Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Jolay, 2010
Bangladesh: ankizy iray ananganana indray ny sekoly
Ankizy iray dia ampy nitantarana ny fahasimban'ny trano fianarany nanoloana ny fakantsary : nandritra ny volana nanaraka izay, isaorana i Shawn Ahmed avy ao amin'ny Uncultered Project and Nerdfighters, izay nampiasa ny Youtube hanangonana vola ampy hananganana indray ity sekoly rava ity. Pidahouse ao amin'ny Signboard nalefan'i Shawn Ahmed nahazoana...
Brezila: Herisetra mianjady isan'andro amin'ny vehivavy
Any Brezila, vehivavy 10 isan'andro no maty misy mamono. Ilay famonoana vehivavy tsy ela akory izay, nataon'ilay eritreretina ho rain-janany, sady mpiandry tsatokazo Breziliana tokony hanana ny hoaviny, dia nanainga adihevitra mikasika ny herisetra atao amin'ny vehivavy teo amin'ny tontolon'ny fitorahana blaogy.
Korea Atsimo: Miombona alahelo amin'ny Hirifiry nozakaina noho ny fiparitahan'ny solika
Raha mbola eo ampanarahana ny tatitra momba ny zava-doza ateraky ny solika miparitaka avy amin'ny BP ao Etazonia ny any Korea Atsimo, maro ireo Koreana mpitoraka blaogy, izay ho azy ireo dia tsy mbola maty ao am-pony ny fahatsiarovana fipariahan-tsolika nahatsirariva tamin'ny 2007 niteraka fahafatesana maro teo amin'ny tantara Koreana,...
Maneran-tany: Tsy matoan-dahatsoratry ny fampahalalam-baovao ny fiparitahan'ny solitany
Misarika ny fifantohan-tsain'izao tontolo izao ilay fiparitahan'ny solitany tany amin'ny Elodranon'i Meksika, vokatr'izay fanapotehana noho ny tsy fahaiza-mitantana ny fitrandrahana solitany. Na izany aza, any amin'ireo toerana sasany maneran-tany, miaina miaraka amin'ny fandrarahana poizina toy itony ny olona, ary amin'ny alalan'ny horonantsary no hiezahan'ny vahoaka hisintonana ny sain'izao tontolo izao amin'ny fijalian'izy ireo.