2009-08-26
Grèce: Mandondona an'i Athènes ny afo
Nisy doro tanety nitranga tany avaratra atsinanan'i Attica any Grèce ny zoma alina lasa teo, ary avy hatrany dia nandrava ala maro sy tanin'olona maro. Tao anatin'ny 2 andro monja dia nahazo ny faritra avaratra indrindra any Athènes ny afo, mampahatsiahy ny fahasimbana goavana nateraky ny doro tanety tamin'ny lohantaona ...
2009-08-13
Taiwan: Potiky ny rivodoza Morakot ny faritra atsimon'i Taiwan
Nandalo tany Taiwan ny rivo-doza Morakot ny 07 aogositra 2009 lasa teo. Nampirisika ny mponina tany amin'ny faritra avaratra hiomana amin'ny fiavian'ny orambe sy ny rivotra mahery ny biraon'ny famantarana ny toetr'andro tany an-toerana. Kanjo ny faritra atsimo no nitondra faisana tamin'ny tondra-drano sy ny fahasimban'ny fambolena raha nampitahaina tamin'ny ...
2009-08-06
Fipoahana bomba: nahafatesana olona sivy tany Indonesia
Nisehoana asa fampihorohoroana indray tao indonezia [naotin'ny tonia:tamin'ny volana jolay]. Bomba roa no nipoaka tao Jakarta renivohitra indonezia tamin’ny zoma lasa teo. Araka ny voalazan' ny vavolombelona dia tamin’ny 07:40 maraina no nahenoan’izy ireo ny fipoahana voalohany avy ao amin’ny JW Marriott, ary 2 minitra taorian’izany dia nirefotra ny bomba ...
2009-06-10
Air Bus AF 447: Alahelo, tsy fahampiam-baovao sy fanaitairana
Niteraka resabe sy fanontaniana maro indrindra koa fikarohana ho an'ny filazam-baovao ilay fiaramanidina frantsay Airbus izay nanjavona tsy hitan'ny radara ny alahady 31 may; avy any Rio de Janeiro ity fiaramanidina ity ary hankany Paris. Niainga tany Brésil ilay fiaramanidina ny alahady 31 may, nisy mpandeha 216 tao anatiny ary ...
2009-06-05
Myanmar: Rava ilay fiangonana bodista manan-tantara
Nirodana nandritra ny asa fanavaozana azy ny fiangonana bodista iray, olona 5 farafahakeliny no maty ary mpiasa sy mpanao fivahinianana masina maro no naratra.
Ny fiangonana ao Danoke taorian'ny fianjerany (New Era Journal)
Any ampitan'ny reniranon'i Yangon ao amin'ny kaomina Dala, faritra Rangoun, no misy ity fiangonana ao Danoke ity, fiangonana manana ...
2009-05-31
Honduras: Horohoron-tany mahery nanetsiketsika ny firenena
Nifoha aloha be tokoa i Honduras ny marainan'ny 28 Mey noho ny horohorontany mirefy '7.1 tamin'ny maridrefy Richter' nanetsiketsika ny firenena. 130 kilometatra tany avaratry ny tanànan'i La Ceiba ny foibeny, tany amin'ny morontsiraky ny ranomasim-be Atlantika. Tamin'ny 2:24 maraina, ora tany an-toerana, nanery ireo mponina hivoaka ny tranony tanatin'ny ...
2009-05-17
Rivodoza Nargis tany Myanmar herintaona taty aoriana
Nandravarava ny faritra atsimon'ny vinany (Delta) Irrawaddy ny rivodoza nahafaty olona iray tamin'ny volana mey 2008 ka mihoatra ny 2 000 000 ny tra-boina tamin'izany. Notombanana fa 138 000 ny isan'ny maty ary 200 000 no tsy hita popoka tamin'iny fandalovan'ity rivodoza ity. Herintaona taty aorian'ny voina navelan'ny rivodoza Nargis, ...
2009-05-11
Rosia : Tatitra fanampiny mikasika ny fipoahana nitranga tany Moskoa

Indreto tatitra hafa fanampiny mikasika ilay doro trano vokatry ny fipoahan'ny fantsona famatsiana etona tany Moskoa tamin'ny 9 : Andrei Kharlanov izay sady nametraka lahatsary ao amin'ny Youtube no nitatitra nivantana tamin'ny alalan'ny Twitter @andreikharlanov izay narahin-tsary koa; Mpivoy LJ [LiveJournal] q-u-a-t-t-r-o (monina 1.5 km ny toerana nitrangan'ny voina ...
Rosia : Fipoahan'ny fantsona famatsiana etona tany Moskoa

Manapariaka sary mitatitra ny doro trano vokatry ny fipoahan'ny fantsona famatsiana etona tany Moskoa tamin'ny 9 May ireo mpiblaogy Rosiana. Tsidiho ireo blaogy samihafa anivon'ny LiveJournal : buchwurm, goodwine, principiale, maroot, volland. Misy koa lahatsary napetraky HorseWhispererRF azonao jerena ao amin'ny YouTube.
2009-03-12
Pakistana: Nanjakan'ny tahotra ny lalao Cricket!
Andian-jiolahy roambin’ny folo no nanafika ireo ekipa mpilalao cricket (fanatanjahantena baolina kapohina amina hazo) androany maraina mialoha ny lalao niaraka tamin’ny ekipa Pakistana tao Lahore. Nahafaty olona fito ireto tsy mataho-tody lian-drà, anisan’izany ireo polisy 5 maty voatifitra ary teo koa ireo mpilalao Sri Lankey 6 naratra. Mitana fitaovam-piadiana hari-fomba ireto mpampihorohoro, ...




