Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Febroary, 2010
Kroasia: Filoha vaovao – lalana vaovao
Nandray ny fahefana amin'ny mahafiloha fahatelo, misolo ny filoha teo aloha Stjepan Mesić nahavita ny fe-potoana fiasany indroa misesy, ny zoma tamin'ny herinandro lasa teo Atoa Ivo Josipović. Namoaka lahatsoratra lavalava mandrakitra ny famantarana ivelany entin'ny filoha vaovao sy ny karazan-tsakana atrehin’ i Kroasia ny BBC mba hahatafiditra azy ho...
Rosia: mamantatra ny toerana misy ny bus eo noho eo
Ny fitantanana ny tanànan'i Ryazan [ENG] any Rosia Afovoany no voalohany any amin'ity firenena ity nametraka sarintanin'ny fivezivezen'ny fiara fitaterana [RUS] hoy ny tatitry ny gov-gov.ru. Azo arahina amin'ny alalan'ny aterineto eo noho eo manko ny fiara fitaterana noho ny fisian'ny fitaovana GPS any anatin'izy ireny tsirairay avy. Alexey Sidorenko
Ejipta: Alaivo aloha ny Corolla-nareo
Manamarika i Zeinobia fa nanery ny Toyota Ejipta haka ny sasany amin'ny maodeliny avy any amin'ny fivarotana fiara ny Sampana Ejipsiana miaro ny mpanjifa mba hanitsy ireo Toyota manana fahasimbana fa anjaran'ny orinasa ny fandaniana amin'izany. Eman AbdElRahman
Okraina: “Raha toa moa ka orinasam-panjakana ny Google…”
Manadrohadro ny asam-panjakana Okrainiana sy ny fahelany amin'ny asany amin'ny alalan'ny lahatsoratra etsy ambany (UKR; Nadikan'ny mpampiasa LJ grosman ho amin'ny teny rosiana ato izany) ny mpampiasa LJ (Live Journal) mipetraka any Lviv dali_bude raha manoratra hoe tahaka ny ahoana tokoa moa no hitranga amin'ny karoka Google raha toa ka...