Tantara mikasika ny Voina
Famotsipotsirana ny olana: Ahiahim-by mavesatra amin'ny famatsian'atodiakohon'i Bangladesh
Ny atody no loharanon'ny proteinina mora vidy indrindra ao Bangladesh. Nahatsikaritra tahan'ny metaly mavesatra ambony anaty atody eny amin'ny toeram-piompiana ao an-tanànan'i Dahaka ny fikarohana vao hainganan, ka miteraka loza ara-pahasalamana.
Taorian'ny rivodoza Maria dia mbola miezaka hatrany Dôminika manorina trano mahatohitra ny fiovaovan'ny toetrandro, ka amin'ny COP28 izy dia hanao adisisika ho an'ny rafitra ara-bola ho an'ireo fatiantoka sy fahasimbàna.
Ny tahirimbola iray ho an'ny fatiantoka sy ny fahasimbàna dia handray anjara be hanome "famatsiambola iray ara-toetrandro tena ilain'ireo firenena faran'izay marefo ravan'ny fiantraika ratsin'ny fiovàn'ny toetrandro
Topi-maso amin'ny traikefa iainana ny fadimbolana tanatin'ny fahantrana ao Jamaika sy Trinidad sy Tobago
Ny fikambanana tsy mitady tombony any amin'ireo Nosy roa dia mamporisika ny fampiasana kokoa ireo vokatra miaro tontolo iainana, vokatra mbola azo ampiasaina isambolana, ho fomba hiatrehana mivantana ny fadimbolana mandritra ireo trangana fiovan'ny toetrandro.
Manodidina ny 40,000 taonina ireo neurotoxine tahirizina tsy misy fiarovana any Makedonia Avaratra
Nandritra ny taona maro, nampiasain'i Skopje ho toeram-pitsangatsanganana mandritra ny andro iray "anaty natiora" ilay faritra mandra-pahitan'ireo mpanao gazety mpanaramaso ny tsiambaratelo matroka izay niafina tao ambanin'ireo ahi-maitso : fako misy poizina avy any amin'ny taona 1970.
Tiorkia : Sakanan'ireo mpandraharahan'ny fifandraisandavitra ny fidirana amin'ilay tranonkala Web malaza Ekşi Sözlük
Noho ny antony mitovy, tamin'ny 7 Febroary, nosakanan'ny manampahefana ny Twitter, sehatra media sosialy iray hafa malaza .
Mitaky ny rariny ny fihetsiketsehana roa taona taorian'ny nahamaizan'ny hopitaly COVID-19 tany Makedonia Avaratra
Tsy niatrika tamberin'andraikitra tamin'ny fahamaizana nahafatesana olona 14 ny orinasa nanangana ny hopitaly sy ny tompon'andraiki-panjakana nankatoa ny fanorenana.
Fahalotoana ateraky ny plastika madinika ao Sri Lanka : ho mpamono olona mangingina
Poizina ho an'ny zavamananaina rehetra ny plastika madinika. Mandrapahafahan-tsika manolo ny plastika na miady amin'ireo plastika madinika, ny fitsipika ankapobeny dia tsy maintsy ny fialàna amin'ny fampiasana an-jambany ny plastika rehetra eo amin'ny fiainantsika.
Voina nahafatesana olona nandritra ny lanonam-panokafan'ny Lalaon'ny Nosy teto Madagasikara
Fifanosehana mahafaty olona no nanamarika ny fanombohan'ny Lalaon'ny Nosy teto amin'ny Ranomasimbe Indiana notontosaina teto Mdagasikara raha mirotsaka ho amin'ny fifidianana kasaina ho atao amin'ny novambra 2023 ny Filoha.
Fiainana tsy mateza ao an-tampon-tanànan'i Kingston, Jamaika
Mieritreritra ny honina amin'ny trano kely kokoa i Emma Lewis, mpandray anjara ato amin'ny Global Voices, saingy ny triatra ao amin'ireo trano notsidihany dia mety manondro olana lalina kokoa manodidina ny “fivoarana-fampandrosoana vaovao” ao Kingston.
Mampiharihary ny olana fisafidianana toerana ao Xiong'an, Shina ny tondra-drano nandravarava tao Hebei
Mpisera Weibo iray nametraka ny politika famoahana rano ao Shina amin'ny fomba fohy: "Tsy miankina amin’ny haavony ny toerana iray tondraky ny rano na tsia fa miankina amin’ny sata politikany."