teo ny herinandro voalohan'ny Oktobra, dia nisy fanentanana goavana avy amin'ireo sehatra samihafa amin'ny fiaraha-monina sivily: mpiasa sy mpikambana amina sendika, vehivavy, mpandàla ny tontolo iainana, mpianatra, ary profesora, sy ny sisa. Nisy fanehoan-kevitra sy hetsika maneho tsy fankatoavan'ny sivily mba hanoherana ireo politika ara-toekarena  nolazain'ny governemanta fa ilaina noho ny krizy ara-bola. Raha atambatra ny amin'ity taona ity, efa nandroaka teo amin'ny mpiasam-panjakana 25 000 teo ilay  governemanta voafidy farany teo io.
Tato anatin'ny volana vitsivitsy izao dia mitombo ny disadisa eo amin'ny governemanta sy ireo vondrom-piaraha-monina sivily samihafa: baiko fandroahana any amin'ireo fiaraha-monina sahirana ara-tsosialy sy toekarena, herisetran'ny manam-pahefana, ary ny fandravana ireo fandraisana andraikitra ara-piaraha-monina tahaka ilay Fideicomiso del Caño Martín Peña. Nanampy trotraka izany koa ny karazana kabary ofisialy nataon'ny governemanta izay voasokajy ho manafintohina sy feno faharatsiam-panahy, toy ilay fiteny mampalahelo malaza amin'izao fotoana izao hoe  “fiainana izany”, ary vao haingana, tamin'ny fampitoviana ireo mpanao fihetsiketsehana amin'ny mpampihorohoro, nataon'i Marcos Rodríguez Ema, Chief of Staff notendren'ny governora. Izay no fototry ny fitokonana nasionaly amin'ny Alakamisy. Ho valin'izany kabary izany, i Tito Otero dia namoaka horonantsary mampiseho ankizilahy kely mitendry lokanga  manoloana ny Kongresy. Toy izao no rentsika lazain'ilay ankizilahy: “Tsy mpampihorohoro aho. Mino ny fahamarinana ho an'ny fireneko aho.”
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/2uZjqwLhULs&hl=en&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/2uZjqwLhULs&hl=en&fs=1&" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Eo am-piomanana amin'ilay fitokonana izay mikendry ny hampikatso ny firenena mandritry ny andro iray ireo mpitoraka blaogy sy mpampiasa twitter. Ao amin'ny Cargas and descargas [ES] Edwin Vázquez dia niantso ireo mpitoraka blaogy sy olon-tsotra mba hampiasa Twitter sy Facebook hampitàna vaovao amin'ny andron'ilay fitokonana. Efa manontany ireo mpamaky azy sahady ny olon'ny @caribnews momba ireo soso-kevitra amin'ny ‘hashtag', ary efa nanomboka ny resaka tao amin'ny #twittericans.
Inde: Onjan'ny famonoan-tena ao amin'ny tantsaha
Faharoa eran-tany i Inde amin'ny firenena be mponina indrindra miaraka amin'ny olona 1.2 lavitrisa ary mipetraka any ambanivohitra ny 70% amin'ireo mponiny. Mihoatra ny  Indiana 456 tapitrisa  (42% amin'ny mponina) no latsaka ambanin'ny $1.25 isan'andro tsipiky ny fahantrana maneran-tany . Na dia 28% amin'ny GDP isan'andro aza ny sehatry ny fambolena, ampahany betsaka amin'ny olona no ao anatin'ity sehatra ity na izany tantsaha na any amin'ny raharaha hafa. Indrisy anefa fa nisy aretim-be nahazo ny tantsaha Indiana. Nihanahazo vahana tsikelikely teo amin'ny tantsaha ny fandraisana fepetra hentitra toy ny manala ny ainy faobe mba hialana amin'ny tsindry mafin'ny trosa sy ny fahantrana ary nanomboka nitranga   tsikelikely izany isan-taona .
Nampahafantatra i Devinder Sharma, mpandalina nyara-tsakafo sy ny politika ara-barotra any Inde ao amin'ny blaogy Ground Reality, hoe:
tantsaha 60 no namono tena ny volana Jolay (2009). Tamin'ny 10Aogositra,16 hafa no nanala ny ainy. Miseho foana izany zava-maha-valalanina  izany any ambanivohitra na dia eo aza ny hamaroan'ny komity, ary manamafy hatrany ny hamaroan'ny famonoan'olona ny fepetra noraisina izay asehon'ny mpanao politika sy ny manam-pahaizana eo an-tanàna. Ny tena loza dia tsy misy olona mirotsaka mijery ny tena antony mahatonga ny tsy fisian'ny fiafaran'ity hirifirin'olombelona ity.
