· Septambra, 2011

Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Septambra, 2011

Pakistan: An-tapitrisany Tratry Ny Tondra-drano Ao Sindh, Tsy Misy Mpijery

  25 Septambra 2011

Taorian'ny tondra-drano niteraka faharavàna be tamin'ny taona 2010 tao Pakistan dia tsy nisy dingana mivaingana noraisin'ny governemanta hatreto mba hiatrehana ny mety ho fisian'ny tondra-drano amin'ny hoavy. Ny fiantraikan'io tsy firaharahiana io dia nandravaràva indray ny tondra-drano. Ny ivon'ilay zava-doza tamin'ity taona ity dia i Sindh izay namafàn'ny tondra-dranobe tanàna maro ary namindràna toerana olona an-tapitrisany.

Brezila: Nasian'ny Tondradrano Indray Ny Fari-piadidian'i Santa Catarina

  18 Septambra 2011

Niteraka tondra-drano tany amin'ny tanàna maro tany amin'ny faritra Atsimon'i Brezila indray ny oram-batravatra namely ny fari-piadidian'i Santa Catarina. Hatramin'ny 8 Septambra 2011, dia tondradrano, ranontrambo tampoka sy tany mihotsaka no namely ireo tanàna 96 any amin'ny faritra ary, araka ny lazain'ireo mpampahalàla vaovao mahazatra, manodidina ny 1 tapitrisa ny olona tra-boina.