· Aogositra, 2009

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Aogositra, 2009

Karaiba: Vitan'i Bolt indray letia a!

  18 Aogositra 2009

Medaily volamena Olaimpika sy fitazonana ny zava-bita vaovao manerantany eo amin'ny hazakazaka 100 metatra sy 200 metatra no vitan'ilay Jamaikana Usain Bolt, ary tao anatin'ny fandresena nahoraka sy nahavalalanina no nahavitany izany tamin'ny faran'ny herinandro nandritra ny fiadiana tompondaka manerantany IAAF notontosaina tany Berlin, tafiditra 9.58 segondra nanamontsana ny zava-bitany...

Kioba: Ny Maleconazo

  18 Aogositra 2009

Ny 5 Aogositra dia manamarika ny tsingerintaona faha-15n-n'ny fitraorana lehibe indrindra natrehin'ny governemanta revolisioneran'i Castro hatramin'ny taona voalohany nandresen'ny revolisiona: Ny Maleconazo

Ejipta: Fihemorana tsy misy fetra ny aterineto asiana fetra

  17 Aogositra 2009

Nifampitantana ny mpampiasa aterineto tany Ezypta naneho ny fahatezerany tamin'ny lalàna vaovao nametra ny fampiasany aterineto. Nadaboka ankehitriny ilay lalàna ka izay vao misoratra anarana ihany sisa iharany, ao anatin'ny roa volana, rehefa hita ny herin'ny hetsika.

Alzeria : Taorian'ny Fifandonan'ireo Sinoa sy Alzeriana

  13 Aogositra 2009

Niteraka fifandonana teo amin'ireo mpifindra monina sy ireo teratany alzeriana ao an-drenivohitr'i Alzeria ny fidiran'ireo mpiavy sinoa. Zato teo ho eo ny fitambaran'ny teratany sy ny mpifindra monina nifanandrina tamin'izany, ary nampiasa antsy sy fonjam-by ry zareo. Nisarika resa-be mikasika ny fampiasan'ny sinoa vola ao amin'ity firenena ity izany fifandonana...