Ary fa maninona no mamono tena ireo tantsaha ireo? Manazava , i Nita J. Kulkarni mpanao gazety mahaleotena ao amin'ny blaoginy Ny fahitana an'i Inde amin'ny zoro lehibe [A Wide Angle View of India]:
Nidi-trosa ny tantsaha noho ny fitambaran'ny fidangan'ny saram-pitrandrahana, ny masomboly hibrida lafo loatra (lazaina fa ahazoana vokatra betsaka) sy ny fanafody famonoana voalavo amidin'ireo orinasa lehibe maneran-tany, sy ny hamoran'ny vokatr'izy ireo, nateraky ny fanafarana entana. Nanampy trotraka ny fahorian'izy ireo ihany koa ny haintany. Lafo loatra ho an'ny tantsaha ny fitarihan-drano nefa ny  governemantam-panjakana tsy manampy.
Mitantara ny tsy fetezan'ny fandrindrana asa vonjytaitran'ny governemanta  ny mpampiasa blaogy Indiana S Gupta .
i Sonia Faleiro, mpanao gazety nahazo loka sady mpanoratra avy any Inde  manazava hoe ahoana no naharaikitra ny mpamboly landihazo any amin'ny faritry Vidarbha ao amin'ny fanjakan'i Maharashtra amin'ity honahonan'ny trosa ity rehefa tsy misy fanampiana avy amin'ny fanjakana.
Voly iray tojo aretina ohatra, na hadisoana teo amin'ny fividianana masomboly ratsy dia manosika hindrana vola. Dimy isan-jaton'ny tantsaha ihany no afaka miditra amin'ny fampindramam-bola avy amin'ny kaoperativa sy ny banky, matetika noho ireo antony ireo. Ny ambiny dia tsy maintsy miditra amin'ny mpampanjana-bola tsy miankina, izay matetika mpampindrana masiaka ka maka zanany eo amin'ny Rs 500 isaky ny efa-bolana amin'ny vola Rs 1,000 indramina.
Manomboka tsy zaka intsony ny vesatry ny trosa, mamono tena ny tantsaha raha vao misy tsy fihetezana kely avy amin'ny zava-boahary.
http://www.flickr.com/photos/chinogypsie/ / CC BY 2.0
Nanoratra i Vikasho ao amin'ny blaogin'ny Associación Prabhat, fikambanana tsy mitady tombony voarakitra any Espàna sy Inde miasa mba hampiely sy hanampy ny ezaka fampandrosoana ny vondrom-piarahamonina any amin'ireo toerana lavitra andriana any Inde. Tohina izy noho ny tsy fihetsehan'ny governemanta sy ny tsy fahampian'ny firaharahian'ny hafa:
Raha te hamaha ny olan'ny tantsaha ny governemanta, maninona no tsy nomena fanampiana manokana izy ireo tao aorian'ny haintany na ny tondra-drano ( matetika mihitsy any Bihar ). Maninona no lavina ny tantsaha any amin'ny faritra maro amin'ny firenena eny fa na ny zo ara-dalàna hanao findramam-bola amin'ny banky misahana varotra aza… Maninona no tsy msy olona miresaka ny tsy fahampiana ara-tsakafo sy ny hanoanana any amin'ny faritra maro any Inde (mipetraka amina faritra vitsivitsy any Inde ny 25% n'ny  mahantra sy noana eran-tany) ?
Maninona no tsy misy vaovao mikasika ny famonoan-tena misoko miadana eo amin'ny tantsaha izay mitranga matetika any amin'ny faritr'i Inde?
Eritreretiko mihitsy hoe sahirana amin'ny fivoarana ara-toe-karena i Inde  ary te-hiaina fotsiny anaty nofinofy hoe efa manakaiky ny tontolo mivoatra (ary tsy misy izany 25% n'ny mahantra eran-tany izany mipetraka any Inde).
i Harini Calamur ,  mpamokatra horonantsary Indiana, mpampianatra, mpanoratra sady mpitoraka blaogy dia  naneho hoe ahoana no tsy ahalalàn'ny haino aman-jery ny ratran'ny tantsaha mitondra azy ireo any amin'ny famonoan-tena, raha oharina amin'ny hamaroan'ny rako-baovao mahakasika ireo olo-malaza:
Ny andro nitazonana an'i Shahrukh Khan nandritry ny adin'ny roa [..] tantsaha 21 no namono tena tany Andhra Pradesh satria tsy afaka nanefa ny trosany .
