· Oktobra, 2009

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Oktobra, 2009

Kazakhstan: Fifanoheran-kevitra ara-ekonomika, fanavakavahana araka ny maha-lahy na vavy ary ny fitotonganan'ny siansa

  31 Oktobra 2009

Manohy ny resaka momba ny fifandraisana ara-sosialy ireo mpitoraka blaogy any Kazakhstan. Tamin'ny herinandro lasa teo, ny adihevitra teto amin'ny aterineto dia nampiseho lohahevitra samihafa. Ny mpitoraka blaogy Lord-Fame dia novangian'ireo tomponandraikitry ny hetra izay nanambara fa tsy ampy araka ny tokony ho izy ireo mpiasa ao amin'ny orinasany, ambanin'ny...

Japana: ravan'ny antontan'isa farany ny anganon'ny fandrosoana

  25 Oktobra 2009

Japoney iray amin'ny enina no miaina ao anatin'ny fahantrana araka ny tatitra [teny anglisy] navoakan'ny minisiteran'ny raharaha sosialy. Araka ny antontan'isa navoakan'ny OCDE [en], dia manana ny iray amin'ny tahan'ny fahantrana ambony indrindra amin'ny tany mandroso i Japana ka fahaefatra aorian'i Meksika, Torkia ary i Etazonia. Tao amin'ny Flickr id:...

Goadelopa: Andron'ny rano

  23 Oktobra 2009

Any amin'ny nosy miteny frantsay any Karaiba, nosin'i Goadelopa, manana anaram-bositra manao hoe “Nosin'ny rano tsara” koa, dia iankinan'ny ain-dehibe ny rano. Tena zava-dehibe satria izy no mamaritra ny toetr'andro any an-toerana, na izany amin'ny alalan'ny tsy fahitana azy na izany amin'ny alalan'ny fahatondrahany: ny “Karemy” fotoanan'ny maintany izay maharitra...