· Jona, 2011

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Jona, 2011

Syria: Ny Revolisiona sy ny Toekarena

Tato anatin'ny 100 andro; tsy nandroso tsy nihemotra ny toekarena tao Syria. Ny vanim-potoanan'ny fizahantany vao mitsidika io dia tsy mamelom-panantenana.Fanampin'izany, an'aliny ireo Siriana velon'ahiahy ka namadika ny tahiriny hiala amin'ny "Syrian pounds" hanjary dolara amerikana na Euros, nahatonga ny vola Siriana hizaka tsindry mavesatra.

Slovakia, Polonina: (Tsy) Fahafantarana ny Traikefa Mikasika ny Euro

Araka ny fitsapan-kevitra vao haingana navoaka tao amin'ny Gazeta Wyborcza, dia manohitra ny fidirana ao amin'ny fari-bola euro ny ankamaroan'ny Poloney. Ny tsy fahazoany ny traikefa Slovaky ny mety antony iray mety mahatonga izany. Jakub Loginow, Poloney monina ao an-drenivohitra Slovaky, ao Bratislava, no nanoritsoritra tamin'ireo  Slovaky mpamaky ny bilaoginy ny fomba fahitan'ny...

Syria: Nandao Ny Orinasany Ny Rahalahin'i Al Assad Fa Hanao Asa Soa.

Ny 16 Jona, ankatoky ny Zomam-pihetsiketsehana vaovao tao Syria, nanambara ny fahitalavi-panjakana Syriana fa handao ny orinasany ilay  mpandraharaha Rami Makhlouf, 41 taona, ka hiditra amin’ny asa fanasoavana. Nasser H. Al-Shaikh no voalohany nitatitra ny vaovao milazalaza izany tao amin'ny Twitter izay nanatsongany ny voalazan'ny fahitalavi-baovao Arabiya: AlArabiya: lehilahy mpandraharaha...

Kambodza: Vehivavy Mpandraharaha sy ny Valantserasera

  15 Jona 2011

Natsangana tao amin'ny facebook ny vondron'ny Vehivavy Kambodziana ao amin'ny fandraharahana ny volana Novambra 2009 mba hizarana ny traikefa ananan'ny vehivavy eo amin'ny sehatry ny fandraharahana sy ny hisiana tambazotra ao Kambodza. Nanomboka hatreo, dia nisy hatrany ny fivoriana notontosain'ny fikambanana izay notohanan'ny Famatsiambola Iraisampirenena ho amin'ny Fiarahamiasa ao Kambodza. Ny herinandro...

Espana: Mivoatra ny Hetsi-Panoherana, Saingy Mbola Mitohy Mafàna Ny Raharaha

  14 Jona 2011

Ireo fanentanana nanomboka tamin'ny 15 May tao Espana dia nivadika niandàlana ho famoriam-bahoaka tao an-toerana, fivorivoriana ary karazana fandraisan'andraikitra maro samihafa nanerana ny firenena. Saingy mbola avo dia avo ny maripàna eny an-dalambe eny. Tamin'ny 11 Jona, tao Madrid renivohitra, niafara tamin'ny firotsahana an-tsehatry ny polisy namely ireo mpanao hetsi-panoherana ny fitorevahana iray.