Kanefa tsy afaka tohanana ny famonoan-tenan'ireo tantsaha, tsy mampitombo ny TRP izany ary tena tsy fotoanany velively hiatrehana resaka mamaivay ho an'ireo antsointsika hoe ‘mpanao gazety'.
i Himanshu Rai , manampahaizana amin'ny informatika sady mpampiasa blaogy, dia manasongadina ihany koa   ny fanatsongatsongan'ny Indiana ny olan-dry zareo:
Nitarika fahabangana lehibe eo amin'ny modelin'ny fivoarana ny fitombon'ny elanelana eo amin'ny sehatra an-tanàn-dehibe sy ny any ambanivohitra. Ny tena mahatsikaiky dia tsy misy olona miraharaha ny mahantra mihitsy na ny filàna fiovana marina.
Ny olona manana fari-piainana antonony, izay latsaky ny 5%n'ny mponina, no mahazo fanrakofana mediatika mihoam-pampana. Ny fampiatoana mpiasa any amin'ny orainasa fitaterana an'habakabaka no mavesa-danja kokoa noho ny famonoan-tena faobe ataon'ny tantsaha eto amin'ny firenentsika
Tatitra farany avy amin'ny Navdanya Trust, vondrona fampielezan-kevitra Indiana, hoe “ maro kokoa amin'izao fotoana izao ny olona noana any Inde noho ny any Afrika Atsimon'i Sahara. Ary ny olona tena faran'izay noana ao dia ny mpamokatra - ny tantsaha”.
Nanohitra ireo tantsaha. Nefa ny hany fitaovan'izy ireo dia ny famonoan-tena. Efa-taona aty aorian'ny haintany, tantsaha 5,000  any amin'ny fanjakan'i Inde ao Jharkhand no  nanao sonia ny dinan'ny famonoan-tena ary mitaraina fa tsy nanao dingana iray akory ny governemanta mba hampivoatra ny toe-piainany.
Nanakiana izany ny filozofa Indiana i Vandana Shiva, mafana fo mpiaro tontolo iainana, mpahay toe-karena mpiaro ny vehivavy ary mpanoratra,  amin'ny lafiratsin'ny toe-karena eo amin'ny sehatry ny fambolena sy ny fanatontoloana. Na izany aza, miaraka amin'ny tahan'ny tsy fisian'ny asa mihoatra ny 7% , tsy afaka ny hahita asa mba hivelomana mihitsy ny tantsaha.
Maneho ny ratran'ny tantsaha Indiana ny Mitti, fanadihadiana fohy novokarin'ny mpanao horonantsary tsy matihanina,  Vibhu Mohunta sy  Ashish Dhadade.
Mpanao gazety indiana iray miompana amin'ny fandrosoana iray nahazo ny loka, i P. Sainath tao amin'ny Counterpunch no  maneho fa mirongatra izay tsy izy ny fahantrana sy hanoanana eo anivon'ireo tantsaha Indiana:
Mpividy mivantana ny voan-tsakafo ny tantsaha Indiana an-tapitrisany kely sy madinika. Tsy mahavita mamokatra betsaka ampy hahavelona ny fianakaviany ry zareo ary mila miasa amin'ny tanin'ny hafa sy any an-toeran-kafa mba hamenoana ny banga. Tena tohana mafy amin'ny halafon'ny vidin'ny sakafo izy ireo noho izy ireo tsy maintsy mividy ny masomboly  ilainy eny an-tsena, toy ny niseho tamin'ny 1991, ary indrindra ny tamin'ny voalohandohan'ity taona ity. Tena zava-misy marina ny hanoanana eo anivon'ireo mpamokatra ny sakafo. Fanampin'izany, nidina tsy misy hoatr'izany ny  “masonkarena isam-batan'olona” eo amin'ny voan-tsakafo teo amin'ny tantsaha Indiana vantany vao nanomboka ny  “fanovàna” : nanomboka 510 grama isaky ny Indiana tamin'ny 1991, lasa 422 grama tamin'ny 2005. (tsy fatiantoka 88 grama izany. Fatiantoka 88 ampitomboina 365 ary avy eo amin'ny Indiana iray lavitrisa.) Nasongadin'i prof. Utsa Patnaik, manam-pahaizana ara-toe-karena eo amin'ny fambolena fa eo amin'ny latsaky ny 100 kg ny salan'isa isam-pianakaviana mahantra amin'izao fotoana izao raha oharina amin'ny tamin'ny folo taona lasa.
