· Mey, 2012

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Mey, 2012

Qatar: Firehetana Mahatsiravina Namoizana Aina Tao Aminà Toeram-pivarotana Lehibe Iray

Tamin'ny 28 May nidedaka ny afo tao amin'ny Villaggio Mall tao Doha, niteraka faty olona sivy ambinifolo, ka telo ambinifolo tamin'ireo no ankizy. Voafandriky ny afo ka tsy afa-nivoaka tao amin'ny toeram-pitaizana nisy azy tao anatin'ilay toeram-pivarotana lehibe ireo ankizy, ary maty sempotry ny setroka tao izy ireo sy ny mpampianatra efatra. Mpamono afo roa no maty teo ampiezahana hamonjy azy ireo.

Kenià : Hokaramaina Sa Tsia Ireo Mpianatra asa (#PayInterns)?

  17 Mey 2012

Nanomboka adihevitra mafana iray ilay Keniana mpandefa Tweet @RobertAlai ny faha 14 May, 2012 mikasika ny tokony hanakaraman'ireo Orinasa ireo mpianatra asa. Nanambara izy fa ny tsy fanomezana karama ireo mpianatra asa dia endrika fanararaotana. Nampiasa ny tenifototra #PayInterns ireo mpandefa Tweet mba hanontaniana ny momba izany ary mandrisika ireo orinasa hamafa ny anaran'izy ireo ao amin'ny Twitter.

Martinika: Sarimihetsika “Think Like A Man”, Afa-tsy Ao Frantsa Ihany

  14 Mey 2012

Fanavaozam-baovao: 23 Mey 2012, 9:20 pm Takatray ny filazana avy ao amin'ny vohikala Allo Ciné cinema fa “hivoaka tsy ho ela” araka ny efa voasoratra elaela ihany ny sarimihetsika “Think Like a Man” . Miala tsiny ho an'ny mpampiely ny sarimihetsika, araka ny fanambarana ato, milaza fa tsy nisy mihitsy fikasana famoahana...

Eoropa : Tsianjery Maimbo Momba Ny Fifindra-monina

  11 Mey 2012

Nifarana ny fifidianana izay ho filoham-pirenena frantsay saingy ny nifidianan'ny filoha teo aloha, Nicolas Sarkozy, hanao ny resaka fifindra-monina ho ivon'ny fampielezan-keviny kosa dia mitohy resahana hatrany ety anivon'ny tranonkala. Manotany teny ny maro amin'ny mpiondana aterineto raha toa io safidy nanaovany pi-maso tamin'ny hery farany havanana mba ho fampandaniana azy io ka nanampy mba hanamaivamaivana ny fahareseny, na mifanohitra amin'izany, anisan'ny antony iray nampandositra ireo mpifidy azy.

Sri Lanka: Miatrika Fitobahan'ambim-bava Avy Amin'ny Fambolena

  02 Mey 2012

Miatrika karazana fanamby vaovao ny governemanta ao Sri-Lanka, miatrika ny fitobahan'ny ambim-bava amin'ny vary. Na izany aza anefa, tantsaha iray ao Sri Lanka no mitondra fanazavana ilay bilaogera momba ny fijalian'ireo mpamoka-bary ao Sri Lanka, izay tsy mahazo ny sanda sahaza ny vokatr'izy ireo.