· Novambra, 2008

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Novambra, 2008

Senegaly: Mpanefoefo te-hamorona asa vaovao an'arivony

  26 Novambra 2008

Indro mijoro eo anilan'ny filoha Wade ao amin'ny lapam-panjakana ilay mpandraharaha Senegaly sady Filoha Tale Jeneralin'ny vondrom-barotra Bara Mboup (CCbm), Atoa Serigne Mboup, nilaza ny tsiri-keviny omaly hampiasa vola mahatratra 34 arivo arivo arivo Cfa (US$ 666 arivo arivo) hanomezana asa vaovao mahatratra 60 000 amin'ny fanafarana posy-bisikileta ampolo arivony...

Madagasikara: Nanakorotantsaina ny fifanarahan-tany tamin'ny Koerana tatsimo.

  24 Novambra 2008

Raha inoana ny nolazain'ny Financial Times dia hanofa ny atsasaky ny tany azo volena eto Madagasikara ny Koreana Tatsimo. Niteraka adihevitra teo amin'ny tontolom-bolongana malagasy mikasika ny fiandrianam-pirenena sy ny fampandrosoana ara-toe-karena izany. Mbola tsy mazava moa hatramin'izao hoe efa nosoniavin'ny roa tonta ve ny fifanarahana? Na izany aza dia efa ifandresen-dahatra eo amin'ny mpamaham-bolongana raha azo heverina ho karazana "fanjanahantany vaovao" izao fifanarahana izao.

Shina: Raharaha maizina vaovao mikasika ny Baidu

  22 Novambra 2008

Notaterin'ny CCTV ary fa nanaiky nandray vola avy tamina orinasa mpanao fanafody tsy ara-dalàna mba hametrahana ny rohy mikasika azy ho voalohan-daharana rehefa manao fikarohana amin'ny aterineto ny Baidu, izay heverina ho Google Shinoa. Nolazaina tao anatin'izany fitateram-baovao izany fa mahalala izany toe-javatra izany ny mpiasa misahana ny dokambarotra ao...