Hitohy hijaly foana ny tantsaha Indiana mahantra raha mbola misy ny tsy fahatomombanana eo amin'ny fitantanana ny rano madio, hoy ny fanazavan'i Suvrata Kher manam-pahaizana momba ny tany. Manampy trotraka ny fahantran'izy ireo ihany koa ny tsy fisian'ny findramam-bola mora sy malalaka toy ny findramam-bola antonony sy ny tsy fisian'ny safidy amin'ny masomboly na ny tranga mety hahazoana tombony. Miraikitra amin'ny kodiaran'ny fahantrana sy ny loza voajanahary toy ny haintany izy ireo izay mandetika azy anaty lozoka. Mihevitra i Sanjeev Sanyal,  mpahay ara-teo-karena sy ara-tontolo iainana,  fa mila mihevitra ifotony ny sehatra ara-pambolena i Inde  hampitsaharana an'ireo fahafatesanaireo.
Karaiba: Vitan'i Bolt indray letia a!
Medaily volamena  Olaimpika sy fitazonana ny zava-bita vaovao manerantany eo amin'ny hazakazaka 100 metatra sy 200 metatra no vitan'ilay Jamaikana Usain Bolt, ary tao anatin'ny fandresena nahoraka  sy  nahavalalanina no nahavitany izany tamin'ny faran'ny herinandro nandritra ny fiadiana tompondaka manerantany IAAF notontosaina tany Berlin,  tafiditra 9.58 segondra nanamontsana ny zava-bitany tsara indrindra.  Mientanentana ny mpamaham-bolongana any amin'ny faritra, indrindra ny any Jamaika…
Tsy menatra i Life, Unscripted, on the Rock niteny:
Mi glad bag buss!
BIG UP, Bolt and Asafa. Lightning Bolt scorched, and Asafa [Powell, who took home the bronze for Jamaica in a time of 9.84] showed us what he’s made of.
Congratulations are also due to all the Caribbean participants on a job well done.
Voan-dalana masaka mahafeno harona leitsy!ITY ‘TY IZY, ry Bolt sy Asafa. Nasehon'ilay mitselatra Bolt sy Asafa[powell zay nahazoan'i Jamaika ny medaily alimo tao anatin'ny 9.84] antsika indray  hoe  iza moa izy.
Arahabaina ihany koa ny Karaibiana rehetra nandray anjara nahavita zava-dehibe.
Niresaka momba ilay fandresena ny Abeng News Magazine:
Usain Bolt’s sizzling 9.58 sec world record 100 meters run on Sunday gave Jamaicans one more reason to celebrate, despite the tough economic times facing the island.
Nanome fomba iray hafa hifalian'ny Jamaikana indray tamin'ny alahady ny nahazoan'i Usain Bolt tao anatin'ny 9.58 segondra ny hzakazaka 100 metatra, na dia eo aza ny fahasarotana ara-toe-karena mahazo ny nosy.
Tsy very anjavony ihany koa ny dikan'ity zava-bita ity aho an'ny The Phoenix in a Gas House:
One day Usain Bolt is going to do something that a normal human being might do. He'll spill his tea, or drop his chicken nuggets, or trip over his shoelaces.
One day. For now, he astonishes and astounds with everything he does.
Almost exactly 73 years ago in this Olympiastadion, Jesse Owens produced an athletic performance that made sporting history. Before Sunday night, it seemed impossible that anyone could ever match those deeds.
That was before 9.58 seconds. That was before Usain landed.
The greatest 100m in history? Surely. The greatest sprinter ever? Unquestionably.
Vitan'i Usain Bolt indray andro ny tokony ho vitan'ny zanak'olombelona tsotra. Handraraka ny dite-ny izy, na misy poti-kenan'akoho avy aminy, na ho voafingan'ny tadi-kirarony izy.Indray andro. Manomboka izao dia hahagaga sy hahatalanjona izay rehetra ataony.
Saiky 73 taona lasa katroka izao teo amin'io Olympiastadion io ihany i Jesse Owens no nahavita hazakazaka izay noraiketin'ny tantaran'ny fanatanjahantena. Talohan'ny alahady alina, dia noheverina fa tsy ho vitan'olombelona mihitsy ny vokatra tahaka izao.
Talohan'ny 9.58 segondra izany. Talohan'ny nahatongavan'i Usain izany.
Hazakazaka 100m halaza indrindra eo amin'ny tantara ve? Mihitsy. Mpihazakazaka faingana indrindra hatramin'izay? Tsy azo iadian-kevitra izany.
Mbola mangovitry ny hagagana sy ny hafaliana hatrany i Girl With a Purpose, - nanampy i Stunner's Afflictions:
Once again the man dubbed the fastest man on earth has proven why he got that title and in fine style.
Mbola noporofoin'ity lehilahy heverina ho faingam-pihazakazaka eto an-tany ity indray hoe nahoana izy no nahazo ny amboara tamin'ny endrika meva.
