· Septambra, 2012

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Septambra, 2012

Espaina : Tsy Maintsy Mandoa Ny Hetrany Ve Ny Eglizy?

  20 Septambra 2012

Zamora, tamin'ny volana mey teo no tanàndehibe espaniola voalohany nitaky hetran-trano tamin'ny eglizy katolika (IBI). Avy amin'io fanapahan-kevitra io no iezahan'ny tanàna mameno ny tsy fahampiam-bola mahazo ny fiadidiana ny tanàna any Espaina. Mivoaka amin'ny tambajotran-tserasera amin'izay ny vaovao sy ny fanehoan-kevitra isan-karazany.

Bangladesh: Takela-dokambarotra Ratsy Sady Mahafaty ao Dhaka

  14 Septambra 2012

Mponina eo amin’ny 13 tapitrisa eo no monina ao Dhaka, renivohitr'i Bangladesh. Manana hakitroky ny mponina eo ho eo  amin’ny 28000 isaky ny kilometra tsimivadimandry. Rivotra maloto, rano maloto, fitohanan’ny fiara no fihantsiana hatrehin’izy ireo isan’andro. Araka ny tatitra avy amin’ny “Environmental Performance Index 2012” (Famantarana ny Fivoaran’ny Tontolo Iainana),...

Espaina : Sintonin-dry Zareo Ny Sakafo Mba Homena Ireo Sahirana

  10 Septambra 2012

Juan Manuel Sánchez Gordillo, solombavambahoaka ao Andalozia, mpikambana ao amin’ny Antoko Ankavia Miray (IULV-CA), solontena nasionalin’ny antoko mpiaro ny mpiasa (CUT-BAI) sy ben’ny tanàna andalò ao Marinaleda , ary mpikambana an-jatony avy ao amin'ny sendikà tafaray no niditra tranombarotra lehibe maromaro mba  hanatontosa ny hetsika faritan-dry zareo ho « fisintonana ny sakafo hiala...

Palestina: Mipongatra Ny Hetsi-panoherana Ny Fidangan'ny Vidim-piainana Sy Tsy Fisian'asa

Mitombo be ireo hetsi-panoherana any amin'ireo tany Palestiniana, indrindra fa any amin'ireo tanàn-dehibe any amin'ny faritr'i Cisjoprdanie : Hebrona, Ramallah, Betlehema ary Naplouse. Maneho ny hatezerany amin'ny Manampahefana Palestiniana ireo mpanao hetsi-panoherana, noho ny halafon'ny vidim-piainana sy ny taha avoben'ny tsy fisian'asa ho an'ireo tanora Palestiniana

Madagasikara: tezitra nohon'ny fahatapahan-jiro matetika ny vahoaka ka nanafika ny #JIRAMA Farafangana

  05 Septambra 2012

Ny namana avylavitra no nanaitra voalohany tamin'ny alalan'ny sioka an-tserasera [na twitter] fa : @avylavitra: #JIRAMA #FARAFANGANA notafihan'andian'olona omaly [ndlr. Alahady 2 septambra 2012] tamin'ny 7 ora alina #Madagascar Nohamarinin'ny « L'express de Madagascar » tamin'ny alalan'ny sioka an-tserasera izany taty aoriana : “@LExpressMada: Nopotehin'ny olona ny Jirama tao Farafangana...