The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Disaster Sokajy ara-dresaka

RSS ho an ny Disaster

2008-04-25

Jamaïka : Tondra-dranoPhotos post

Montego Bay Day By Day no manapariaka sarin'ny faritra Saint-Ann taorian'ny tondra-drano izay nidona tany Jamaïka : Last week business & home owners in the parish of Saint Ann received an unpleasant surprise. Following two days of very heavy rains sections of the parish were left battling flood waters. Schools & ...

2008-04-23

Haïti, Kôngô (R.D.K.), sy ny pôlitikan'ny kere

Ny fidangan'ny fisondrotry ny vidin-tsakafo dia efa nipoiran'ny pitik'afo izay nandrehitra rotaka tany Haïti, sy Egypta ary Mozambika, tamin'ity volana ity toy ny fihasarotan'ny raharaha dia tsy hamela fotsiny ny kere hianjady amin'ireo osa indrindra amam-tapitrisany fa hisedra koa ny fahosana sy tsy fahampian'ny traikefan'ireo fitondram-panjakana any amin'ireo tany mahantra ...

2008-04-18

Indonesia

Vaovao avy any Indonezia no nanambara fa nakarina ho amin'ny dingana ambony ny filazam-panairana manodidina ny tendrombohitra volkano Papandayan. Miorina 51 km atsimo atsinanan'ny tanàna fahatelo lehibe indrindra any Indonezia dia i Bandung ny volkano nefa misy mponina manodidina ny 3 000 000 eo ho eo ny mponina ao aminy.

2008-04-16

Kôngô (RDK) : Lozam-pifamoivoizana an'habakabaka faha-5 ao anatin'ny taona iray monja, saingy ny fidangan'ny vidin-tsakafo no loza tena izy

Nambaran'ireo biraom-paritr'ireo Fantsona Fampahalalam-baovao fa tafakatra 75 ny isan'ireo olona maty tamin'ny fianjeran'ny fiaramanidina "cargo" fotoana fohy monja taorian'ny niaingany, tany Goma omaly [Talata 15 Aprily 2008]. Ny fihoarana izay fetran'ny lanjan'ny mpandeha sy ny entany no mety ho anton'izany loza izany. Hatramin'ny volana Jona 2007 dia ity no lozam-pifamoivoizana ...

2008-04-10

Egypta:Mpitoraka blaogy miatrika vava-ady

Nihazakazaka niaraka tamin’ny famantaranora (famantaranandro) ny mpitoraka blaogy Egyptiana nampita ho an’izao tontolo izao ny fitroatr’ireo mpiasa izay niantraika tamin’ny firenena manontolo, toy ireo an’arivony nitangorona nanoloana ny Al Mahalla orinasa fanenonan-damba, nangataka ny hanamboarana ny karamany ho tsaratsara kokoa sady nanohitra ny fisondrotry ny vidim-piainana. Isan’ny voalohany koa niaraka ...

2008-03-20

Madagascar ,
France

harinjaka no mitatitra ny fisiana toeram-pihaonana amin'ny alina sy fandihizana natokana ho an'ny Malagasy (night club) vaovao [Fr] iray any Marseille: “Fantatro avy amin'ny traikefa niainako manokana fa tsy mora ny miditra club eto (Frantsa),  indrindra fa hoe mainty ianao na arabo…Tsy ny Queen no lazaiko eto fa club iray izay ny Malagasy kosa no Olobe (VIP) ao.”

Saudi Arabia

“Tovolahy iray sy tovovavy iray no maty tamin'ny lozam-piarakodia nampihoronkoditra iray raha nenjehin'ny polisy avy ao amin'ny vaomieran'ny fampielezana ny fahadiovam-pitondrantena sy fisorohana ny faharatsiana tany avaratry ny tanànan'i Tabuk izy ireo” hoy ny tatitry Saudi Jeans.

2008-03-13

Ekoatera : Mandrahona ny firenena ny loza voajanahary

  Sary nalain'i MennoGuy, arovan'ny Creative Commons Na toa hadinodinon'ny mpanao gazety maro aza ny vokatry ny oram-be tany Ekoatera fa nirona tamin'ny olana diplomatika teo amin'i Colombia sy ny manodidina azy izy ireo, dia mbola maro no mijaly any an-toerana noho ireo loza voajanahary. Io sary eo ambony io dia nalaina ...

2008-03-11

Madagasikara : Lesona azo notsoahina taorian'ny fandalovan'ny rivomahery mahery vaika faha-3 tao anatin'ny iray volana sy tapany monja

Hatramin'ny faran'ny volana Janoary lasa teo dia rivomahery maherivaika 3 [Fame, Ivan, Jokwe], no nifanesy namely mafy an'i Madagasikara, ny farany amin'izy ireo dia ny rivomahery Jokwe izay niditra an-tanety tany Antsiranana, any amin'ny faritry Diana, any Avaratry Madagasikara, izay nandrava trano mihoatry ny 40 ary namela ...

2008-03-03

Kôngô (RDK) : Lasa « mifangaro » amin'ny sisan'ilay fiaramanidina nianjeraPhotos post

Tamin'ny volana Oktobra tamin'ny taon-dasa, i Du Cabiau Kinshasa dia nitatitra mikasika ny lozam-piaramanidina Antonov tany Kinshasa, sy namono olona am-polony maro [>30]. Tamin'ny faran'ny volana Febroary izy dia nanapariaka sary ahitana ny sisan'ilay fiaramanidina nianjera izay mivela amin'ny lalàna mitondra ho any amin'ny seranam-piaramanidina ... Mais personne ne s'intéresse plus ...