Nanome lanja azy ity ihany koa ny mpamaham-bolongana avy any Trinidad and Tobago. Nolazain'i  Trinidad and Tobago News Blog ho “mahagaga” ity fandresena ity ary hoy ny ttgapers.com:
Usain Bolt proved again he races in a world all his own.
Noporofoin'i Usain Bolt indray fa mihazakazaka eto an-tany araka izay tratry ny heriny izy.
Ny hajia nampiasaina tamin'ity lahatsoratra ity, “Puma press ad in honour of Usain Bolt's world records at Beijing”, dia avy amin'i teemus, arovana araka ny dinan'ny Creative Commons.  tsidiho teemus' flickr photostream.
Janine Mendes-Franco
Kioba: Ny Maleconazo
Feno sahoan-dresaka momba ny hoe ahoana no hamahana ireo olana mampisavoritaka ny nosy amin'izao fotoana izao  ireo blaogy Kiobana, hatramin'ny hoe ahoana no fiantraikan'ny tranga tahakahaka izao eo amin'i Kioba 15 taona tany aloha tany. Ny 5  Aogositra dia manamarika ny tsingerintaona faha-15n-n'ny fitraorana lehibe indrindra natrehin'ny governemanta revolisioneran'i Castro hatramin'ny taona voalohany nandresen'ny  revolisiona. Ny Maleconazo, araka ny nahafantarana azy, dia nitranga ny  1994 tany amin'ny lalàm-be malaza manamorona ny ranomasina ao Havana, akaikin'ny seranana fiantsonan'ny sambo mpitatitra entana [ferry] mankany  Regla.
Eto, anjatony ireo nidina an-dalàmbe raha vao nandre fa hoe navily làlana ireo sambo mpitatitra entana ary dia mitodi-doha ho any Etazonia. Niaraka tamin'ny firodanan'ny  Firaisana Sovietika, nitsahatra ny fanampiana avy amin'ny firenena matanjaka iray, niteraka fitotonganana goavana ho an'ny toekarem-pirenen'i Kioba . Lasa ratsy be tokoa ny ara-ekonomika, miharo fahatapahan'ny herinaratra sy tsy fahampian-tsakafo, ary maro amin'ireo tanora ao Kioba - mbola izany no zava-misy hatramin'izao - no miketrika hikopak'elatra ho any  U.S., amin'ny fomba rehetra takatry ny sain'izy ireo mba handositra ny tsy fisian'ny anjara-masoandro sy ny fahalalahana ao Kioba.
Ny setrin'izany rehetra izany avy amin'ny governemanta dia ny fandefasana ny hery vonjy taitran'ny fanjakana (departemantam-panjakana misahana ny fandriampahalemana) hiatrika ilay kaongrekasiona [congregation] tao an-tseranana, hiezaka ny hifehy izay mety ho fihoaram-pefy. Izay narahan'ny hetsi-panoherana goavana nataon'ny Kiobana efa nanomboka nikiakiaka hoe: “Fahalalahana; Kioba eny, Castro tsia” sady nifanaritaka tamin'ireo mpitandro filaminana tamin'ny fanehoan'izy ireo ny tsy fahafaliany amin'ny fepetra iainana eo amin'ny nosy. Nanomboka nidina an-dalambe ireo mponin'i Havana, nampakatra ihany ny isan'ireo mpanao fihetsiketsehana. Ny tsy fahafaliana noho ny tsy fahampian-tsakafo sy ireo zavatra hafa ilaina amin'ny fiainana andavanandro no isan'ny nampakatra ny tosiky ny vilany  cocotte-minute; ary dia ‘nipoaka ny sarom-bilany'.
Olana tsy misy hafa amin'izany no manao afon'ampombo eo Kioba ankehitriny, vokatra nateraky ny famèrana ny fanjifàna ireo filàna fototra, ny fanjifàna herinaratra ary ireo tolotra hafa tsy azo ihodivirana. Matoan-dahatsoratra iray no namoaka tao amin'ny blaogy Asociación Pro Libertad de Prensa (Fikambanana ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety), tantanin'ireo mpanao gazety tsy miankina ao Kioba , manao hoe:
puede afirmarse que las condiciones políticas, económicas y sociales del país han empeorado.
Azo ambara fa tena nitotongana be ny tontolo politika, ekonomika ary sosialy eto amin'ny firenena.
Ity ampahany ity dia manao famehezana hoe:
La impopularidad del régimen alcanza cotas difíciles de ser superadas…perdida la confianza y hasta la esperanza…el pueblo espera inútilmente por una muestra de racionalidad o al menos, por un poco menos de egoísmo por parte del gobierno.
