· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Desambra, 2012

Italia : #iostoconmarco, Miaraka Amin'i Marco Pannella Manohitra Ireo Fonja Tsy Manaja Ny Maha-Olona

  31 Desambra 2012

Tanjon'ny fitokonana tsy hihinan-kanina sy tsy hisotro rano nataon'ilay mpitarika ny radikaly italiana ny hiampangàna ny fepetra iainan'ireo voafonja any amin'ireo fonja italiana, ny hitakiana ny hampihenana ny isan'ireo voafonja ary hanomezana azy ireo ny zo ho afaka hifidy. Lohahevitra izay tokony ho hita any anaty fandaharan'asam-pifidianan'ireo antoko politka hiatrehana ny fifidianana voatondro ho amin'ny Febroary 2013.

Tongava Ao Shina Mandritra ny Krismasy Mba Hankafy Ny Fahalalaham-pivavahana!

  29 Desambra 2012

Sampana iray ao amin'ny Antoko Komonista Shinoa, ny Global Times, izay namoaka lahatsoratra momba ny Krismasy ka manasa ireo Shinoa mpanara-baovao mpila-ravinahitra mba hoavy hankalaza ny fety ao Shina [zh] mba hahita maso ny fomba fankalazan'ny mponina Shinoa ny Krismasy manerana ny firenena. Ho setrin'ireo tsikera maro sosona momba ny filazana fa...

Raràn'i Kambodja Ny “Cybercafé” Manakaiky Sekoly

  25 Desambra 2012

Namoaka naoty ny Minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra Kambodjiana fa voaràra ny manorina cybercafé 500 metatra manodidina ny sekoly na trano fampianarana. Mandràra ireo cybercafé tsy handray ireo tanora latsaky ny 18 taona ihany koa ny filazana, izay nanipika fa marobe ireo loza ateraky ny aterineto tahaka ny fampihorohoroana, heloka ara-toekarena...

Tonga Hatrany Anaty Fandrakofana Ny Disadisa Ny Adin'ny Media Hisarihana Mpihaino Ao Israely

Ny olana ara-bola dia manana toerana lehibe tokoa hampikororosy ny fahaleovantenan'ireo mpanangom-baovao, izay mety tsy harisika intsony handray fanamby hiatrehana ny hetahetan'ireo tonian-dahatsoratra na mpitantana an-dry zareo izay, etsy andaniny, tsy maintsy manao tatitra amin'ireo tompon'ny famoaham-baovao. Mitombo hatrany hatrany, ireo olon-tsotra mpampahalala vaovao sy bilaogera mameno ny banga amin'ny fandrakofam-baovao navelan'ireo media Israeliana mahazatra.

Espaina: Saina Sahisahy Eo Amin'ireo Tanora Mpifindra-monina

  17 Desambra 2012

Andro vitsy lasa izay, anisan'ireo lohahevitra malaza indrindra tao amin'ny Twitter i « Marina del Corral ». Del Corral, tompon'andraikitra ambony ao amin'ny Ministeran'ny Asa sy Ny Fiahiana Ara-tsosialy, na ny marimarina kokoa, Sekretera Jeneralin'ny Fifindram-ponenana sy ny Fifindra-monina, nanjary malaza izy noho ilay fanambarany niteraka fahatezerana tao amin'ny tambajotra sosialy. Nanambara ity...

Fa Maninona no Tian'ny Olona ny Asam-Panjakana ao Shina?

  17 Desambra 2012

Nahatratra hatramin'ny 1,12 Tapitrisa ny Sinoa niatrika fanadinana hidirana ho mpiasam-panjakana, ny 25 Novambra 2012 teo, izany hoe nahitana fitomboana 150.000 noho ny tamin'ny taon-dasa, araka ny tatitry ny mpiasan'ny sampandraharaham-panjakana misahana ny asam-panjakana. Mpianatra amin'ny anjerimanontolo ny ankamaroan'ireo mpiadina, mifaninana amin'ny toerana voafetra ho 20.000 amin'ny asam-panjakana izy ireo. Mihoatra ny...

Ny Perla Avy Amin'ny Media Momba an'i Afrika

  16 Desambra 2012

Nisy ny fanatsotsorana momba an'i Afrika nifandrohy tamin'ny fanentanana #Kony2012 nataon'ilay ONG Invisible Children [Ankizy Tsy Hita]. Nisy fanentanana hafa natao avy eo ho fanitsiana ny kinendry. Efa tsy ampahafantarina intsony [en] ny fanombatombanan'ny fampahalalam-baovao momba an'i Afrika na dia efa nihena dia nihena aza ny fahadisoana tao anatin'ny taona vitsivitsy farany. Tsy mandehandeha fotsiny amin'izao...