Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Janoary, 2011
Afghanistan: Hetsi-panoherana tao Kabul manohitra ny governemanta Iraniana
Nanao fihetsiketsehana teo ivelan'ny masoivoho Iraniana tao Kabul ireo Afgana mpanohitra tamin'ny Alakamisy, Afghanistan manohitra ny antsojay mahazo ny Afgana mpifindra monina sy mpialokaloka any Iran, ary koa manohitra ny ankivy ara-tsolika avy any Iran mahazo an'i Afghanistan amin'izao fotoana izao.
Kamerona: Ireo mpamorona sy mpanamboatra
Ny famoronana, ny fahaiza-mamorona sy ny fitantanana dia mihetsiketsika any Kamerona araka ny hitantsika ao amin'ireo horonantsary manaraka mampiseho ireo mpanefy vy eo am-piasana, tranona finday sy solosaina finday vita avy amina bararata sy asa tanana fampikotrehana atody.
Jordania: Fanehoan-kevitra noho ny fanalàna an'i Ben Ali avy amin'ireo ‘Jordaniana Tezitra’
Ry zareo Jordaniana, izay nanao ny "Andron'ny Hatezeran"-dry zareo tamin'ny andro nandosiran'ny Filohan'i Tonizia, Zine El Abidine Ben Ali, ny fireneny taorian'ny fanoherana efa naharitra am-bolana maro, dia naneho hevitra an-karavoana nandray ilay vaovao. Ry zareo koa dia manohitra ny sondro-bidy sy ny adin-tsaina ateraky ny ara-toekarena tsy mandroso tsy mihemotra.
Jordania: Mety Hitarika amin'ny fialàn'ain'ny Governemanta Arabo maro Hafa ny Fanoherana Toniziana
Arakaraky ny itohizan'ny herisetra, dia toy izany koa ny valin-kafatra sy ny fanehoan-kevitra ao Jordana. Maro ireo Jordaniana mpampiasa twitter no nifantoka tamin'ny fanakianana ny Filohan'i Tonizia , Zine El Abidine Ben Ali. Ny hafa mihevitra fa ny korontana mitranga any Tonizia dia hanome hevitra ny vahoaka any amin'ny firenena Arabo hafa hangataka fanavaozana ara-toekarena sy ara-politika.
Japana: Ny herintaona nitorahana bilaogy
Satria voafidy ny tarehin-tsoratra 暑 (sho) izay midika 'mamay na hafanana' hanehoana ny taona 2010 tamin'ny fankalazàna isan-taona [en] tao Kyoto, ndeha isika hijery fantina "lohahevitra mamay" izay norakofan'ny Global Voices tamin'ity taona ity.
Jordania: Fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter mikasika ny fisondrotan'ny Solika Sivy Isan-Jato
Nanambara ny fitsaharan'ny fiakaram-bidin'ny solika nandritra ny faran'ny taona ny governemanta Jordaniana. Ny vidin'ny entona fandrehitra, raha alaina ho ohatra ny benzine, dia niakatra 9 isan-jato, raha 6 isan-jato kosa ho an'ny vidin'ny gazole sy ny kerosene. Maro ny Jordaniana no naneho ny tsy hafalian-dry zareo tamin'ny alalan'ny esoeso manafintohina sy mahadrohadro.