Tonga amin'ny fara-tampony tsy azo ihoarana ny tsy fitokisan'ny vahoaka ny fitantanana…na ny fanantenana aza dia very… ireo vahoaka mijaly miandry vasoka izay ho marika kelin'ny fahitsiana [rationality], na farafaharatsiny fitiavantena kely avy amin'ny governemanta.
Ny Sary nalain'ilay mpizahatany holandey iray Karen Poorts tao Kioba tamin'ny 1994 - toy ireo videos  maro tsy voasonia momba io fifanandrinana io izay  napetraka ao amin'ny YouTube - dia maneho betsaka vondron'olona vitsivitsy milahatra eny an-dalambe, maneho eny amin'ny endriny (tsy misy tahotra ny amin'izay mety ho fiantraikany) ny tsy fahafaliany amin'ny governemanta.
Ilay mpitoraka blaogy nahazo loka Yoani Sanchez dia nifidy ny handrakitra anaty  video ny vohikalan'ny  ‘the Maleconazo', raha toa kosa ireo mafana fo sy mpitoraka blaogy hafa  nitatitra momba ireo fepetra noraisin'ny fanjakana ho fisorohana ny Maleconazo hafa indray , na Andro iray ho Fanoherana. Toy izay nitranga roa volana lasa izay, votsa be ny fikorianan'ny aterineto, nitera-pahasahiranana ho an'ireo mpitoraka blaogy avy any Kioba te-handefa sary na tatitra ho an'ireo mpitoraka blaogy any ivelan'i Kioba ,  dia ireo izay hamoaka ny vaovaon-dry zareo avy eo. Ireo Kiobana mafana fo mpiaro ny zon'olombelona sy ny fahalalahan'ny isam-batan'olona dia noraràna tsy hahazo manao hetsika fahatsiarovana.  Ireo mpitandro filaminana avy amin'ny fanjakana dia nampiasa ilay fomba fanao efa tsy zoviana intsony amin'ny fanaovana fahirano ny faritra, hisorohana ny  fivoahan'ny olona ao an-tokantranony na handraisany vahiny, eny fa na dia hoe fihaonana kely monja aza.
Somary mahazendana ihany, mitohy ny fanoherana anaty aterineto [online] - farafaharatsiny avy amin'ireo loharano ivelan'i Kioba , - iarahana amin'ny blaogin'i Josan Caballero izay maneho firaisankina amin'ny alalan'ny hetsika iray ao amin'ny  Facebook:
La idea nos llega de Facebook. Joel Riev nos propone utilizar hoy, cinco de agosto, este video, junto a las siguientes palabras, que hacemos también nuestras:
‘Propongo a todos de publicar este vídeo en sus páginas (blog y profilo fb) este 5 de agosto, para no olvidar cómo nos cortaron las alas. Yo estaba allí y me arrestaron…'
Nitsiry tato aminay tamin'ny alalan'ny Facebook ny hevitra. i Joel Riev manolotra hoe androany, fahadimin'ny volana Aogositra, aparitatsika ity video ity, miaraka amin'ireto teny manaraka ireto , izay nataonay ho anay manokana:
‘Soso-kevitro ho an'izay rehetra hamoaka ity video ity amin'ny takelak'izy ireo  (blaogy sy ny mombamomba ny tena ao amin'ny Facebook) amin'ity 5  Aogositra ity, aza adino  ny fomba nanapahan'izy ireo ny elatsika [elatra+isika]. Tany aho ary dia nosamborin-dry zareo…'
Penultimos Dias (ES) dia manoratra lahatsoratra iray izay manome amin'ny antsipirihany ny fomba fahitàn'ny Kiobana iray Ny Maleconazo, raha mamehy azy toy izao kosa indray ny blaogy sin EVAsión :
Quince años atrás yo no estaba en el Malecón, pero recuerdo ese día como una muestra de la rebeldía de numerosos cubanos, que levantó la expectativa de cambios en muchos de nosotros. Ese día creímos que estaba cercano el fin de la dictadura. Yo nunca he querido irme de la Isla; he creído (románticamente, lo sé) que soy más útil aquí, que pertenezco a este lugar y que mi resistencia es también mi particular homenaje y mi respeto a la Cuba que queremos todos, incluyendo a los que se rebelaron aquel día. Ellos, estén donde estén, son un ejemplo de dignidad. Me gusta pensar que somos algo más que 110 mil kilómetros cuadrados de geografía…Ellos dijeron “basta”; no importa ahora cuán efectiva fue su acción: fue la última muestra de rebeldía popular masiva que recuerde Cuba.
