· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Marsa, 2012

Puerto Rico: Gresy Vaovao Ve?

  28 Marsa 2012

Ilay manam-pahaizana mpandalina ny ara-bola Cate Long, ao anatin'ny bilaoginy Reuters.com, dia manasongadina ny fitoviana misy eo amin'ny toekaren'i Puerto Rico sy Gresy. Nanjary lasibatry ny fanakianana avy amin'ny fitantanan'ny governoran'i Puerto Rico, Luis Fortuño, ny fandalinana nataony. Nampanakoako izany halemen'ny toekaren'ilay nosy Karibeana izany ireo tambajotra sosialy sy bilaogy maro.

Espaina: Manohana Ve Sa Tsy Manohana Ny EuroVegas Ianao?

  24 Marsa 2012

Las Vegas ao Eoropa… Tianao ho fantatra ve ny momba izany? Tranobe marolafy tsy mena-mitaha raha oharina amin'ny namany Amerikana izay ahitana trano filokana enina, tokontany filalaovana golf, efitra filalaovana tantara-tsangana sivy, ary hotely roambinifolo, tsy lazaina intsony ireo trano fisakafoanana sy magazay marobe. Izany no tetikasa nampahafantarin'ilay mpanakarambe Sheldon Adelson,...

Sri Lanka : Famoretana Ny Hetsi-panoherana Noho Ny Fidangan'ny Vidim-piainana Amin'ny Anaran'ny Filaminam-Bahoaka

  08 Marsa 2012

Mikorosofahana ny toekaren'i Sri Lanka ankehitriny, miakatra ny vidim-piainana sy ny hetra ka miteraka hetsi-panoherana marobe izany. Nandray fepetra feno herisetra ny polisy sy ny tafika hamoretana ireo mpanao fihetsiketsehana, ka marobe ireo namoy ny ainy tao anatin'izay volana maromaro lasa izay. Ratmale tao amin'ny bilaogy Serendipity nanazava hoe : Ao anatin'ny fotoan-tsarotra...

Kiobà : Fomba Fijerin'Ireo Bilaogera Ilay Faha 50 Taonan'ny Fahirano (Andiany Faharoa)

  08 Marsa 2012

Ilay fahirano nataon'i Etazonia an'i Kiobà dia namoha fanehoan-kevitra mahaliana, adihevitra sy fisaintsainana izay tsy lefin'ny fotoana : 50 taona ankehitriny ilay fahirano. Amin'ity lahatsoratra ndiany faharoa amin'ilay fizaràna roa mikasika ny fomba fijerin'ny Kiobà ilay faha 50 taonan'ny fahirano ity dia omany ny fomba fijerin''ilay bilaogera iray avy ao Kiobà sady mpanoratra ao amin'ny Global Voices, Elaine Díaz.