· Febroary, 2011

Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Febroary, 2011

Tanzania: Maneho hevitra momba ny fipoahana baomba tany amin'ny toby miaramila ny mpampiasa aterineto

  20 Febroary 2011

Olona 30 fara-fahakeliny no maty tamin'ny fipoahana baomba maromaro taorian'ny loza tamin'ny Alakamisy vao mangiran-dratsy tany amin'ny toby miaramilan'ny Gongo la Mboto any Dar es Salaam, Tanzania. 22 fara-fahakeliny ny olona maty tamin'ny 2009 taorian'ny fipoahana baomba mahatsiravina tany amin'ny toerana fametrahana ny fitaovam-piadiana tany amin'ny toby miaramila any Mbagala any Dar es Salaam. Ity dia fanatsongàna fanehoan-kevitra avy amin'ny tontolon'ny blaogy sy twitter.

Haiti: Herintaona lasa izay…Tsaroantsika tsara

  02 Febroary 2011

Herintaona androany ny nitrangan'ilay horohorontany nandravarava tao Haiti. Ireo mpitoraka bilaogy Haitiana dia mahatsiaro sy manome sitraka ireo velon'aina tamin'io voina io, na dia fantatsika aza fa mbola marobe ireo asa fanarenana tsy maintsy atao.