La descarada reseña del Granma a propósito de la fecha me obliga a insistir en un derecho que nos corresponde: el 1ro de enero todavía es suyo; el 5 de agosto es (y será) nuestro.
Dimiambinifolo taona taty aoriana, tsy tao Levee aho, saingy nomarihako kosa ity andro ity ho ny ohatra iray amin'ireo hetsi-panoherana nataon'ireo Kiobana marobe, izay nanandratra ny fanantenanay fiovàna. Tamin'io andro io dia nino izahay fa efa taka-tànana ny fiafaran'ny jadona. Tsy naniry velively ny handao ny Nosy aho; Nino aho  (tamim-panofisana, azoko antoka) fa ilaina  bebe kokoa aho eto, ary tena iray ihany amin'ity toerana ity aho ka ny fanoherako dia fomba iray koa ho ahy manokana hanomezako voninahitra sy fanajàna an'i Kioba ary izay no iriantsika rehetra, miampy ireo rehetra nihetsika tamin'iny andro iny. Ry zareo, na aiza na aiza misy azy ireo,  dia ohatra velon'ny fahamendrehana. Te-hieritreritra aho hoe maherin'ny 110.000 kilometatra toradroa no misy antsika ara-jeografia…Hoy ry zareo hoe “leo”; tsy dia ilaina loatra ny mamantatra hoe hatraiza ny vokatry ny hetsika: iny no fanehoan-kery farany tamin'ny hetsi-panoheran'ny maroan'isa tao Kioba.
Ny tsikera mahamenatra nataon'i  Granma momba ny vaninandro dia manery ahy hisisika amin'ny zo mahakasika antsika: ny 1 Janoary dia mbola azy ihany aloha; ny 5  Aogositra  dia (ary izay no ho fandehany) ho antsika.
Ny sarikely nampiasaina tamin'ity lahatsoratra ity, “Pescador en el malecon”, dia avy amin'i Fredo photo, nampiasana ny  Creative Commons license. Tsidiho ny  Sary mivoaova nataon'i Fredo ao amin'ny flickr .
http://globalvoicesonline.org/2009/08/14/cuba-the-maleconazo-2/
Alzeria : Taorian'ny Fifandonan'ireo Sinoa sy Alzeriana
Niteraka fifandonana teo amin'ireo mpifindra monina sy ireo teratany alzeriana ao an-drenivohitr'i Alzeria ny fidiran'ireo mpiavy sinoa. Zato teo ho eo ny fitambaran'ny teratany sy ny mpifindra monina nifanandrina tamin'izany, ary nampiasa antsy sy fonjam-by ry zareo. Nisarika resa-be mikasika ny fampiasan'ny sinoa vola ao amin'ity firenena ity izany fifandonana izany, ka tsy latsa-danja amin'ny ady hevitra ireo mpitoraka blaogy.
Hoy indrindra i Talking Under the Random Dribble, izay nilaza tamin'ny lohateniny fa mahazo mihoatra noho ny nangatahany tamin'ireo sinoa ny alzeriana.
A fight has broken out between Chinese and Algerians in Algeria…Algerians complain the new migrants drink alcohol and don’t respect Islam (”They drink alcohol and do not respect our religion. They must leave.“)…
Vaky ny ady eo amin'ny sinoa sy ny alzeriana any Alzeria … Mitaraina ireo Alzeriana fa misotro zava-pisotro misy alikaola ireo mpiavy ary tsy manaja ny finoana Silamo. (”Misotro zava-pisotro misy alikaola izy ireo, ary tsy manaja ny finoantsika. Tsy maintsy miala eto izy ireo.“) …
Fifandonana ao Chinatown, hoy i Kal ao amin'ny The Moor Next Door. Hoy indrindra izy mampahatsiaro ny tantaran'ny fifandraisana nivelatra teo  amin'ireto firenana roa ireto :
Algeria and China have quite fine relations. To say “Algeria and China” is to say the governments of the Democratic and Popular Republic of Algeria and the People’s Republic of China enjoy long and friendly relations The PRC was the first country to recognize independent Algeria. Quite a few Algerian military officers, engineers and others were educated in the PRC. Chinese television once broadcast programs on the Algerian “people’s revolution”. Algerian communists counted many, many Maoists in their ranks in the 1960’s and 1970’s, and the Chinese Embassy is historically one of the more important in Algiers. Any Algerian who has done his national service has held a Chinese made rifle and served in a military modeled after the People’s Liberation Army.
