· Mey, 2012

Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Mey, 2012

Qatar: Firehetana Mahatsiravina Namoizana Aina Tao Aminà Toeram-pivarotana Lehibe Iray

Tamin'ny 28 May nidedaka ny afo tao amin'ny Villaggio Mall tao Doha, niteraka faty olona sivy ambinifolo, ka telo ambinifolo tamin'ireo no ankizy. Voafandriky ny afo ka tsy afa-nivoaka tao amin'ny toeram-pitaizana nisy azy tao anatin'ilay toeram-pivarotana lehibe ireo ankizy, ary maty sempotry ny setroka tao izy ireo sy ny mpampianatra efatra. Mpamono afo roa no maty teo ampiezahana hamonjy azy ireo.

Peroa : Iquitos Taorian'ny Fandalovan’ ilay Tondradrano

  29 Mey 2012

Fanadihadiana mikasika ny tondra-drano no nandrakotra ny faritra Amazon ao Peroa nandritra ny iray volana, nahatratra sy nihoatra ny teboka ambony indrindra teo amin'ny tantara..Amin'izao fotoana izao dia efa nihena izany . Ao anatin'ity lahatsoratra ity no izarànay ny lahatsary avy amin'ny mponina, sary ary fanadihadiana mikasika ilay tondra-drano.

India: Fifandonana tao Tamil Nadu Noho Ny Fanoherana Ilay Orinasa Mpamokatra Nokleary

  20 Mey 2012

Nampitombo ny ahiahin’ny vahoaka ny fametrahana ny  Kudankulam Nuclear Power Project (KKNPP) (Tetikasa Nokleary Matanjaka), ao amin’ny distrikan’i Tirunelvel ao Tamil Nadu, ao India, izay eo am-panamboarana ankehitriny, satria mety hiteraka voka-dratsy tahaka ny  fipoahan’ilay orinasa mpamokatra nokleary  Fukushima  ao Japana izany. Manahy  ny mpikatroka fa rehefa misy  horohoron-tany arahinà  tsunami ao...

Armenia: Nitera-doza Ny Fipoahan'ireo Balaonina Nandritra Ny Fampielezan-kevitra

Niharan-doza ny famoriam-bahoaka nandritra ny fampielezan-kevitra fifidianana solombavambahoaka tao Yerevan, renivohitr'i Armenia, tamin'ny Zoma 4 Mey, noho ny sigara voalaza fa nandrehitra ireo balaonina mandeha amin'ny entona. Mahery ny 140 ny olona naratra nandritra ny fipoahana araka ny tatitra voaray. Nisy rindran-kira ihany koa ny  fampielezan-kevitra nokarakarain'ny antoko Repoblikana andro vitsy mialoha...