Azo lazaina fa tsara ny fifandraisan'i Alzeria sy i Shina. Ny hoe “Alzeria sy Shina” dia midika hoe ny governemantan'ny Repoblika Demokratika mamim-bahoakan'i Alzeria, sy ny Repoblika entim-bahoakan'i Shina, miaraka mahazo ny tombon-tsoa amin'ny fiarahana mahafinaritra. Ny Repoblika entim-bahoakan'i Shina no firenena voalohany nanaiky ny fahaleovan-tenan'i Alzeria. Maromaro ihany ireo miaramila, injeniera sy ny hafa nandranto fianarana tany Shina. Nandefa ireo “fihetseham-bahoaka” tany Alzeria ireo fahitalavitra sinoa taloha. Maro tamin'ireo kominista Alzeriana no nanaraka ny foto-kevitr' i Mao tamin'ny taona 1960-1970, ary isan'ireo manan-danja ao Alger ny masoivoho sinoa. Ny Alzeriana rehetra izay nanao fanompoam-pirenena dia efa nilanja basy vita sinoa, ary nanompo ny firenena araka ny lalana miaramila novolavolain'ny Armée populaire de libération.
Miresaka lalina kokoa ny fifandraisana amin'izao fotoana izao i Kal avy eo. Hoy indrindra izy mikasika izany :
Algerians have not taken well to the large numbers of Chinese that have arrived in Algeria over the last decade, mostly to build the housing units and infrastructure projects president Bouteflika promised Algerians in 1999, 2004 and 2009. Algerians want those jobs. But they’ve gone to Chinese firms on Chinese terms.
Tsy nahafaly ny Alzeriana ny fahatongavan'ireo Sinoa maro tao Alzeria nandritra ny taona maromaro izao, indrindra ireo tonga hanangana ireo trano araka ny nampanantenain'ny filoha Bouteflika tamin'ny 1999, 2004 ary 2009. Tian'ny Alzeriana ho azy ireo asa ireo. Niantso ny orin'asa sinoa nefa izy ireo, araka ny fepetran'ny sinoa.
Hoy ihany izy :
So the flare ups in Sino-Algerian relations recently have been the result of domestic politics; in other words, areas the two governments historically have ignored in their dealings with one another. But now, rebells in Algeria are setting upon Chinese interests based on the conduct of a Chinese rebellion; and ordinary Algerians are roughing up Chinese nationals, brought to the country as a result of this otherwise long and happy relationship.
Noho izany, izao fifandonana izao dia noho ny korontana ara-politika ao anatiny ihany ; izany hoe, ireo korontana tsy nomen'ny governamanta roa lanja tamin'ny fifandraisana taloha. Amin'izao fotoana izao dia manohitohina ny tombon-tsoan'ny Shina ireo mpikomy ao Alzeria noho ny fitondran-tenan'ireo mpikomy sinoa ; ary kotabain'ireo mponina Alzeriana ireo mponina Sinoa izay nifindra tany noho ny fifandraisana tsara taloha.
Hisy fiatraikany amin'ny fifandraisan'ny Sinoa sy ny Alzeriana ve izao fifandonana izao ? Tsy nampiova inona ao Alzeria izany, hoy ihany ny The Moor Next Door.
A headline like “Brawl breaks out in Algeria,” is the North African equivalent of something like “dog bites man”. One should consider that the day before Bab Ezzouar violence, there were youth riots in El Tarf, on the Tunisian border and that for a little more than a year intermittent violence has taken place between Ibadite Berbers and Arabic speakers Berriane, just north of Ghardaia. This is to say nothing of the numerous fits of car and tire burning that go on quite often elsewhere in Algeria. This is part of the setting of Bouteflika’s Algeria, and it is the failure of the socio-economic order he has setup, that addresses only macro-level economic and social problems, but fails to address the basic tensions in Algerian society in an effective way.
Mitovitovy amin'ny hoe “Manaikitra olona ny alika” ihany ny lohateny toy ny hoe “Teraka ny Korontana ao Alzeria“. Tokony hodinihina ohatra fa nisy korontana koa tao El Tarf, manaraka ny sisintanin'i Tonizia,  ny andro mialohan'ny herisetra tao Bab Ezzouar ; ary naharitra herintaona mahery ny herisetra teo amin'ireo silamo Ibadite Berbers sy ireo mpiteny arabo ao Berriena, avaratry i Ghardaia. Tsy ho tanisaina ireo fandorana sy fiara sy kodiarana izay mateti-pitranga ao Alzeria. Izay no endriky i Alzeria nentin'i Bouteflika, mampiseho indrindra ny tsy fahombiazan'ny fifampifehezana sosialy sy ara-toekarena izay mijery ankapobeny fotsiny, fa tsy mitondra vahaolana mahomby amin'ny ireo olana ara-tsosialy ao Alzeria.